27/03/2023
Matetika aho manomboka semaine dia manome motivation foana fa anio kosa dia fampitandremana no omeko 🙂
Tsy sasatra aho miteny foana hoe money management sy psycho no 80% an'ny trading, 15% stratégie ary 5% tsy miankina aminao (manipulation brokers, vintana, changement direction ana marché tsy misy fanambarana mialoha,....)
99.99% traders débutant mihevitra fa blabla fotsiny izany.
99.99% 'traders'-formateurs koa moa matetika manompo stratégie ka mampirisika hoe stratégie no tena herin'ny trading.
Ity sary alefako eto ity zao no mbola porofon'izany, mpianatro anisan'ny tena mahay izy tamin'ny vague de formation farany. Anisan'ny tena mazoto sy mianatra tsara. Saingy ilay fanajana ny money management sy psycho no tsy nisy ka :
1er jour de trade réel : +8.19$ gains
2e jour de trade réel (en quelques minutes) : RITRA CAPITAL
Zao no réalité amin'ny trading fa tsy voatery hoe mampiditra 1000$ na 10.000$ isanandro. Alohan'ny ahatongavana amin'izany dia soit manaraka à la lettre ny plan de trading (mahay mifehy tena), soit ny trading no mikapoka sy mively anao isanandro mandritran'ny fotoana maharitra dia zay vao fay dia mahay mifehy tena ho azy.