Zoky bovari

Zoky bovari Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Zoky bovari, Business Center, Madagasikara, Antananarivo.

                               💢 Mirary ny taona 2024, ho taona ZINA ho antsika rehetra!
31/12/2023




💢 Mirary ny taona 2024, ho taona ZINA ho antsika rehetra!

31/12/2023
30/12/2023

🎤Ho famaranana ny taona!
Ao amin'ny
FANDAHARANA MASO AVA,
ao @
RADIO BONGOLAVA FM 100.0
🗒️ny SABOTSY 30 DESAMBRA 2023 tolakandro :
💢Ao ny tenako
👉Bovari Alain Patrick (zoky Bova)
"mpandraharaha madinika"
no hivahiny. Hitondra tafa sy dinika tsotra mahakasika ny fampandrosoana amin'ny ankapobeny.

Hanasako anao ny fanarahana izany!

Famerenana ny fandaharana ny alakamisy 04 janoary 2024 @ 8ora alina

        Tarihin'i Mme Rina Bovari "Zarao soa sy hafaliana ny namanao"        💢Angony izay fitaovana foinao, dia andao hi...
19/12/2023


Tarihin'i Mme Rina Bovari

"Zarao soa sy hafaliana ny namanao"
💢Angony izay fitaovana foinao, dia andao hizara izany amin'ireo namana mila azy!
🌀 -Akanjo
🌀 -Kilalao
🌀 -Sns
👉Sabotsy 30 déc 2023 izao, amin'ny 9ora ny fotoana.
Ny fanomezana atolotrao Dia afaka raisina ao amin'ny bureau manitra plus tsididy alohan'ny 28 déc izao ahafahana mandamina izany. Afaka atao ihany koa ny miantso ny laharana 038.89.000.92 Mr Bovari

 Fantaro tsara ry tanora namana rehefa mandray andraikitra ianao.      💢Mila mahafantatra tsara ny tenanao ianao aloha h...
07/12/2023


Fantaro tsara ry tanora namana rehefa mandray andraikitra ianao.
💢Mila mahafantatra tsara ny tenanao ianao aloha hoe:
👉 Leader ?
Sa
👉 Manager ?
Mora aminao no handray ny fanapahan-kevitra amin'izay !

💢Fototra iray tsy ahatratraran'ireo namana sasany ny tanjoNy ny tsy fahafantaranNy ny toerana misy Azy, eo am-panatanterahana ny andraikitra sahaniny.
Mirary soa👋👋👋

07/12/2023


Perso: 👉Tsy dia hoe ratsy avokoa, na koa hoe tsy mahay ny olona na dia tsy mahavita ny asany aza izy amin'ny ankapobeny.
-Na eo anivon'ny firenena,
-na eo amin'ny sahatra tsy miankina,
-Na eny anivon'ny fikambanana,
-sns.
🙈Fa saingy ilay critere maha mpitarika leader no mety tsy hananany na tsy ampy dia somary sahirana kely fotsiny.
Toerana amin'ny ankapobeny hoy aho fa tsy hoe aty amintsina na aiza a.
💢Sa diso ny fijeriko?
-Fijery mihabo
-Andao ampiana izy ireo mba ho tombotsoan'ny bé sy ny maro!

Sary fanehoana kely tany bekapaika tsaratanana🙈e

17/11/2023

"Omeo fintana izy, hanomanany ny ho aviny!"

💢Fifampizarana maimaimpoana
Mahakasika ny
👉hai-tarika "leadership"
sy
👉tolo-kevitra mampandroso
ary
👉 Fampiofanana Fanamboarana Savony

iarahana amin'i

" bovari Alain Patrick"

💎karakarin'ny: LYCÉE TECHNIQUE tsiroanomandidy
👉ho an'ireo:
RAY AMAN-DRENIN'NY mpianatra sy ny
TANORA izay liana.
(Na sekoly miankina na tsy miankina)
Toerana.
🏤Toerana: lycée technique tsiroanomandidy andrefan'ny gare.
📆Daty: 25 novambra 2023
🕘Amin'ny: 09ora maraina
Fanazavana fanampiny : 0344056963 Mme Hanitra

 "Omeo fintana izy, hanomanany ny ho aviny !"💢Niverina nijery ireo zezika namboarina tany belobaka ny tena.           👉V...
17/11/2023


"Omeo fintana izy, hanomanany ny ho aviny !"
💢Niverina nijery ireo zezika namboarina tany belobaka ny tena.
👉Velombolo fa tafita ny hafatra.
-Maro ny vokatra,
-maro izy ao,
-Ary tena mbola mamokatra atrany ireo namana.
💎 Ireo bozaka dorana fahita amin'ny Doro tanety ireny no nahodina ho zezika teto.
👏👏👏Anao veloma Doro tanety isika rehefa zaraina maimaimpoana ny fanaovana zezika. Nefa tena filanan'ny bé sy ny maro.
Mitohy ny Fifampizarana amin'ireo izay Liana rehetra.

 Tozoy hatrany ny lalana efa nobanjinintsika!            💢Mankahery ny rehetra👊👊
11/11/2023


Tozoy hatrany ny lalana efa nobanjinintsika!
💢Mankahery ny rehetra👊👊

 !👉Etoana dia mirary taona zina ho antsika mponin'i Bongolava sy ny malagasy rehetra ny tenako. Mirary fahombiazana mano...
01/01/2023

!
👉Etoana dia mirary taona zina ho antsika mponin'i Bongolava sy ny malagasy rehetra ny tenako. Mirary fahombiazana manokana ho an'ireo mpandraharaha zanaky ny faritra ihany koa MBA ho taom-pahombiazana ho Antsika rehetra anie ity taona 2023.

🤝Mirary soa ho an'ireo zokiolona, Ray aman-dreny rehetra sy ireo mpiara-belona ihany koa mba ho lavitry ny rofy sy ny olana. Ahaleo halasana Anie ianareo Raha hiatrika ity taona Vaovao ity.

🙏Ny fitahin'Andriamanitra anie andrakotra ny fiainantsika sy ireo vina ho kinasa atao.

Mirary ihany koa raha mirary anareo manam-pahefana rehetra tsy an-kanavaka mba hahavita ny adidy sy andraikitra izay iadidianareo amin'ny mpiara-belona.
Handroso hasina anie bongolava mamintsika sy Madagasikara malalantsika.

♻️Dia samy ho tahi'Andriamanitra🙏

 Miombom-po amintsika mponin'ny Bongolava sy ny MALAGASY rehetra ny tenako ao anatin'izao fety izao.Misaotra an'Andriama...
26/12/2022


Miombom-po amintsika mponin'ny Bongolava sy ny MALAGASY rehetra ny tenako ao anatin'izao fety izao.
Misaotra an'Andriamanitra lehibe, fa mbola nahatratra izao Noely famonjena izao isika tsirairay.

Amin'izao andro fankalazana ny fahaterahan'ny Mpamonjy izao sy ho fiandrasana ny taona vaovao, dia manentana mba ho fo sy saina, ary toe-panahy vaovao, afaka hampandroso sy afaka hifampitsinjo amin'ny mpiara-belona no hisy eto amin'ny faritra misy antsika eto Bongolava.

Mankahery ihany koa ho antsika tra-pahasahiranana sy tojo tsy fahasalamana rehetra ka tsy afaka niatrika izany ankafaliana. Mahereza, Ary manàna finoana sy heri-tsaina fa tsy maintsy ho mpandresy ianao na mihatrika ady mafy aza eo amin'ny fiainana.

Mirary soa manokana ihany koa ho antsika mpandraharaha rehetra.

"Fa mpamonjy no teraka ho antsika,..."

Ho tahian'Andriamanitra daholo.

 💎Ho antsika olo-tsotra!     Raha hiandry ny hafa hiova isika dia anan-tena tsy misy.         💢Ndao atomboka avy amintsi...
06/12/2022


💎Ho antsika olo-tsotra!
Raha hiandry ny hafa hiova isika dia anan-tena tsy misy.
💢Ndao atomboka avy amintsika tsirairay avy ny fihovana ara toe-tsaina.
♻️Ndao ialana ny fitiavan-kely
♻️Fidifidio ny namana
♻️Fenohy fitiavana ny tontolo andronao.
♻️ Ndao hiroso MBA ho matihanina amin'izay atao.
♻️Sahia mijoro amin'ny marina
↪️Rehefa manomboka ny hiova ianao hahatsapa fanantenana

Address

Madagasikara
Antananarivo

Telephone

+261388900092

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zoky bovari posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Zoky bovari:

Share