05/07/2026
Tsy tokony hofaritana amin’ny isan’ny mpiasa ananany ny reharehan’ny mpandraharaha iray.
Tsy fahombiazana ny fananana mpiasa 1 000 na 10 000 raha ny ankamaroan’izy ireo mahazo 300 000 Ariary monja ka mbola sahirana amin’ny fivelomany.
Ny tena fahombiazana dia ny famoronana asa ahafahan’ny fianakaviana miaina amim-pahamendrehana, manomana fanambadiana, mividy trano, mampianatra ny zanany ary manangana hoavy tsaratsara kokoa.
Fotoana izao hanovantsika ny fomba handrefesantsika ny fahombiazana eto Madagasikara.
Ary ianao, ahoana ny hevitrao? Aleo ve mamorona asa maro nefa ambany karama, sa asa vitsy kokoa fa tena karama mendrika ka afaka manova ny fiainan’ny fianakaviana? 🇲🇬
========
La fierté d’un entrepreneur ne devrait pas se mesurer au nombre de ses employés.
Avoir 1 000 ou 10 000 salariés n’est pas une victoire si la majorité gagne 300.000 ar et peine à vivre dignement de son travail.
La vraie réussite, c’est de créer des emplois qui permettent à une famille de vivre, de financer son mariage, d’acheter une maison, de payer les études de ses enfants et de construire un avenir.
À Madagascar, nous devons changer notre façon de mesurer le succès.
Et vous, selon vous, vaut-il mieux créer beaucoup d’emplois faiblement rémunérés, ou moins d’emplois mais avec de vrais salaires qui changent la vie des familles ?