24/08/2024
Ny « CHARBON sy ny voka-tsoany 2 »
Miarahaba antsika rehetra 😊,
Betsaka ianareo no liana amin’ny hoe toy ny ahoana no ampiasaina ilay charbon ????
Tonga sahady izahay hizara azy, alefa tsikelikely ilay izy fa be dia be. 🎁🙏
FIZARANA VOALOHANY : ny fofona maimbo na ‘mauvaises odeurs’
1- Activer-na ilay charbon => manamboatra CHARBON ACTIF isika✅
Tsy mandaitra ilay izy raha vao tsy « charbon actif » no ampiasaina.
Maka iray tànana @’ilay charbon vidiantsika any charbon iny isika, ampangotrahantsika miaraka mitovy hahavo aminy. Zaraina 2 na 3 ny vaingan’ny charbon iray raha toa lehibe loatra. Asiana ranona citron 1. Andrasana ho ritra tanteraka ilay izy, ampangatsiahana ary potipotehina avy eo, atao mitovitovy amin’ny hangezan’ny voa-tsaramaso dia iny no ampiasaina.
*tsara ny manamarika fa ny charbon vita dia macropores. Izany hoe manana « pore » lavaka fitrohana fofona na loto lehibe «macro », ireny no tena mandaitra noho ny charbon vita amin’ny zava-maniry hafa (micropore).
2- Mampiasa FILTRE mba tsy ho feno vovoka sy loko-charbon ny tànana☺️👈
=> Filtre café na kitapo-kafe ilay tena kely ny masony na éponge farak’izay manify na rehefa farak’izay tsy mahita bà-kiraro vaovao sy tena madio tsara. Atsofoka ao ilay charbon actif dia fatorana na zairina tsara tsy hipitika aty ivelany. Arakaraky ny toerana asianao azy no hanamboaranao ny angezan’ilay filtre itoerany.
👉raha toa ka efitra iray : tsy voatery mila filtre fa apetraka amin’ny toerana azo antonka tsara fotsiny ilay vovoka charbon, na atao décoration anaty vase sns (kaontiana ho iray sotro isaky ny m²)… tsy hoe asiana charbon iray sotro akory isaky ny m² fa raha toa 5m2 ny tranonao dia 5 sotro fihinanana zany ny charbon tokony apetrakao amin’ny toerana iray ao
👉raha toa ka refrgérateur, placard, armoire sy ny namany dia tsara atao anaty filtre ngezangeza rehefa omby ao fotsiny dia mety. (iray sotro be eoeo)
👉raha kiraro sns dia tokony hetezana ilay filtre hitovy ami’ireny sachet poivre 100Ar ireny.
👉sns (iray sotro-kafe)
3-Charbon actif sy ny FOFO-KATSEMBOHANA✅
Maka vovoka charbon, asiana rano mangatsiaka kely tsy hampamovoka azy, afangaro tsara dia hosorana moramora mora tsemboka tahaka ny helika.
* TSY MAINTSY MIDIO isanandro anefa farahafakeliny fa tsy hoe miantehitra actifs fotsiny.
indray ny tohiny 😊