𝓐𝓝𝓣𝓔𝓝𝓐𝓘𝓝𝓐

𝓐𝓝𝓣𝓔𝓝𝓐𝓘𝓝𝓐 🌸 Le Seigneur m’a dit : « Je vais t’enseigner et te montrer la route à suivre. Je vais te donner un conseil en gardant les yeux fixés sur toi 🌸
Psaumes 32:8

Tena ilaina ny fanohanan’i Papa @ io fotoana io 🥹Ohatrin’i Maman mikarakara an’i Papa rehefa marary dia ohatr’izay koa 🫠...
11/06/2026

Tena ilaina ny fanohanan’i Papa @ io fotoana io 🥹
Ohatrin’i Maman mikarakara an’i Papa rehefa marary dia ohatr’izay koa 🫠

Hafa mihitsy ny herin-tsain’i Maman rehefa eo Papa 👩‍❤️‍👨 Na dia marary aza 👩‍❤️‍👨

📖 “Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.” Efesiana 5.28

✍️ Antenaina

FITOHANANA 💩 NOANA LAVA 😋 RERA-DAVA 😫 RARI-TSAINA 😭 sns… mandritry ny vohokaCONSTIPATION 💩 POLYPHAGIE 😋 FATIGUE 😫 STRESS...
05/06/2026

FITOHANANA 💩 NOANA LAVA 😋 RERA-DAVA 😫 RARI-TSAINA 😭 sns… mandritry ny vohoka

CONSTIPATION 💩 POLYPHAGIE 😋 FATIGUE 😫 STRESS 😭 etc… et grossesse

👇VAHAOLANA TOKANA MONJA 👇

Olana maro nefa 🌸 Vahaolana 🌸 iray no atolotray an’ny maman miaina an’ireo na ny iray @ ireo 🥣 FLOCONS D’AVOINE 🥣

Ireto avy ny tombontsoa sy otrikaina hoentiny:

💡Be FIBRES be izy io ka manampy ny tsinay hiasa tsara sy manalefaka ny fandehanan’ny 💩💩
💡Be GLUCIDES LENTS , izany hoe ela kokoa vao mety mahatsiaro noana sady miaro @ Diabeta
💡 Be VITAMINES B, FER, MAGNÉSIUM, mampatanjaka ny Reny kokoa indrindra @ ilay rera-dava, ampy ny rà, mihena ny rari-tsaina, mampitombo tsara ny zazakely 🐣
💡 Mandrindra ny Cholestérols ao @ vatana ka miaro ny fo ary mampiko***a tsara ny rà ❤️
💡Afaka atao fanampin-tsafako fotsiny koa fa tsy voatery misy olana nefa vao afaka mihinana azy an

Ahoana ny fihinanana azy⁉️
- Atao sakafo maraina no tena tsara
- 3 na 4 sotro fihinanana isanandro ihany (afaka zarazaraina na miara-hoanina)
- Afangaro @ yaourt na ronono na rano mafana tsotra (afaka asiana tantely kely)

Ka inona no andrasana tsy hihinanana azy maman raha izany no zava-tsoa azo aminy?

🌸 FLOCONS D’AVOINE 500g 🌸
🌸 8.500 ariary 🌸

👉Afaka mi-commande ao @ commentaire na mp ary maman an 👈
📦 Afaka manao livraison eto Antananarivo
📞 0385714721

📖 “Tsy hisy vehivavy ho afa-jaza na ho momba eo amin’ny taninareo, ary hataoko ela velona ianareo.” Eksodosy 23.26

✍️ 𝓐𝓝𝓣𝓔𝓝𝓐𝓘𝓝𝓐 Mirary soa hatrany 🥰

🤰NY VOHOKA SY NY FITOHANANA - GROSSESSE ET CONSTIPATION 🤰Tranga faran’izay mampijaly ny vehivavy bevohoka ny fitohanana ...
02/06/2026

🤰NY VOHOKA SY NY FITOHANANA - GROSSESSE ET CONSTIPATION 🤰

Tranga faran’izay mampijaly ny vehivavy bevohoka ny fitohanana 💩

✅ Tsara nefa ny mampahafantatra fa @ ankapobeny dia ara-dalàna (normal) izany

Ny antony ⁉️
- Ny fiakaran’ny hormone « progesterone » izay tsy mahatonga ny tsinay hanao tsara ny asany
- Rehefa mitombo ny kibo (tranon-jaza) dia voatery ny tsinay ka sarotra aminy ny miasa tsara
- Tsy fahampian’ny rano sy ny sakafo be « fibres » mahatonga ny tsinay hiasa tsara

💡 Misy vahaolana ihany nefa na izany aza 💡

💐 Fisotroana rano 1,5L hatramin’ny 2L isanandro
💐 Fihinanana sakafo be fibres hanampy ny tsinay hiasa tsara (voankazo sy legioma maitso)
💐 Fihinanana sakafo be Fer (noix, épinards, …)
💐 Fihinanana sakafo be Vitamine C hanampy @ fiasan’ny Fer (voankazo sy legioma miloko mavo)
💐 Fampiasana maivana ny vatana hanampy ny tsinay hiasa tsara (mandeha an-tongotra kely)
💐 Ahena ireo sakafo mavesatra sy mampitohana (goavy, hanikotrana, farine,…)

❌ Raha tena maharitra sy mampijaly na misy rà mandeha dia tsara manatona toeram-pitsaboana foana anefa ❌

Mirary soa hatrany ireo miandry harenakely 🥰

📖 « Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie hianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. » III Jaona 1.2

✍️

😳 ALINA INDRAY ITY NY ANDRO , VEHIVAVY BEVOHOKA TSY MAHITA TORY 😳Maro ny mitaraina hoe tsy mahita tory na ela vao mahita...
19/05/2026

😳 ALINA INDRAY ITY NY ANDRO , VEHIVAVY BEVOHOKA TSY MAHITA TORY 😳

Maro ny mitaraina hoe tsy mahita tory na ela vao mahita tory mandritry ny vohoka
😫 Inona no atao Rasazy????

❓Inona aloha ireo antony mety mahatonga izany ❓
- Fiovan’ny vatana na “bouleversement hormonal”
- Tsy fahitana “position” mampahazo aina
- Tsy fahitana “température” mety, na mafana loatra na mangatsiaka loatra ny efitra
- Fisian’ny rivotra na colique
- Te hi-pipi matetika
- Fihinanana zavatra mavesatra loatra alohan’ny hatory
- Fijerevana “écran” alohan’ny hatory

🤷🏻‍♀️ Inona ny vahaolana @ izany 🤷🏻‍♀️
1️⃣ Atao @ ora mitovy ny ora fatoriana
2️⃣ Matory mihorirana fa miankavia no tena tsara
3️⃣ Manao akanjo sy mitafy lamba mifanaraka @ “température” tiana
4️⃣ Tsy mieritreritra hoe manao mafana be sao idiran’ny rivotra
5️⃣ Ajanona 2h alohan’ny hatory ny fisotroana rano
6️⃣ Misakafo 1h alohan’ny hatory farahafatarany
7️⃣ Manosotra menaka mafana @ kibo raha misy rivotra (tsy o***a fa osorana)
8️⃣ Ajanona 2h alohan’ny hatory ny “écran” rehetra
9️⃣ Alamina ny saina ary akipy ny maso fa tsy ahiratra

❌ FADIO ❌
- Ny mihinana fanafody mampatory tsy nomen’ny Dokotera na Rasazy
- Ny misotro “Thé” na “Tambavy” nolazain’olona fa mampatory
- Ny miotra na manao “massage”

🙇 AZA ADINOINA NY MIVAVAKA ALOHAN’NY HATORY FA TENA MAMPAHITA TORY IO AN

🫂Courage daholo ny mamans mitondra vohoka rehetra fa zarazarao aloha ity eee
Mino izahay fa hitondra vokany ho anao ireo torohevitra vitsivitsy ireo 🫂

📖 “Tsy hatahotra hianao, raha mandry; Eny, handry hianao, ary ho mamy ny torimasonao” Ohabolana 3.24



𝓐𝓝𝓣𝓔𝓝𝓐𝓘𝓝𝓐

🤰ÉCHOGRAPHIE OBSTÉTRICALE 🤰         GROSSESSE EXTRA-UTÉRINE _ Part 1🤰FITARAFANA VOHOKA🤰 ZAZA AN-TSOSO-KODITRA _ Part 1❓F...
15/05/2026

🤰ÉCHOGRAPHIE OBSTÉTRICALE 🤰
GROSSESSE EXTRA-UTÉRINE _ Part 1

🤰FITARAFANA VOHOKA🤰
ZAZA AN-TSOSO-KODITRA _ Part 1

❓Fa maninona no tokony atao aloha na vao kely aza ny kibo ❓

1 💐Tsara ny manamarika fa vao 4SA dia efa hitan’Ny Échographie ny vohoka saingy @ ilay Sonde endovaginale na atsofoka any @ lalan-jaza 🍆

2 💐 Manomboka 7SA eo kosa izy no tena mazava sy hita tsara 🐣

3 💐Anisan’ny ilavana ny fanaovana échographie raha mbola kely ny kibo dia hitsirihana hoe TENA AO ANATY TRANON-JAZA ve ilay “Embryon (s)” isorohana ilay hoe “GROSSESSE EXTRA-UTÉRINE (GEU)” na “ZAZA AN-TSOSOKODITRA” na mipetraka ivelan’ny tranon-jaza ❌

4 💐 Tena zava-doza io GEU io satria any @ 8SA any dia mety ho vaky ny “trompe” raha ao ilay “Embryon(s)” no mitombo ka mahatonga “Hémorragie interne” mety hahafaty haingana ny Reny 🥺

‼️ Tsara ny manao Échographie raha vao hita hoe positif ny test de grossesse 💕

‼️ Hisorohana ny fahafatesan’ny reny eo am-pitondrana vohoka no anton’izany

Mbola nisy antony hafa koa tsy maintsy hanaovana ny Échographie obstétricale mialoha fa zarazarao aloha ity mamans ooo ☺️ ✅

📖 “Fa Hianao no nahary ny voako;
Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao” Salamo 139.13




𝓐𝓝𝓣𝓔𝓝𝓐𝓘𝓝𝓐

💙 Andro iraisam-pirenena ho an’ny INFIRMIERA 💙Miarahaba ireo namana Infirmier et Infirmière rehetra @ izao andronareo iz...
12/05/2026

💙 Andro iraisam-pirenena ho an’ny INFIRMIERA 💙

Miarahaba ireo namana Infirmier et Infirmière rehetra @ izao andronareo izao 💙 Anisan’ny mahery fon’ny asa fitsaboana

💙 Ianareo ilay manana fandavan-tena lehibe
💙 Manao ny ain’ireo marary ambony noho ny ainareo
💙 Tsy mandry andro sy alina fa eo foana
💙 Olona akaikin’ny marary indrindra

Mankahery anareo @ asa masina ataonareo 👏

📖 « Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho » Lioka 10:35b

𝓐𝓝𝓣𝓔𝓝𝓐𝓘𝓝𝓐

 Fampianarana azo dia zaraina 📚❌ TSY MADITRA NY ZAZA MITOMANY @ ALINA ❌Ahoana tsara hoe? 🤔❌ Eny! Tsy maditra ny zaza mit...
09/05/2026



Fampianarana azo dia zaraina 📚

❌ TSY MADITRA NY ZAZA MITOMANY @ ALINA ❌

Ahoana tsara hoe? 🤔

❌ Eny! Tsy maditra ny zaza mitomany @ alina

Ny atao hoe DITRA mantsy raha raisina ara-keviny dia izay TSY MANKATOA

Ny zaza anefa raha mitomany dia lazaina fa maditra
Kanefa raha jerena ny hevi-teny dia diso izany!

❓Fa maninona izany ny zaza no mitomany alina?

Ny zaza dia tsy mahay miteny
🗣 Fomba hoentin’ny zaza mifandray ny TOMANY, tena fahasoavana aza ny zaza mitomany (raha tsy izany ve kapohina kely izy hitomany raha tsy nitomany t@ vao teraka? ☺️)

💡Ireto no mety ho antony:

👉 misy zavatra manjo azy ao
👉 mety misy rivotra izy
👉 mety noana na voky loatra
👉 mety mangatsiaka na mafana loatra
👉 mety tsy mahazo aina
👉 mety tsy tia tabataba
👉 mety mando na manao maloto (mikaka)
👉 sns ….

Ka noho izany, mila fantatra ireo antony mampitomany azy 🧐

Ekena fa tena mampisafoaka mihitsy ilay izy tsy mety mangina, fa fantaro ny zanakao dia ho fantatrao ny hatao aminy 💡

Dia aza atao hoe maditra re izy raha mitomany tsy ahitana tory fa izy anie tsy afaka miteny dia io no fomba itenenany e 🥺

📖 Matio 5.4: “Sambatra izay mitomany,
fa izy no hampiononin’Andriamanitra”

Mahereza daholo 👩‍👦👩‍👧


05/05/2026

« Dia nasian’Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery ny olona. Ary t@ izany, satria natahotra an’Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen’Andriamanitra zanaka izy » Eksodosy 1.20-21

🌸 Sady fifankahafantarana kely no fiarahabana antsika Rasazy rehetra @ io Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Sage-femme izao 🌸

Fa maninona no tokony atao aloha na vao kely ny kibo ny ÉCHOGRAPHIE OBSTÉTRICALE 🤰 FITARAFANA VOHOKA ? _ Part 1“Fa Hiana...
28/03/2026

Fa maninona no tokony atao aloha na vao kely ny kibo ny ÉCHOGRAPHIE OBSTÉTRICALE 🤰 FITARAFANA VOHOKA ? _ Part 1

“Fa Hianao no nahary ny voako;
Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao”
📖 Salamo139.13

1 💐Tsara ny manamarika fa vao 4SA dia efa hitan’Ny Échographie ny vohoka saingy @ ilay Sonde endovaginale na atsofoka any @ lalan-jaza

2 💐 Manomboka 7SA eo kosa izy no tena mazava sy hita tsara

3 💐Ny ilavana ny fanaovana échographie raha mbola kely ny kibo dia hitsirihana hoe TENA AO ANATY TRANON-JAZA ve ilay “Embryon (s)” isorohana ilay hoe “GROSSESSE EXTRA-UTÉRINE (GEU)” na “ZAZA AN-TSOSOKODITRA” na mipetraka ivelan’ny tranon-jaza

4 💐 Tena zava-doza io GEU io satria any @ 8SA any dia mety ho vaky ny “trompe” raha ao ilay “Embryon(s)” no mitombo ka mahatonga Hémorragie interne mety hahafaty haingana ny reny

‼️ Tsara ny manao Échographie raha vao hita hoe positif ny test de grossesse 💕

‼️ Hisorohana ny fahafatesan’ny reny eo am-pitondrana vohoka no anton’izany

Zarazarao ary ✅



TRATRY NY TAONA 2026 daholo ooo 🥳 elaela izay isika tsy nifampizara 📖 II Korintiana 7.1: “Koa raha manana ireo teny fika...
26/01/2026

TRATRY NY TAONA 2026 daholo ooo 🥳 elaela izay isika tsy nifampizara

📖 II Korintiana 7.1: “Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra”

Ny FAMPANDROANA ZAZAKELY no horesahantsika androany 👶

Ireo fanontaniana mipetraka : azo tonga dia ampandroina ve ny zazah vao teraka? inona daholo ny fitaovana ampiasaina? ahoana ny fanaovana azy? sns …..

Ireto ary ny valiny 👇

1️⃣ Tsy voatery ary tsara raha tsy tonga dia ampandroina ny zazah vao teraka
👉 Aleo 24h - 48h tao***an’ny nahaterahany vao ampandroina izy
👉 Efa misy an’ilay “vernix” na fotsifotsy @ vatany iny, izay tsy tokony mahamaika antsika ny manadio azy satria iny mitazona ny “température” an’ny vatany sady miaro azy @ mikraoba ety ivelany
👉 Trohan’ny hodiny tsikelikely ao anatin’ny 24h - 48h iny “vernix” iny ka izay no antony hoe ao***an ireo ora ireo vao tsara ampandroina izy 🥰

2️⃣ Rehefa hampandro azy ary, ireto avy ireo fitaovana sy fomba fanaovana azy:
👉 Trano mikatona ary 24’C - 30’ C eo ny hafanana ao anatiny no tsara indrindra 🚪
👉 Koveta na baignoire misy rano mafana mitovy @ vatan’olombelona, izany hoe manodidina ny 37’C eo ho eo , ny hahafantarana izany dia tsapaina @ kihoho na ambadiky ny tànana ny rano ka rehefa zaka dia izy izay ✅
👉 Apetraka ao anaty rano izy ary ny lohany no tohanana @ tànana ilany toy ny @ sary 👇Tsara raha mampiasa “gant de toilettes” ilay tànana manasa azy
👉 Ny Savony ampiasaina dia Savony “neutre” na ireny sady tsisy huile essentielle no tsisy produits chimiques ireny
👉 Tafapetraka ao anaty rano izy, tafatsofoka ny gant de toilettes, lemana rano dia ny tarehiny no sasana voalohany 👀 atomboka @ masony (anatiny mankany ivelany), 👃avy eo ny orony, ary ny 👂sofiny
👉Sasana ny lohany (volony) @ savony @ izay
👉 Sasana ny vatany indrindra ireo faritra miforiporitra (ambany helika, ambany tenda, elakela-pe avy eo aloha mankany aoriana foana👌)
👉 Ireo dia kobanina tsara daholo 🐥
👉 Avoaka izy ary raisina sy fonosina @ “serviette” madio sy maina tsara dia fafana apetapetaka fa tsy faohana be
👉 Afaka hosorana menaka kely (huile coco ohatra) mba ho mandina ny hoditra keliny sady manafana azy, atao manify tena manify
👉 Maina tsara izy vao ampanaovina couche na tanty madio sy maina tsara daholo

3️⃣ FANAMARIHANA:
🪢 Afaka ampandroina ny zazah na mbola misy tadim-poitra (cordon ombilical) aza
⏱️ Tokony tsy ela be ny nampandro azy (15mn farafahaelany)
⏳ Tsy voatery ampandroina isanandro fa indroa na intelo isan-kerinandro dia ampy
🎽 Pasohana foana ny lamba sy akanjo rehetra vao ampanaovina ny zazah
‼️ Tsy mety ny mampandro zazah vao voky fa lavitry ny fampinonoana

Izay ary fa mirary soa ireo miandry zazah rehetra @ ity 2026 ity dia zarazarao fa mety hahasoa ny hafa koa annnn 👨‍👩‍👧‍👦



Address

Antananarivo
ANTANANARIVO

Telephone

+261330190324

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when 𝓐𝓝𝓣𝓔𝓝𝓐𝓘𝓝𝓐 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to 𝓐𝓝𝓣𝓔𝓝𝓐𝓘𝓝𝓐:

Share