17/08/2024
LES COULISSES DE CHANTIER
Post 2: FONDATION
Tsisy tsy mahalala instony angamba fa ny Fondation na ny Fototra no ain-dehiben'ny asa fanorenana rehetra ary ao antin'izany ny taon-trano.
Tsy tokony atao antsirambina na atao ambanin-javatra mihintsy arak'izany izy io satria hiankinan'ny aina sy ny fananana.
Ankoatr'izay dia ny 80% amin'ny fissure na fitresahana amin'ny trano dia avy amin'ny fondation daholo.
---------------
Rehefa miresaka fototra dia ny fouille na ilay lavaka hadiana manodidina iny no atao voalohany, tsy maintsy manaraka azy ny béton de propreté 5cm (ilay béton kely atao fond iny), izay vao tena miditra amin'ny fondation rehetra.
Misy karazany maro ny fondation:
- Fondations superficielles: semelle isolée, semelle filante, radier général
- Fondations semi-profondes: puits, fondation en caisson
- Fondations prfondes: pieux, micropieux
- Fondations spéciales: fondation flottante, fondation sur pieux vissés
Ny semelle isolée ihany no horesahintsika eto satria io no fahita sy fampiasanysika matetika amin'ny taon-trano, indrindra ny eto afovoan-tany.
Ny semelle isolée dia ireny béton armé carré na rectangle hitantsika anaty construction rehetra ireny. Misy poteaux eo amboniny (béton ihany koa amin'ny ankapobeny fa afaka atao vy na hazo arakarak'ilay structure).
Misy calcul natao nazahoana ny habehin'izy ireny sy ny vy atao ao anatiny fa tsy azo atao tsinjery na fahazarana.
Ny karazana sy hamafin'ny tany, ny isa sy ny vesatry ny rihana sy ny structure entin'ny fototra no hiaingàn'ny kajy rehetra amin'ny fototra na dimensionnement an'ny fondation.
Ankoatran'ny semelle dia eo ihany koa ny maçonnerie de moellon izay natao hitondra ny rindrina rehetra aty ambany rihana, natao hizara ny charge ary miaro kely amin'ny hamandoana ihany koa izy na dia tsy miaro tanteraka aza.
Eo ambonin'ny maçonnerie de moellon dia tsy maintsy misy ilay atao hoe chaînage bas na longrine na poutre de répartition na poutre de fondation(afaka hiantsoana azy daholo