Ny Mahasoa anao, Mahasoa antsika

Ny Mahasoa anao, Mahasoa antsika �Eto no mba izarako zay nahasoa ahy ka mety ahasoa antsika�. Mety ahitanao ny service rehetra

⚠️💔 TANDREMO… AZA MIARAKA AMIN'NY LEHILAHY DISPONIBLE LAVA 💔⚠️Tsy ny lehilahy rehetra mora hita sy mora mamaly foana ako...
19/05/2026

⚠️💔 TANDREMO… AZA MIARAKA AMIN'NY LEHILAHY DISPONIBLE LAVA 💔⚠️

Tsy ny lehilahy rehetra mora hita sy mora mamaly foana akory no tena tia marina… 😔
Misy amin’izy ireny no tsy manana tanjona mazava, tsy manana adidy, ary tsy mahay mametraka lanja ny fotoana sy ny fiainany. ⏳🚫

Lehilahy tena miezaka amin’ny fiainana dia mety tsy ho disponible mandrakariva 📵💼
Satria misy asa ataony, misy nofinofy tratrariny, misy adidy iantsorohany, ary misy hoavy aoriny ho anareo roa. ❤️🏠

Fa ilay lehilahy disponible lava kosa… 🤨
Rehefa maraina dia eo ☀️
Rehefa atoandro dia eo 🍽️
Rehefa alina dia mbola eo 🌙
Tsy misy asa mazava, tsy misy zavatra ataony afa-tsy manara-maso anao sy miady amin’ny zavatra tsy misy dikany. 😩📱

⚠️ Ary matetika…
Ilay olona tsy mandany fotoana hananganana ny fiainany no mandany fotoana hanakorontanana ny fiainan’ny hafa. 💔

Aza afangaro ny “fahazoana fotoana” sy ny “fitiavana”.
Satria misy lehilahy tena tia anao nefa mbola miady mafy amin’ny fiainana 💪❤️
Mety tara mamaly izy…
Mety tsy afaka miantso lava…
Fa rehefa tonga izy dia mitondra fiadanana sy vina ho an’ny hoavinareo. 🌟👨‍👩‍👧

Ny lehilahy matotra tsy miresaka fitiavana tontolo andro fotsiny…
Fa manomana toerana hahafahanareo miaina tsara rahatrizay. 🏡💍

👑 Vehivavy hendry dia tsy mijery izay disponible lava…
Fa mijery hoe:
✅ Mahay mandray andraikitra ve ?
✅ Manana tanjona ve ?
✅ Mampandroso sa mampihemotra ?
✅ Rehefa miaraka aminy ve ianao milamina sa reraka saina ? 😔

💡 Tadidio:
Tsy ny “temps” omeny anao no maha-lehilahy azy…
Fa ny lanja sy ny fiarovana entiny ao amin’ny fiainanao. ❤️🛡️

⚠️ Koa tandremo…
Satria misy lehilahy disponible lava nefa tsy vonona hitondra anao amin’ny fiainana tsara akory. 😢

✨ Ny fitiavana tena izy tsy hoe miaraka mandrakariva…
Fa mifampitsinjo, mifampandroso ary mifampitondra amin’ny lalana tsara. ❤️🙏

hizara ny mety ho mahasoa anao sy antsika mandrakariva aho

Satriko ianao ho Malagasy vanona 🇲🇬

Steeve Johnson ✍️ Soa ho anao

08/01/2026

"MILA APETRAKA NY CIVISME SY NY LIBERTÉ FA KOSA LIMITÉ ATREO AMLE HOE MANOHITOHINA NY HAFA VE?
Ra Eny dia tsy liberté intsony zay

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 05:00 - 21:00
Tuesday 05:00 - 21:00
Wednesday 05:00 - 21:00
Thursday 05:00 - 21:00
Friday 05:00 - 21:00
Sunday 09:00 - 17:00

Telephone

+261324253549

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny Mahasoa anao, Mahasoa antsika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Ny Mahasoa anao, Mahasoa antsika:

Shortcuts

Share