Miela Eto ho anao izay mila Fandrama (tantely) pur Palissandre. 🍯

📞 034 70 353 06
📌 Antananarivo – Madagascar"

Efa saika naty tsy niaiña t'ambony tany teto zaho, taona vitsy lasa izay. 🥺Namaña noraisiko karaha rahalahy namosavy zah...
28/08/2025

Efa saika naty tsy niaiña t'ambony tany teto zaho, taona vitsy lasa izay. 🥺

Namaña noraisiko karaha rahalahy namosavy zaho tamin’ny toaka.💔
Efa tsy nañampo mbola ho avotra mintsy zaho, satria na ny vavako tamin'zay efa tsy nety nisokatra.

Fa soa ihany, nisy namako araiky mba kinga, nahatsikaritra fa hafahafa be zaho tamin'io.
Nangala Fandrama (Tantely) izy, nampidiriny an-keriny tam-bavako.😔

Tamin'izay, tsy haiko hoe inona nañomezany zaho io, fa tsapako foaña fa namonjy Zaho ilay Fandrama (Tantely).

Nanomboka tamin’ny andro io, tsy noraisiko hoe juste raha mety hoaniña foaña Fandrama (Tantely), FA :

- Fahatsiarovaña hoe mbola nomeña fahafahaña hiaiña zaho.
- Fañomezam-pahasoavaña tsy ho voasolo amin’ny vola mintsy.
- Hery ara-boary tsy azo sangisangiña.

Zany Antony nanapahako hevitrako nampisy Miela ity mba :

1- Hizarako aminao izay hely haiko amin'ny zava-mahagaga ndraiky hasarobidin’ny tantely.
2- Hañomezako anao Fandrama 'pur palisandre', tsy mitampona na ny hely.
3- Hampatsiahivako anao koa hoe : Fandrama, tsy raha mamy foaña, fa fiainana, ary tsy tsara miala an-trañonao.

💡 Zaho zao tsapako hoe nomeña 'second chance' tamin’ny alalan’ny Fandrama,
↳ Dia tiako koa ianao mba hahazo tombony, hery ary fahasoavaña avy amin'izay koa.

Hoy izaho hoe→ Raha mila Fandrama Pur izay anao dia aza misalasala mandefa MP na miantso direct.📩

Zay fa 'Peace & honey'.🐝❣️

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Miela posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share