06/09/2022
TANTARAN'ILAY GATEAU TSY NISY NORAISINA...
Be dia be ny olona mbola miantso ahy hoe "chef"; tsy diso ry zareo satria Chef cuisto aho taloha...
Hitantara dona mafy indrindra tamiko aho tamin'ny sehatrin'ny fandraharahana
Amin'ny maha mpahandro matihanina moa dia mivelona amin'ny service traiteur aho...
Tamin'ny fotoana mbola tsy nahalalan'ny olona ahy dia voatery ny tenako hanao zavatra mora vidy ( na dia tena tsara aza ny kalitaon'ny zavatra nataonay).
Raikitra ny contrat nifanaovana tamin'ny mpanambady iray...
Raikitra fa izahay no manao ny sakafo rehetra; anisan'izany ity gâteau amin'ny sary ity izay nataoko 1.000.000fmg monja pour 100personnes. Marihiko fa tena zara fa vola ny tombony hazonay amin'izany saingy nataonay am-pitiavana sady mbola nampianay gadô (ireo gateau kely 4 kely ireo). 😁
Tonga ary ny fotoana, vitanay ny installation rehetra...
Tampotampoka teo nisy akoho nohenjehin'ny alika avy any amin'ny tsy fantatray tany, nilefa tao ambany latabatra ilay akoho dia nohenjehin'ilay alika tao; voadonany ilay tongodatabatra dia nihongana ilay gâteau... Izahay mbola nivanaka sy nifampiantso hoe jereo jereo jereo... nisy serveur iray niazakazaka sy tezitra be avy any an-dakozia any nanenjika an'ilay alika tamin'ny kifafa, dia satria moa mbola misy crème ilay lalana nodiavin'ilay alika dia nisolifatra ilay serveur dia nianjera t@carreau: vaky ny machoir'ny. Izahay nikoropaka namonjy an'ilay serveur sy nampiakatra azy tany anaty fiara iny, hay niverenan'ny alika sy tsy haiko izay biby hafa tao ilay gâteau....
Mora kely ny mitantara an'ilay izy saingy mafy ry zareo zany hoe: sady tsy nangalanao tombony ilay zavatra no mila manao remboursement sady afa-baraka amin'ny invitée rehetra teo izany a.
Nolatsaina, nataon'ny olona be dia be resaka nandritran'ny mariage iray manontolo...
Vao mipoitra dia tondro-molotra hoe iny iny iny...
Ianao nanantena ny hahazo félicitation fa matsiro be, fangidiana sy henatra no nolanjaina.
Na za aza menatra ny hanazava amin'ny micro hoe: alika anie no nananjera an'io e...
Ilay vola kely mba azo teo nandehanana tany amin'ny Colbert*** nanaovana commande rapide pour 100personnes= 3.000.000fmg tamin'izany andro izany; efa hariva be koa vao tonga(tsy hanomezan-tsiny anzareo izany fa tamin'ny 1ora antoandro vao afaka nanao commande).
Ny nampalahelo dia tsy noraisin'ilay mpanambady koa ilay gâteau vao novidiana teo na dia mbola betsaka aza ny olona mbola tao anatin'ilay salle.
Nody izahay, maty antoka:
- ilay serveur tsy maintsy tsaboina,
- ny karaman'ny olona rehetra tsy maintsy aloa,
- ny fitaovana natao location tsy maintsy aloa sns sns...
- ilay gâteau teo tsy maintsy zaraina amin'ny mpiara-miasa
Nitanondrika saingy tsy maintsy nitraka.
Tadidio fa ny "échec" no tena hahazahoan-tsika lesona fa tsy ny "succès".
Ankehitriny, hoy aho hoe nahafinaritra iny échec iny: nampianatra be ahy izy iny.
PS: Ao amin'ny commentaire ao ny sarin'ilay gâteau nazeran'ilay alika raha misy te hijery
Tsara ity talata ity