20/01/2026
📍𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 19 𝘑𝘢𝘯𝘰𝘢𝘳𝘺 2026
𝗙𝗔𝗡𝗢𝗞𝗔𝗙𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗢𝗙𝗜𝗦𝗜𝗔𝗟𝗬 𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗡𝗜𝗞𝗔 𝗛𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗜𝗡𝗚𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗘𝗞𝗔𝗥𝗘𝗡𝗔 𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗖𝗔𝗥
𝗠𝗽𝗶𝗿𝗮𝗵𝗮𝗹𝗮𝗵𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗮𝗹𝗮 𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮, 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮, 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮 𝗺𝗶𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻'𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝗮 𝗮𝗿𝗮- 𝘁𝗲𝗸𝗻𝗶𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗵𝗮𝗺𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮, 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮, 𝗺𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗼𝗿𝗼𝗻𝗮 𝗮𝘀𝗮.
📌"Tsy fivoriana tsotra fotsiny ihany fa fiandohan'ny asa lalina ara-toekarena, ahitana vokatra mivaingana. Tsy mila dinika feno kabary fa dinika feno fanampahan-kevitra: fitantanana mangarahara, fitondrana tsara tantana, fiaraha miasa anaty fifampitokisana miaraka amin' ny fitsipiky mazava sy tsara rafitra ». Tenin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Kolonely ANDRIANIRINA Michael nandritra ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny dinika ho fanaingana ny toekarena tetsy amin’ny CCI Ivato.
📌"Andro lehibe sy mendrika ho raiketina ara-tantara ny andro androany raha ny ara-toekarenan'i Madagasikara no resahina. Raha hanova isika dia mila mijery fitaratra, avy amintsika aloha ny fiovana mba ahafahatsika mitondra fanovana . Ho an'ny fitondram-panjakana dia tsy hiadian-kevitra intsony ny mahakasika ny maha zava-dehibe loatra ny anjara biriky entin'ny sehatra tsy miankina eo amin’ny fampandrosoan’i Madagasikara. Ny dinika rehetra hiarahatsika eto dia hamaritra ny ho avy tsaratsara kokoa ho an'ny mpandraharaha miasa sy hiasa eto Madagasikara ho fanatsarana ny fiainan'ny mponina ao aminy ary hanomezana ho avy mamiratra ho an'ny tanoran-tsika. Enga anie ity fihaonana ity tsy hijanona ho fotoana hifanakalozan-kevitra fotsiny, fa ho fanainga ho amin'ny fiaraha-miasa vaovao sy hitarafana ny fanavaozana andrasantsika tsirairay" hoy hatrany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina,RASOARAHONA Andriniaina tetsy amin’ny CCI Ivato.
✅Teo ambany fitarihan'ny Filohan' ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy teo ambany fiahian'ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Herintsalama RAJAONARIVELO ny Dinika ho fanaingana ny toekarena ary niaharan’ny MIDSP, ny MEF, ny EDBM ary ny Vondrona Eoropeanina niasa akaiky.
-----
📍𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 19 𝘫𝘢𝘯𝘷𝘪𝘦𝘳 2026
𝗔𝗦𝗦𝗜𝗦𝗘𝗦 𝗘́𝗖𝗢𝗡𝗢𝗠𝗜𝗤𝗨𝗘𝗦
𝗟𝗲 𝘀𝗲𝗰𝘁𝗲𝘂𝗿 𝗽𝗿𝗶𝘃𝗲́, 𝗹’𝗘́𝘁𝗮𝘁 𝗮𝗶𝗻𝘀𝗶 𝗾𝘂𝗲 𝗹𝗲𝘀 𝗽𝗮𝗿𝘁𝗲𝗻𝗮𝗶𝗿𝗲𝘀 𝘁𝗲𝗰𝗵𝗻𝗶𝗾𝘂𝗲𝘀 𝗲𝘁 𝗳𝗶𝗻𝗮𝗻𝗰𝗶𝗲𝗿𝘀 𝘀𝗲 𝘀𝗼𝗻𝘁 𝗿𝗲́𝘂𝗻𝗶𝘀 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝗽𝗼𝘀𝗲𝗿 𝗹𝗲𝘀 𝗯𝗮𝘀𝗲𝘀 𝗱’𝘂𝗻𝗲 𝗲́𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗲 𝗶𝗻𝗰𝗹𝘂𝘀𝗶𝘃𝗲, 𝗰𝗼𝗺𝗽𝗲́𝘁𝗶𝘁𝗶𝘃𝗲, 𝗽𝗿𝗼𝗱𝘂𝗰𝘁𝗶𝘃𝗲 𝗲𝘁 𝗰𝗿𝗲́𝗮𝘁𝗿𝗶𝗰𝗲 𝗱’𝗲𝗺𝗽𝗹𝗼𝗶𝘀 𝗮𝘂 𝗖𝗖𝗜 𝗜𝘃𝗮𝘁𝗼
📌Lors de l’ouverture officielle des Assises Économiques à Ivato, le Président de la Refondation de la République de Madagascar, le Colonel ANDRIANIRINA Michael, a déclaré :
« Ce n’est pas qu’une simple réunion, mais le début d’un travail économique en profondeur, avec des résultats concrets. Nous n’avons pas besoin de débats remplis de discours, mais de décisions fermes : une gestion transparente, une bonne gouvernance et une coopération fondée sur la confiance, avec des règles claires et bien structurées. »
📌De son côté, le Ministre de l’Industrialisation et du Développement du Secteur Privé, Andriniaina RASOARAHONA, a souligné :
« La journée d’aujourd’hui est historique pour l’économie malagasy. Si nous voulons changer, nous devons d’abord nous regarder dans le miroir : le changement commence par nous. Pour le Gouvernement, il n’est plus question de discuter de l’importance du rôle du secteur privé dans le développement du pays. Les échanges que nous aurons ici définiront un avenir meilleur pour les entrepreneurs et amélioreront la vie de la population, tout en offrant un futur prometteur à notre jeunesse. Que cette rencontre ne soit pas seulement un moment de dialogue, mais un véritable tremplin vers une nouvelle coopération et vers les réformes que chacun attend. »
✅Le lancement officiel des Assises s'est tenu sous le Haut Patronage de son Excellence le Colonel Michaël RANDRIANIRINA, Président de la Refondation de la République de Madagascar et sous le Parrainage du Premier Ministre, Chef du Gouvernement de la Refondation de Madagascar, Herintsalama RAJAONARIVELO, le MIDSP, le MEF, l'EDBM et l'Union Européenne.
Source : Ministère de l'Industrialisation et du Développement du Secteur Privé