Rijatiana Andriamiradomanana

Rijatiana Andriamiradomanana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Rijatiana Andriamiradomanana, Wholesale & Supply Store, Ambatondrazaka.

Lehilahy antitra 63 taona no tsy nahatsiaro tena ary naterina teny @ Hopitaly.Natahorana ny ainy ka nasiana "oxygène" mb...
29/03/2023

Lehilahy antitra 63 taona no tsy nahatsiaro tena ary naterina teny @ Hopitaly.
Natahorana ny ainy ka nasiana "oxygène" mba hamelomana azy mandritra ny 24 ora.
Afaka fotoana fohy, nahatsiaro tena izy ary nihatsara ny fahasalamany.
Noho izany, nampahafantatra azy ilay mpitsabo fa 100 000 Ar ny vidin'ny oxygène, ary rehefa nahita ny "facture" izy dia nirotsaka ny ranomasony.

Sadaikatra ilay Dokotera nahita azy nalahelo sy nitomany nefa ny vidim-panafody lafo tsy maintsy haloa.
Nefa namaly azy ilay lehilahy hoe: Malahelo sy mitomany aho, tsy nohon'ny vola haloa fa manana ny handoavana izany ihany.

Mitomany aho satria mandritran'ny 24 ora nampiasako ny "oxygène", ny sarany dia 100 000 Ar.
Nefa ny rivotra nomen'Andriamanitra hiainako nandritra ny 63 taona izay nomeny ahy maimaimpoana, Mba fantatrao ve hoe hoatrinona ny vidin'izany???

Nitanondrika ilay Dokotera ary nanomboka nirotsaka koa ny ranomasony.
Androany, ho anao izay mamaky ity, Miaina ankalalahana sy maimaimpoana ny rivotra nomen'Andriamanitra ary tsy misy vidiny mandritra ny taona maro.

Raha sitrakao, Mba manana 2 segondra ve ianao @ fotoananao mba hanoratra hoe:"MISAOTRA RAY Ô!" ary 10 misy anao ato ity hafatra ity...nohon'ny asa fanompoana maimaim-poana ataon'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao isan'andro...

Aza hadino ny manaraka ny page tsika💕💝💟🎁, mba hahazoana rojom-bavaka ary hafatra fampaherezana ary zava-mahasoa maro hatrany...

ANASITRANANA NY HOMAMIADANA "CANCER" AMIN'NY FOMBA TSOTRA SY HAINGANA ARY NATORALY. NAHASITRANA OLONA MARO MANERAN'IZAO ...
29/03/2023

ANASITRANANA NY HOMAMIADANA "CANCER" AMIN'NY FOMBA TSOTRA SY HAINGANA ARY NATORALY. NAHASITRANA OLONA MARO MANERAN'IZAO TONTOLO IZAO

Ny homamiadana dia aretina fahita matetika ankehitriny, tratrany avokoa na ny tanora na ny lehibe na ny antitra.

- Homamiadan'ny nono
- Fivontosana tsy mety sitrana amin'ny vatana
- Homamiadan'ny "Utérus"
- Homamiadan'ny "Prostate"
- ...

Nefa Andriamanitra dia nametraka zava-boahary natoraly isan-karazany indrindra eto Madagasikara hanasitranana ny aretina rehetra.

ZAVATRA ILAINA

- Ravina (Feuillle d'aloe vera) singany iray (1)

- lehibe (Gros Gingembre) mbola tsara roa (2) lehibe na telo (3) antonony

- (Ananas) iray (1)

- iray (1)

FIKARAKARANA AZY

- Sasana madio tsara ny ravina

- Esorina ny tsilo maranitra amin'ny sisin'ny ravina

- Sasana madio tsara ny ; TSY ESORINA NY HODINY

- Sasana madio tsara ny ; Ary ESORINA NY HODINY

- Sanana madio tsara ny ; Ary ESORINA NY HODINY

FANAOVANA AZY

- Totoana na Mixena (mixer) miaraka izy rehetra

- Tsy ajanona raha tsy potika tsara ary mifangaro tsara izy rehetra mandrapahazoana fangaro marihitra tsara (mélange lisse)

FIHINANANA AZY

- Misotro iray kopy (une tasse) ny maraina

- Misotro iray kopy (une tasse) ny hariva

FAHARETANY

- Atao izany mandritra ny roa (2) herin'andro tsy latsaka.

- Afaka atao mihoatra kely raha efa somary sarotra sy mihombo ny aretina. Fa TSY MIHOATRA NY TELO (3) HERINANDRO ANEFA.

- Rehefa nahavita izany dia manatona mpitsabo hizahana ny fahasitranany

TSARA HO MARIHINA

- Tsy voatery efa marary vao manao izany fa afaka atao tsara izany ho fisorohana ny areti-mandoza

- Hanina 30 minitra alohan'ny sakafo

- Aza mihinana sakafo mavesatra ny hariva indrindra mandritra ny traitement

- Miandry 15 minitra aorian'ny sakafo vao matory eo ambony fandriana

Azafady indrindra tompoko, ry vohoakan'Andriamanitra ôôô. Namako ianao, Tiako ianao, Sitrako tokoa mba ho salama ianao sy ny ankohonanao. @ olona rehetra tianao.

Aza hadino faobe rehetra fa mahasoa ny hafa...

__ Andriamanitra anie hitahy anao be dia be _

Aza hadino ny manao J'aime ny page tsika💕💝💟🎁, mba hahazoana rojom-bavaka ary hafatra fampaherezana ary zava-mahasoa maro hatrany, tsindrio ny lien eo ambany. Hotahina anie isika rehetra...

https://www.facebook.com/Tech.Alaotra

VOASARY "ORANGE"    Faly mampafantatra anao ny vokatsoa entin'ny voasary "orange" indray izahay ato amin'ny Milamina fah...
25/03/2023

VOASARY "ORANGE"
Faly mampafantatra anao ny vokatsoa entin'ny voasary "orange" indray izahay ato amin'ny Milamina fahasalamana anio. Fotoam-pavokaran'ny voasary tokoa izao ary tena ilaina mihitsy ny fihinanana azy satria dia manankarena otrikaina maro misoroka sy miady amin'ny aretina maro izy ity ka mandamina ny fahasalamana manontolo.
Araky ny voalaza etsy ambony dia manankarena otrikaina maro izy ka tsara hoan'ny olona sendra ireto tsy fahatomombanana eo amin'ny fahasalamana manaraka ireto no sady misoroka izany:
VITAMINE C: Ahitana vitamine C amin'ny tahany ambony ny voasary ka mitroka ny "fer" ary dia tena mety amin'ny olona "anémié" ny fihinanana azy. Noho izany ihany koa dia mampitombo ny tahan'ny "systeme immunitaire" izy ary miady amin'ny "virus" rehetra izay tena miteraka tsy fahatomombanana eo amin'ny fahasalamana.
SELS MINÉRAUX: ny "calcium", " potassium", "magnésium", "fer", " phosphore" ao aminy dia manamafy ny taolana, ka tena tsara hoan'ny olona "ostéoporotique" ary koa mety hoan'ny olona tsy ampy mineraly "carence en sels minéraux".
ACIDE FOLIQUE: Ny "acide folique" ao aminy dia tena ilain'ireo vehivavy mitondra vohoka, manatsara ny fo sy ny aretin'ny "cardio vasculaire" ary manatsara ny "systeme nerveux ihany koa.
FIBRES: Ahitana "fibre soluble" ao aminy ka manatsara ny "systeme digestif" ary manampy ny tsinay amin'ny asany, misoroka ny fitohanana "constipation", mampidina ny tahan'ny "mauvais gras LDL", "triglyceride", manena vatana ihany koa.
ANTIOXYDANT: ny "antioxydant" ao aminy dia manana anjara asa amin'ny fandevonana ny "calculs rénaux" no sady manampy ny "rein" amin'ny asany, tsy vitan'izany fa misoroka ny fahanteran'ny sela no sady mamatsy "oxygène" ho azy ka misoroka ny mety hisian'ny "cancer".
FLAVONOÏDES: ny "flavonoïdes" ao aminy dia mahatonga azy ho "anti-inflammatoire" ka tena manampy ny olona sendra aretina miteraka firehetana.
VITAMINES B1, B2, B3, B5, B6, PROVITAMINE A, VITAMINE E: ny fisian'ireo ao aminy no mahatonga azy hanatsara ny fanirin'ny volo sy ny kalitaony ary koa manatsara ny maso sy ny hoditra.
Araraoty ny fihinanana voasary fa mandamina ny fahasalamana. .

🔴Indray andro,  nanoratra teo amin'ny solaitrabe i Albert Einstein: 9 x 1 = 99 x 2 = 189 x 3 = 279 x 4 = 369 x 5 = 459 x...
05/02/2023

🔴Indray andro, nanoratra teo amin'ny solaitrabe i Albert Einstein:

9 x 1 = 9
9 x 2 = 18
9 x 3 = 27
9 x 4 = 36
9 x 5 = 45
9 x 6 = 54
9 x 7 = 63
9 x 8 = 72
9 x 9 = 81
9 x 10 = 91

Niomehy azy avokoa ireo rehetra tao ampianarana noho ilay fahadisoana nataony teo amin'ny farany.
Nandrasan'i Albert Einsten nangiana izy ireo, dia nilaza izy hoe:
"Na dia marina avokoa aza ireo valiny miisa 9 voalohany, dia tsy nisy na iray aza teo nankasitraka izany. Kanefa rehefa nataoko diso ilay farany dia niomehezanareo rehetra aho.

Izany no midika fa na maro aza ny fahombiazanao sy zavatra tsara vitanao, dia ny fahadisoana kely nataonao no hitan'ny fiaraha-monina sy mahafaly azy kokoa.

Aza avela ho simban'ny fanakihanana sy fanenjehana ny fanatanterahanao ny nofinofinao, ireo izay tsy manao na inona na inona ihany no tsy manao fahadisoana sy zatra manakihana."

FOMBA FITAIZANA NY ZAZA MISY TOROLALANA ROAPOLO (20) IRETO👇👇👇👇 TENA ILAINAO :1°) Zaro @ làlana tokony ho izy ny zaza, ar...
22/01/2023

FOMBA FITAIZANA NY ZAZA MISY TOROLALANA ROAPOLO (20) IRETO👇👇👇👇 TENA ILAINAO :

1°) Zaro @ làlana tokony ho izy ny zaza, ary ataovy hita soritra eny @ endrikao foana fa tena hananao Fitokisana izy.

2°) Zaro mandray andraikitra dieny mbola kely ny zaza, ka sady mampianatra ianao no manoro. Oh: Vao mifoha dia asaina alaminy ny fandriana ary avalona ny lamba nirakofany ary asainy apImirimina @ toerana tokony hisy azy, dia zaro mamafa ny tranony ary mandroaka ny fakony.

3°) Zaro manasa tànana mbola kely izy, ary zarina mandro isan’andro, tsy maninona raha ianao mihitsy no mampandro azy.

4°) Miaraka manasa ny lovia, ary miaraka manasa lamba ianareo, ka ny azy ohatra dia ny bà kirarony no asaina sasany.

5°) Mifalia ianao raha manao Ialahy na indry anao, satria dia tena marika izay fa toy ny namany ianao ka tsy hanafenany n’inoninona.

6°) Mividiana boatin-drakitra kely ho azy, dia raha vao mahazo naoty tsara izy ohatra 16/20 na mihoatra omena 50Ariary ka izy no avela handrotsaka azy. Marihiko fa isaky ny naoty tsara no handrotsahany io vola io, torak’izany koa ny très bien
ohatra, ary ataovy ampitsikina foana no hanoloranao azy hoe “
Ity indray ny anao fa nahafapo" .

8°) Aza treromina mintsy ny zaza raha mampianatra ianao, fa ataovy toy ny miara-milalao aminy

9°) Fadio koa ny miteny na mibedy azy eo imason’olona.

10°) Asio animation kely foana rehefa misakafo ianareo.Oh:Asaivo mitantara ny momba ny fianarany izy dia mba asio Bravo rehefa mety ny nataony, aza hadino koa ny miresaka @ vadinao ohatra hoe nahazo naoty tsara anie i…androany e! (Bravo), ianareo koa mba mitantara ny zavtra niseho tontolo andro.

11°) Aza tapahina mihintsy ary fadio rehefa miresaka izy na
maneho hevitra hahafantaranao ny tena ao antsainy, ary raha misy tsy mety ny nataony dia atoroy moramora izy, na teneno tsotra fotsiny hoe sao de tokony izao no nataonao? Raha efa lehibe koa ny zanakao ohatra dia torak’izay saingy tsy mandidy ianao fa miteny kosa hoe sao dia izao no mahasoa anao?

12°) Hanontanio dieny mbola kely ny ankizy hoe “Inona no mba tianao atao rehefa lehibe?” Voizo amin’iny safidiny iny manomboka eo ny fiainany, ka raha manana ny atao ianao ka misy vola kely dia samia mahafoy mividy ilay zavatra
hiantefan’ny sainy tiany atao rehefa lehibe.

13°) Tandremo ary fadio ny mampanatena zavatra tsy ho takatra, raha niezaka t@ fianarana izy ka efa nampanantenanao fa tena hanimba azy izany.

14°) Fadio ihany koa ny miara-mibedy ny zaza, fa rehefa miteny ny iray ka mibedy azy, ka manantona anao izy mila tambitamby dia teneno fotsiny hoe “ Henoy izany tenenin’I Neny izany na I Dada fa mahasoa anao izany”. Avy eo ianareo mivady miresaka raha diso mahery loatra ny fitenin’ilay nibedy azy ary aza atao eo imasony izany. Ezaho hahitsy tamin’ilay tsy nety natony miandalana izy, ka araho tsikitsiky foana.

15°) Rehefa week-end ianao dia manokana fotoana kely ho azy
hiaraha-milalao. Oh: Scrabble, Katro, fanorona, échec, sns…
Hilaina ny zavatra iaraha milalao noho izy maka irery mba tsy ho solitaire izy

16°) Rehefa mba misy tian’ny zanakao atao na hiaraka @ namany izy ohatra dia dia tandremo ny mandrara fotsiny @ tsy antony, hanontanio tsotra izy hoe “ Hoaiza ianao”, rehefa hitanao fa mazava izay noteneniny dia avelao izy handeha saingy, asiana communication sy information foana eo anelanelany. Oh: Rehefa tonga any @ alehany izy dia asaina
miantso anao, ary rehefa miala any koa. Hametraho fanontaniana tsotra izy rehefa tonga,nahafinaritra ve ny anton-dianao?

17°) Apetraho aminy ihany koa fa ny tena ao antsainao. Oh : Ny ahy rankizy al Farafahakeliny manana Licence ianareo, vao mba tiako ho hita ny olona miaraka aminareo, dikan’izay dia izao : Farafaharatsiny izy manana fahaizana mandajalanja ary minoa ianareo fa tsy maintsy tratrany io, ary tena dodona sy maika izy vao vitany io.

18°) Raha niady ianareo mivady, aza haseo ny zanakareo eo am-pisakafoanana mintsy ny olanareo, ary FADIO ny mifamaly
eo imasony. Rehefa hatory dia aza hany hadino ny manao bonne nuit azy, ary rehefa mifoha dia zaro miarahaba anareo izy.

19°) Raha efa tonga eo @ age de puberté ny zanakao vavy ohatra, dia sahia ianao RAINY mividy serviette hygiènique ho azy ka lazao izy hoe” Tsisy tokony hahamenatra izany fa fiainan’ny vehivavy” ka raha tsy ampy dia teneno aho fa hividianako ianao.Matetika mantsy ny reniny foana no hitenenany io voalohany, dia ho hitanao fa tsy ho menatra anao intsony izy, ka @ izay fotoana izay koa ianareo afaka manara-maso azy.

20°) Mahaiza manambitamby @ fitenenana na dia hoe “ Ahoana aky malala ny fandehan’ny fianarana, nisy olana ve?
Fa ambon'izay rehetra izay dia zaro ho tia vavaka ny ankizy.....

Zarao ho an'ny hafa raha tinao.....
Aza adino ny manisy 👍 ny Pejin tsika

⚠LOZA URGENT⚠Hay kay ity zava-maniry etsy  ambany ity dia tena poizina mahafaty tsy misy hatakandro sady mahajamba tante...
22/01/2023

⚠LOZA URGENT⚠

Hay kay ity zava-maniry etsy ambany ity dia tena poizina mahafaty tsy misy hatakandro sady mahajamba tanteraka raha tafiditra anaty maso(Tanana nitsapa azy tsy nisasa.Mipitsika ...)

Mitovy tanteraka io Zavamaniry fataon'ny olona haingon-trano io na amn'ny bureau toeram-piasana.

Mazava ho azy fa tsy mahasalama ny oxygène sy ny gaz carbonique avoakan'io zavamaniry io ,ary nisy olona nararirarilava nanomboka nisian'io zavamaniry io teo manodidina azy ka efa maro no nanala izany tsy ho eo intsony.

Misaotra namaky sy nijery fa raha mety dia zarao faran'izay betsaka

Misaotra tompoko🙏

FANAMBOARANA FROMAGE AO AN-TRANOAtolotra anao am-pitiavana ny fanamboarana Fromge. :- Ronono velona 1 litatra- Présure 2...
21/01/2023

FANAMBOARANA FROMAGE AO AN-TRANO
Atolotra anao am-pitiavana ny fanamboarana Fromge.
:
- Ronono velona 1 litatra
- Présure 2 sotro kely "vidiana eny amin'ny pharmacie mahazatra anao" (Araho ny torolàlana)
- Sira "Sel fin"
:
- Etape 1: Afanao ny ronono velona ary rehefa mafanafana manodidina ny 30°C dia ajanona; Miandry kely dia arotsaka amin'izay ilay Présure roa sotro kely. Ampifangaroana tsara. Fonosina lamba voaly ary apetraka amin'izay toerana misy hafanana antonony (Tsy mafana loatra nefa ny tsy mangatsiaka ihany koa "25 à 30°C") Ajanona ao mandritra ny 4h hatramin'ny 5h dia efa mety na mandritra ny alina tsy maninona.
- Etape 2: Rehefa vita izany dia tokony ho lasa mivaingambaingana ilay fangaro. Arotsaka ao anaty passoire misy lamba voile ilay mivaingambaingana iny ary rarahana sira kely varaventy dia avela hitsika ny ranony (izany hoe tatavanina). Apetraka amin'ny toerana mangatsiaka na frigo mandritra ny 24h eo ho eo.
- Etape 3: Rehefa vita izany dia potsepotserina ary fiazana tsara ao anatin'ilay lamba voile hialan'ny rano tavela any anatiny any.
- Etape 4: Arotsaka ao anatin'ny boite izay itiavanao ny endrikin'ny paoziny na ho boribory na ho sary fo... dia apetraka amin'ny toerana mangatsiaka hatrany ary avadibadika sy rarahana sira kely varaveny isan'andro.
:
- Tokony ho soloana isan'andro ilay lamba voile natao lafika iny indrindra rehefa mandomando be loatra.
- Araraka faran'izay kely varaventy ny sira sao lasa mangidy sira ilay fromage
- Ronono velona tsy mitapoka rano no ampiasaina amin'izany raha te hahazo vokatra tsara.
- Afaka andro vitsivitsy ianao dia mahazo fromage mafilotra tsara ary afaka mankafy sy mianoka ireo voka-tsoa entin’ny tsirony sy misitraka ny tombotsoa mihoampampana amin'izany ny vatanao.
Zarao sao mahasoa ny hafa.
Aza adino ny manisy 👍👍 ny pejy

Ndao aloha hitsikitsika harivariva🤣🤣🤣🤣😂😂😂😂😂😂😂😂😂 Mpanadihady: Firy ny rononovokarin'ny ombinao?Mpiompy: iza mainty sa fot...
21/01/2023

Ndao aloha hitsikitsika harivariva

🤣🤣🤣🤣😂😂😂😂😂😂😂😂😂
Mpanadihady: Firy ny ronono
vokarin'ny ombinao?

Mpiompy: iza mainty sa fotsy?

Mpanadihady: Mainty

Mpiompy: 2 litatra isan’andro.

Mpanadihady: Ary ny fotsy?

Mpiompy: 2 litatra isan’andro.

Mpanadihady: Aiza no matory ry zareo?

Mpiompy: Ny mainty sa ny. Ny Fotsy?

Mpanadihady : mainty

Mpiompy: Ao amin'ny an-tranon'omby

Mpanadihady: Ary ny Fotsy?

Mpiompy: ao an-tranon'omby

Mpanadihady : Salama tsara ny ombinao...
Inona no hamahananao azy?

Mpamboly: iza? mainty sa fotsy?

Mpanadihady: Mainty

Mpiompy: ahitra

Mpanadihady: Ary ny fotsy?

Mpiompy: ahitra

Mpanadihady😡😡: (Tezitra) fa maninona ianao no mbola manohy
manontany hoe mainty sa fotsy nefa mitovy ihany?

Mpiompy: Satria ahy ny mainty.

Mpanadihady: Ary ny fotsy?

Mpiompy: Ahy ihany koa

Mpanadihady: 😅😂😂😂😡😡

(Aza adino ny mi'Abonné fiainan'zan😆😊)

🇲🇬❤️ FANAMBOARANA PAO 🇲🇬❤️🛑 Ilaina :- Lafarinina 250g- Tapotsin'atody 3- Ronono 100-125ml- Siramamy 15g- Sira 2 tsongo- ...
21/01/2023

🇲🇬❤️ FANAMBOARANA PAO 🇲🇬❤️

🛑 Ilaina :

- Lafarinina 250g
- Tapotsin'atody 3
- Ronono 100-125ml
- Siramamy 15g
- Sira 2 tsongo
- Levure du boulanger 5g

🛑 Dingana :

👉 Tatavanina ny lafarinina, asiana lavaka eo afovoany, alefa ao ny tapotsin'atody.

👉 Arotsaka ny siramamy sy sira ary ny levure. (Kendrena tsy ho arotsaka miaraka ny sira sy levure). izany hoe ny levure no alefa aloha, afangaro tsara ilay paty ,5mn aprés vao arotsaka ny sira sy ny siramamy

👉 Afangaro, lemana ronono tsikelikely.

👉 Kosehana (pétrir) 15mn-30mn arakaraka ny hamafin'ny kosoka sy ny fahazarana. Mahazo pâte malama tsara.

👉 Apetraka anaty koveta, saronana lamba mdio, avela hitombo avo roa heny.

👉 Avoaka anaty koveta ny pâte rehefa nitombo, kapohana hiala ny gaz ao anatiny.

👉 Tsinjaraina araka izay habeny tiana.

👉 Fisahana boribory, asiana sesika(jereo ny fanamarihana eo ambany(*)).

👉 Ahorona * Apetraka hitombo indray 15mn.

👉 Andrahoina masak'entona 15mn.

👉 Aroso mafana.

🛑 Fanamarihana :

- afaka atao mamy na masira ny sesika arakaraka izay tiana).

Manasa anao mba hizarana sao mahasoa ny hafa rehefa avy novakianao 🙏

⭕️FANAFODY VAVONY NATORALY TENA MAHOMBYResaka FAHASALAMANA OMaro ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe no mitondra fai...
20/01/2023

⭕️FANAFODY VAVONY NATORALY TENA MAHOMBY
Resaka FAHASALAMANA O
Maro ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe no mitondra faisana noho io aretim-bavony io. Ito misy fomba tsotra sady mahoby raha sendra an'izany ianao.

🔴ZAVATRA ILAINA
✅Voatabia Masaka Tsara 2.
✅Siramamy Fotsy na Mena.

🔴FOMBA FIKARAKARANA AZY
-Mixena amin'ny robot fanaovana jus natoraly ireny ireo voatabia 2. Ka tapohina siramamy fotsy 3 sotro fihinana. Rehefa vita izay, dia tsy maintsy tatavanina izay vao azo ampiasaina.

🔴FOMBA FAMPIASANA AZY
-Sotroina 1 vera fotsiny isaky ny maraina be mbola tsy nisakafo iny.

🔴FAHARETAN'NY FITSABOANA
-Mandritra ny 5 andro misesy fotsiny dia sitrana tanteraka ny aretim-bavony izay nampijaly anao teo.

🔴FANAMARIHANA
-Mazava ho azy fa tsy maintsy ampiasaina indray mandeha ihany ny fanafody natoraly izay namboarina voalohany. Ka rehefa hampiasa dia tsy maintsy manao vaovao hatrany fa tsy tehirizina

🔴TSARA HO FANTATRA
-Rehefa marary vavony tsy tokony hihinana sakafo mavesatra toy ny : voamaina, atody, ary ravitoto sns...Mazotoa misotro rano betsaka hatrany.

👉Mba ho fanampianao ireo namanao aza adino ny MIZARA izao torohevitra mahasoa izao.

Zatovolahy iray izay nanao miaramila no misy manala baraka ihany satria izy dia tena nino an'Andriamanitra.Indray andro,...
20/01/2023

Zatovolahy iray izay nanao miaramila no misy manala baraka ihany satria izy dia tena nino an'Andriamanitra.
Indray andro, ny kapiteniny (lebeny) dia nikasa ny hanala baraka azy manoloana ny miaramila rehetra.

Niantso ilay tovolahy izy ary niteny taminy hoe:
- Zatovolahy, avia azafady, ity ny fanalahidy ny fiarako ka akisao ety.
Namaly ilay tovolahy hoe:
- Tsy mahay mitondra fiara aho Lebe!
Hoy indray ny lebeny:
- Angataho amin'Andriamanitra izany fa hampiany ianao! ampahafantaro anay fa misy izany!!!

Noraisin'ilay zatovolahy ny fanalahidy ary nanantona ilay fiara izy sady manomboka mivavaka... Novelominy ilay fiara... Noferiny ary napetrany tsara teo akaikin'ilain'ny kapiteny (lebeny).
Rehefa nivoaka ny fiara ilay zatovolahy dia nahita fa nitomany izy rehetra.

Hoy izy rehetra:
- Te-hanompo an'Andriamanitrao izany izahay !!!
Gaga be ilay zatovolahy raha nahare izany.!
Ilay kapiteny nitomany sady nanokatra ny capot ny fiara ka nampiseho ilay tovolahy fa tsy nisy motera ilay fiara.

Hoy àry ilay zazalahy: Izany ilay Andriamanitra izay tompoiko, ANDRIAMANITRA LEHIBE SY MAHAGAGA, ilay Andriamanitra izay mampisy ny tsy misy.
Heverinao angamba fa mbola misy zavatra tsy azo tanterahana...??? AMIN'ANDRIAMANITRA DIA AZO TANTERAHINA AVOKOA NY ZAVATRA REHETRA...

« Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. » Jeremia 33:3

••• Raha mino izany ianao dia aza misalasala manoratra hoe:"VONINAHITRA HO AN'ANDRIAMANITRA ary 3 misy anao ato ity hafatra ity! •••

_ Andriamanitra anie hitahy anao be dia be _

Ity zaza ity dia nandeha nankany amin'ny toerana misy ny fasana ary nametraka ny kitapony teo amin'ny fasan-dreniny ary ...
20/01/2023

Ity zaza ity dia nandeha nankany amin'ny toerana misy ny fasana ary nametraka ny kitapony teo amin'ny fasan-dreniny ary niteny ara-pihetseham-po kotsan'ny ranomaso ny tavany niangavy tamin'ny reniny hoe😭😭😭😭
""raha ampy izay ny torimaso fa efa natory ela ianao dia mba mifohaza amin'izay re ry🙏🙏🙏neny.
andao hanaraka ahy hanome valiny ny mpampianatra izay niteny tamiko mba hilaza amin'ny reniko fa tena tsy miraharaha ahy izy, fa mandefa ahy any am-pianarana tsy misy goûté, tsy mitafy tsara, tsy mahavita ny enti-mody any an-trano ary tsy manasa anao tsara akory.
Neny aaa, azafady re mba mifohaza amin'izay ary omeo valiny ilay mpampianatra ahy
😭😭😭

Mafy ny fiainana tsy misy reny. . Raha nikasika ny fonao ity tantara mahonena mahaontsa fo💔😭😢 ity dia miangavy soraty hoe:"HO ELA VELONA ANIE NY RENY REHETRA" ary Zarao 3 misy anao ato ity hafatra ity🙏🙏🙏

Address

Ambatondrazaka

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rijatiana Andriamiradomanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share