01/09/2023
🔴 ⚠️🩸| Raha ny eto Madagasikara aloha dia mbola maro no tsy mahalala izay aretina tadiavina amin'ireo analyse-na rà asain'ny Dokotera hatao.
🇲🇬 Tsara ihany anefa no mba manana fahalalàna ankapobeany amin'izany.
______________________________________
Ireto ary ny ampahany amin'izy ireo :
✅1️⃣ na (numération formule sanguine)
👉dia hitiliana hoe ampy rà ve (raha latsaka ny hémoglobine dia tsy ampy rà ilay marary, izay lay anémie)
👉tafiakatra ambony be ve ny isan'ny sela fotsy (raha ambony ny globules blancs be dia manambara fa misy infection na homamoadany rà)
👉ampy ve ny isan'ny plaquettes (raha latsaka be dia mety ho antony hampande-rà)
✅2️⃣ (c-reactive protein)
👉raha mikatra dia manambara fa misy inflammation izay ilay marary (ny antony dia mety ho microbe tafiditra, na cancer, na aretina hafa). Ny analyse hafa no manampy be be kokoa hitadiavana hoe aiza ilay toerana misy io inflammation io.
✅3️⃣ sy (azotémie)
👉dia loto ao anaty rà (raha avo be izy io dia tsy miasa tsara ny voa, na hoe manao insuffisance rénale).
👉mety ho fiakarana mandalo miserana fotsiny, ka rehefa tsaboina ilay antony mampiakatra azy dia midina ho normal ihany (izay ilay insuffisance rénale aigue).
👉raha efa potika kosa ny voa, dia tsy hidina ho normale intsony io analyse io (izay ilay insuffisance rénale chronique).
✅4️⃣
👉hijerena hoe ampy Potassium tsara ve ilay marary, sa tafiakatra avo loatra (hyperkaliémie, izay mety hampijanona ny fò tampoka raha tsy voatsabo) sa latsaka ambany loatra (hypokaliémie, izay mampikorontana fidoboky ny fò, mahatonga faharerahana, crampes, sy maro hafa).
👉ampy sira tsara ve (Sodium sy Chlore). Raha tafiakatra avo loatra (hypernatŕémie, dia mety tsy ampy rano izay ilay olona, na déshydraté). Raha tafidina ambany indray dia na tena tsy ampy sira tokoa, na feno rano ny vatany ka mila alaina (hyponatrémie de dilution).
✅5️⃣ (transaminasémie)
👉hitiliana hoe misy s