Groupe Raitra

Call Directions Website Contact the business

Groupe Raitra Groupe Raitra : Fiaraha-miasa azo antoka, fanorenana mirindra. ✅

Misy amintsika ato ilay manontany hoe :“Fa tena tafavoakan’ny Ingénieur sy ny ekipanareo tokoa ve ireny plans asehonareo...
07/10/2026

Misy amintsika ato ilay manontany hoe :

“Fa tena tafavoakan’ny Ingénieur sy ny ekipanareo tokoa ve ireny plans asehonareo ireny, ry Groupe Raitra ?” 🙂📐

Ny valiny dia : ENY TOMPOKO ! 💥

Ho anay, ny plan dia tsy sary tsara tarehy fotsiny.

Ny plan tsirairay dia vokatry ny étude sy ny réflexion technique, izay dinihina amin’ny antsipiriany mba hahazoana antoka fa mifanaraka amin’ny besoin du client, ny contraintes du terrain, ary indrindra indrindra, azo tanterahina eny amin’ny chantier.

Satria ny tena tanjonay dia tsy ny hamorona plan fotsiny, fa ny ahatonga ny hevitrao sy ny vision-nao ho projet mazava, voaomana tsara ary vonona ho tanterahina. 👷‍♂️📐🏗️

Avy amin’ny étude ka hatramin’ny construction, ny antsipiriany no iorenan’ny asa matihanina.

Groupe Raitra
Fiaraha-miasa azo antoka, Fanorenana mirindra !

📞 Contact : 034 36 478 50
📧 E-mail : [email protected]
📍 Shoppi Center Mahazo

🏗️ HADI-FOTOTRA / FONDATION : NY FOTOTRY NY TRANO MATANJAKARehefa mijery trano iray vita isika, dia ny architecture, ny ...
29/09/2026

🏗️ HADI-FOTOTRA / FONDATION : NY FOTOTRY NY TRANO MATANJAKA

Rehefa mijery trano iray vita isika, dia ny architecture, ny façade, ny finition ary ny esthétique no tena hita maso.

Saingy ny tena faharetan’ny bâtiment dia miainga amin’ny zavatra tsy hita maso : NY FONDATION.

Ny fondation no mandray sy mampita ny charges avy amin’ny bâtiment mankany amin’ny sol. Noho izany, ny conception sy ny exécution-ny dia tokony hifanaraka amin’ny nature du terrain, ny type de bâtiment ary ny charges entiny.

🌍 1. NY TERRAIN NO ANISAN’NY ZAVATRA VOALOHANY TOKONY HODINIHINA

Tsy mitovy ny comportement-n’ny sol rehetra. Mety ho sol argileux, sablonneux, rocheux, remblayé na terrain misy hamandoana sy rano.

Izany no mahatonga ny fondation tsy tokony hatao amin’ny “modèle unique” ho an’ny terrain rehetra.

🏠 2. MIANKINA AMIN’NY BÂTIMENT KOA NY CHOIX DE FONDATION

Villa basse, R+1, R+2 na bâtiment manana charges importantes : samy mety hanana exigences différentes.

Ny dimensionnement dia tokony handinika indrindra ny :

• Nature et capacité portante du sol
• Charges du bâtiment
• Nombre de niveaux
• Profondeur du bon sol
• Type de structure
• Résultats sy recommandations avy amin’ny étude

🧱 3. MISY KARAZANA FONDATION SAMIHAFA

Arakaraka ny projet sy ny terrain dia mety hampiasaina ny :

• Semelle isolée
• Semelle filante
• Semelle combinée
• Radier général
• Fondations profondes

Ny tanjona dia tsy hoe “manao fondation be” fotsiny, fa ny manao fondation correctement dimensionnée et adaptée au projet.

🔩 4. NY FERRAILLAGE DIA SINGA TENA MANAN-DANJA

Ny armatures dia tokony hapetraka sy harindra araka ny conception structurelle.

Anisan’ny mila tandremana ny :

• Diamètre des aciers
• Espacement
• Enrobage
• Positionnement des armatures
• Liaison avec les poteaux
• Respect du plan de structure

Ny ferraillage tsara dia tsy ferraillage be fotsiny, fa ferraillage mifanaraka amin’ny calcul sy ny plan.

💧 5. AZA ATAO AMBANI-JAVATRA NY RANO SY NY HAMANDOANA

Ny présence d’eau ao amin’ny sol dia mety hisy fiantraikany amin’ny stabilité sy ny conservation-n’ny ouvrage.

Arakaraka ny toe-javatra dia mety ilaina ny mandinika :

• Drainage
• Étanchéité
• Protection des parties enterrées
• Gestion des eaux

📐 6. FONDATION, SOUBASSEMENT ARY DALLAGE : SAMY HAFA NY RÔLE-NY

Amin’ny fomba tsotra :

SOL → FONDATION → SOUBASSEMENT → DALLAGE → MURS

Samy manana ny fonction-ny ireo éléments ireo ary tokony hifandray tsara ao anatin’ny conception globale an’ilay bâtiment.

⚠️ INONA NO METY HITRANGA RAHA TSY VOADINIKA SY VOARINDRA ARAKA NY HO TOKONY HO IZY NY FONDATION ?

Mety hiteraka olana toy ny :

• Tassements
• Fissures
• Déformations
• Infiltrations
• Dégradation progressive de l’ouvrage
• Coûts supplémentaires de réparation

Izany no antony tsy tokony hiheverana ny fondation ho “lavaka sy béton fotsiny”.

Ny fondation dia dingana ara-teknika mitaky étude, dimensionnement, préparation ary exécution rigoureuse.

🏗️ Satria ny trano matanjaka dia tsy manomboka amin’ny finition.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

GROUPE RAITRA
Études – Constructions – Maintenances

📞 034 36 478 50
📧 [email protected]
📍 Shoppi Center Mahazo

Fiaraha-miasa azo antoka, Fanorenana mirindra !

👀🔥 ATY DAHOLO INDRAY ARY NY MASO EEEEE! 😍🏡✨ HO AN’IZAY MITADY VILLA BASSE MODERNE ✨Raha mitady Villa Basse Moderne manan...
22/09/2026

👀🔥 ATY DAHOLO INDRAY ARY NY MASO EEEEE! 😍🏡

✨ HO AN’IZAY MITADY VILLA BASSE MODERNE ✨

Raha mitady Villa Basse Moderne manana endrika tsara, mirindra ary mifanaraka amin’ny filànao ianao, dia mety tsara aminao ity PROJET OFFRE CLÉ EN MAIN ity . 🏡✨

📩 Te hahalala ny antsipiriany rehetra?
👉 MP AVY HATRANY raha mila informations complémentaires, détails du projet na renseignements hafa.

🏗️ GROUPE RAITRA

Fiaraha-miasa azo antoka, Fanorenana mirindra !

📞 Contact : 034 36 478 50
📧 E-mail : [email protected]
📍 Adresse : Shoppi Center Mahazo

🏗️🔩 𝗡𝗬 𝗔𝗥𝗠𝗔𝗧𝗨𝗥𝗘 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗙𝗘𝗛𝗘𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗭𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔🔩 𝗜𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗵𝗼𝗲 𝗮𝗿𝗺𝗮𝘁𝘂𝗿𝗲 ?Amin’ny sehatry ny constructi...
16/09/2026

🏗️🔩 𝗡𝗬 𝗔𝗥𝗠𝗔𝗧𝗨𝗥𝗘 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗙𝗘𝗛𝗘𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗭𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔

🔩 𝗜𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗵𝗼𝗲 𝗮𝗿𝗺𝗮𝘁𝘂𝗿𝗲 ?

Amin’ny sehatry ny construction, ny 𝗮𝗿𝗺𝗮𝘁𝘂𝗿𝗲 dia ireo vy apetraka sy alamina ao anatin’ny béton mba hanamafisana azy sy hanampy azy hiatrika ireo ezaka samihafa iainan’ny ouvrage.

Izy io dia singa fototra amin’ny 𝗯𝗲́𝘁𝗼𝗻 𝗮𝗿𝗺𝗲́, indrindra amin’ireo éléments structuraux toy ny 𝘀𝗲𝗺𝗲𝗹𝗹𝗲𝘀, 𝗽𝗼𝘁𝗲𝗮𝘂𝘅, 𝗽𝗼𝘂𝘁𝗿𝗲𝘀 ary 𝗱𝗮𝗹𝗹𝗲𝘀. 🏗️

⚠️ 𝗡𝗼𝗵𝗼 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆, ny armature dia tsy midika hoe fahaizana 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗽𝗮𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗮𝘁𝗼𝘁𝗿𝗮 ireo vy ilaina fotsiny, fa mitaky koa ny 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗶𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮, 𝗺𝗮𝗺𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗺𝗶𝗳𝗲𝗵𝘆 azy ireo araka ny tokony ho izy.

Ny fahafehezana ny armature dia tokony hifanaraka amin’ny 𝗽𝗹𝗮𝗻 𝗱𝗲 𝗳𝗲𝗿𝗿𝗮𝗶𝗹𝗹𝗮𝗴𝗲 sy ny 𝗽𝗿𝗲𝘀𝗰𝗿𝗶𝗽𝘁𝗶𝗼𝗻𝘀 𝘁𝗲𝗰𝗵𝗻𝗶𝗾𝘂𝗲𝘀, mba hahazoana antoka fa marina ny toerana sy ny fandaminana azy mandritra ny fametrahana sy ny coulage.

🔎 𝗔𝗻𝗶𝘀𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝘆 𝗵𝗼𝗷𝗲𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮:

🔹 Diamètre sy isan’ny fer
🔹 Espacement entre les barres
🔹 Longueur de recouvrement
🔹 Positionnement sy alignement
🔹 Enrobage béton
🔹 Ligature sy fixation mba tsy hihetsika mandritra ny coulage

📐 Ny fahitsiana amin’ireo antsipiriany ireo dia anisan’ny fototra amin’ny fanatanterahana asa béton armé araka ny conception sy ny fepetra ara-teknika napetraka.

🏗️ 𝗚𝗥𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗥𝗔𝗜𝗧𝗥𝗔
𝗘́𝗧𝗨𝗗𝗘𝗦 • 𝗖𝗢𝗡𝗦𝗧𝗥𝗨𝗖𝗧𝗜𝗢𝗡𝗦 • 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗘𝗡𝗔𝗡𝗖𝗘𝗦

🤝 𝗙𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝘇𝗼 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝗮
🏗️ 𝗙𝗮𝗻𝗼𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 !

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

☎️ 𝗖𝗼𝗻𝘁𝗮𝗰𝘁 : 034 36 478 50
📧 𝗘-𝗺𝗮𝗶𝗹 : [email protected]
📍 𝗔𝗱𝗿𝗲𝘀𝘀𝗲 : Shoppi Center Mahazo

11/09/2026

🏗️ 𝗩𝗼𝘁𝗿𝗲 𝘃𝗶𝘀𝗶𝗼𝗻, 𝗻𝗼𝘁𝗿𝗲 𝗲𝗻𝗴𝗮𝗴𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁.
✨ 𝗩𝗼𝘁𝗿𝗲 𝗽𝗿𝗼𝗷𝗲𝘁, 𝗻𝗼𝘁𝗿𝗲 𝗿𝗲́𝗮𝗹𝗶𝘀𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻.

💙💚 𝗚𝗿𝗼𝘂𝗽𝗲 𝗥𝗮𝗶𝘁𝗿𝗮
Un partenariat fiable, une construction harmonieuse !

🤝 𝗕𝗮̂𝘁𝗶𝘀𝘀𝗼𝗻𝘀 𝗲𝗻𝘀𝗲𝗺𝗯𝗹𝗲 𝘃𝗼𝘀 𝗽𝗿𝗼𝗷𝗲𝘁𝘀 𝗱𝗲 𝗱𝗲𝗺𝗮𝗶𝗻.

📞 𝗖𝗼𝗻𝘁𝗮𝗰𝘁 : 034 36 478 50
📧 𝗘-𝗺𝗮𝗶𝗹 : [email protected]
📍 𝗔𝗱𝗿𝗲𝘀𝘀𝗲 : Shoppi Center Mahazo

✨ 𝗜𝗺𝗮𝗴𝗶𝗻𝗲𝘇 𝘃𝗼𝘁𝗿𝗲 𝗮𝘃𝗲𝗻𝗶𝗿. 𝗡𝗼𝘂𝘀 𝗻𝗼𝘂𝘀 𝗰𝗵𝗮𝗿𝗴𝗲𝗼𝗻𝘀 𝗱𝗲 𝗹𝗲 𝗰𝗼𝗻𝘀𝘁𝗿𝘂𝗶𝗿𝗲.🏗️ 𝗚𝗥𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗥𝗔𝗜𝗧𝗥𝗔Fiaraha-miasa azo antoka, Fanorenana mirin...
08/09/2026

✨ 𝗜𝗺𝗮𝗴𝗶𝗻𝗲𝘇 𝘃𝗼𝘁𝗿𝗲 𝗮𝘃𝗲𝗻𝗶𝗿. 𝗡𝗼𝘂𝘀 𝗻𝗼𝘂𝘀 𝗰𝗵𝗮𝗿𝗴𝗲𝗼𝗻𝘀 𝗱𝗲 𝗹𝗲 𝗰𝗼𝗻𝘀𝘁𝗿𝘂𝗶𝗿𝗲.

🏗️ 𝗚𝗥𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗥𝗔𝗜𝗧𝗥𝗔
Fiaraha-miasa azo antoka, Fanorenana mirindra ! 🏡✨

#𝗚𝗿𝗼𝘂𝗽𝗲𝗥𝗮𝗶𝘁𝗿𝗮 #𝗕𝗧𝗣 #𝗖𝗼𝗻𝘀𝘁𝗿𝘂𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 #𝗔𝗿𝗰𝗵𝗶𝘁𝗲𝗰𝘁𝘂𝗿𝗲 #𝗠𝗮𝗶𝘀𝗼𝗻𝗠𝗼𝗱𝗲𝗿𝗻𝗲 #𝗖𝗼𝗻𝘀𝘁𝗿𝘂𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 #𝗣𝗿𝗼𝗷𝗲𝘁𝗜𝗺𝗺𝗼𝗯𝗶𝗹𝗶𝗲𝗿 #𝗩𝗼𝘁𝗿𝗲𝗣𝗿𝗼𝗷𝗲𝘁𝗡𝗼𝘁𝗿𝗲𝗣𝗿𝗶𝗼𝗿𝗶𝘁𝗲 #𝗙𝗮𝗻𝗼𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮𝗠𝗶𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮

🏗️✨ 𝐆𝐫𝐨𝐮𝐩𝐞 𝐑𝐚𝐢𝐭𝐫𝐚 : 𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲, 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 ! 🏠🤝                                        🇲🇬
03/09/2026

🏗️✨ 𝐆𝐫𝐨𝐮𝐩𝐞 𝐑𝐚𝐢𝐭𝐫𝐚 : 𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲, 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 ! 🏠🤝

🇲🇬

27/08/2026

🏗️✨ 𝗣𝗥𝗢𝗝𝗘𝗧 𝗗𝗘 𝗖𝗢𝗡𝗦𝗧𝗥𝗨𝗖𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗗’𝗨𝗡 𝗔𝗣𝗣𝗔𝗥𝗧𝗘𝗠𝗘𝗡𝗧 𝗥+𝟮 À 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗜𝗥𝗔𝗕𝗘 🏢✨

Somary naharitra ny fanatanterahana ity tetikasa ity noho ny famatsiana ara-bola, kanefa 𝗧𝗢𝗡𝗧𝗢𝗦𝗔 𝗦𝗢𝗔𝗠𝗔𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 𝗜𝗭𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗢𝗛𝗢 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗛𝗜𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗬. 🙏❤️

💡 𝗔𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗼!

Manana tetikasa fanorenana ao an-tsainao ve ianao? 🏠 Andao hiara-manao ny 𝗘𝗧𝗨𝗗𝗘, mba hahitana mazava izay hanombohana azy sy hamaritana tsara ireo dingana rehetra hahatanterahan’ny tetikasanao. 📐🤝

✨ 𝗡𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗹𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻𝘆.

🚀 𝗔𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗼𝘃𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗵𝗼 𝘇𝗮𝘃𝗮-𝗺𝗶𝘀𝘆!

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

📞 𝗖𝗢𝗡𝗧𝗔𝗖𝗧 : 034 36 478 50
📘 𝗣𝗔𝗚𝗘 𝗙𝗔𝗖𝗘𝗕𝗢𝗢𝗞 : Groupe Raitra
📧 𝗘-𝗠𝗔𝗜𝗟 : [[email protected]](mailto:[email protected])
🌐 𝗦𝗜𝗧𝗘 𝗪𝗘𝗕 : grouperaitra.netlify.app
📍 𝗔𝗗𝗥𝗘𝗦𝗦𝗘 : Shoppi Center Mahazo

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

✨ 𝗚𝗥𝗢𝗨𝗣𝗘 𝗥𝗔𝗜𝗧𝗥𝗔 ✨
𝗙𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝘇𝗼 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝗮, 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮. 🤝🏗️

🏡✨ 𝐀𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐧𝐨𝐟𝐢𝐧𝐚𝐨 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐚𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚.Izahay 𝐆𝐫𝐨𝐮𝐩𝐞 𝐑𝐚𝐢𝐭𝐫𝐚 kosa no miara-dalana aminao, manomboka...
25/08/2026

🏡✨ 𝐀𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐧𝐨𝐟𝐢𝐧𝐚𝐨 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐚𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚.

Izahay 𝐆𝐫𝐨𝐮𝐩𝐞 𝐑𝐚𝐢𝐭𝐫𝐚 kosa no miara-dalana aminao, manomboka amin’ny 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐏𝐥𝐚𝐧 ka hatramin’ny 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚. 📐👷‍♂️🏗️

💫 𝐍𝐨𝐟𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐲. 𝐕𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲. 𝐓𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐲.

🤝 𝐆𝐫𝐨𝐮𝐩𝐞 𝐑𝐚𝐢𝐭𝐫𝐚 : 𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚, 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 !

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

📞 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐚𝐜𝐭 : 034 36 478 50
📘 𝐏𝐚𝐠𝐞 𝐅𝐚𝐜𝐞𝐛𝐨𝐨𝐤 : Groupe Raitra
📧 𝐄-𝐦𝐚𝐢𝐥 : [email protected]
🌐 𝐒𝐢𝐭𝐞 𝐖𝐞𝐛 : grouperaitra.netlify.app/
📍 𝐀𝐝𝐫𝐞𝐬𝐬𝐞 : Shoppi Center Mahazo

🏠 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐇𝐎𝐄 𝐏𝐋𝐀𝐍 𝟐𝐃 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐍 𝟑𝐃, 𝐀𝐑𝐘 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐌𝐀𝐇𝐀-𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐀 𝐀𝐙𝐘 ?Rehefa mikasa hanorina trano 🏡 isika, dia matet...
21/08/2026

🏠 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐇𝐎𝐄 𝐏𝐋𝐀𝐍 𝟐𝐃 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐍 𝟑𝐃, 𝐀𝐑𝐘 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐌𝐀𝐇𝐀-𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐀 𝐀𝐙𝐘 ?

Rehefa mikasa hanorina trano 🏡 isika, dia matetika no mandre ny teny hoe « Plan 2D » sy « Plan 3D ».

Fa inona marina no andraikitry ny tsirairay? 🤔
Ary nahoana no samy manana ny maha-zava-dehibe azy ireo amin'ny projet de construction?

📐 𝐏𝐋𝐀𝐍 𝟐𝐃 : 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐄𝐊𝐍𝐈𝐊𝐀

Ny Plan 2D dia sary teknika mampiseho mazava ny firafitra, ny fandaminana ary ny dimensions an'ilay trano.

Ao no ahitana ny toerana misy ireo pièces, murs, portes, fenêtres, escaliers, ary ireo singa teknika ilaina amin'ny fanatanterahana ny projet.

📋 Tsy mijanona amin'ny fahitana ny trano fotsiny anefa izany.

Ny Plan 2D dia anisan'ireo antontan-taratasy fototra ampiasaina amin'ny dossier de permis de construire, ary tena ilaina ihany koa rehefa tonga amin'ny dingana fanorenana.

🧱 Amin'ny exécution des travaux, izy no anisan'ny référence lehibe arahina mba hanajana ireo dimensions, ny fandaminana ary ireo détails efa voafaritra ao amin'ny projet.

🏡 𝐏𝐋𝐀𝐍 𝟑𝐃 : 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐈𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐀

Ny Plan 3D kosa dia manampy antsika hahita amin'ny endrika akaiky kokoa ny zava-misy izay mbola projet ihany.

✨ Amin'ny alalan'ny 3D dia afaka mahita mialoha ny volume, ny façade, ny couleurs, ny matériaux, ny toiture, ny ouvertures ary ny aménagement isika.

Izany no mahatonga azy ho tena ilaina amin'ny fahazoana vision claire momba ny endrik'ilay trano rehefa vita.

Manampy ihany koa ny Plan 3D amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny esthétique sy ny finition, satria afaka mahita mialoha izay mety sy izay mila hatsaraina isika.

🔎 𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐄𝐇𝐄𝐙𝐈𝐍𝐀 :

📐 𝐏𝐋𝐀𝐍 𝟐𝐃
➡️ Fandrefesana
➡️ Fandaminana
➡️ Référence technique

🏠 𝐏𝐋𝐀𝐍 𝟑𝐃
➡️ Visualisation
➡️ Fahitana mialoha
➡️ Fahatakarana ny endriky ny projet

🤝 Samy hafa ny andraikiny, saingy mifameno izy ireo mba hahatonga ny projet ho mazava kokoa, voalamina tsara ary mora takarina.

💬 Ary ianao, raha mikasa hanorina trano, inona no tianao ho hita voalohany ?

📐 PLAN 2D sa 🏠 PLAN 3D ?

Lazao aminay ao amin'ny commentaire 👇😊

━━━━━━━━━━━━━━━━━━━━

🏢 𝐆𝐑𝐎𝐔𝐏𝐄 𝐑𝐀𝐈𝐓𝐑𝐀

📞 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐚𝐜𝐭 : 034 36 478 50
📘 𝐏𝐚𝐠𝐞 𝐅𝐚𝐜𝐞𝐛𝐨𝐨𝐤 : Groupe Raitra
🌐 𝐒𝐢𝐭𝐞 𝐖𝐞𝐛 : grouperaitra.netlify.app/
📍 𝐀𝐝𝐫𝐞𝐬𝐬𝐞 : Shoppi Center Mahazo

━━━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Address

Bâtiment Shoppi Center Mahazo
Antananarivo
105

Opening Hours

Monday 07:00 - 17:00
Tuesday 07:00 - 17:00
Wednesday 07:00 - 17:00
Thursday 07:00 - 17:00
Friday 07:00 - 17:00

Telephone

+261331408522

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Groupe Raitra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Groupe Raitra:

Shortcuts

Share