13/03/2024
Anisan'ny tsy mampandroso an'i Madagascar ilay hoe ny fiangonana no betsaka noho ny sekoly
Tena tsy ampy fahalalana ny malagasy hany ka maro ny voarebirebin'ny mpitondra fivavahana sasany, sasany hoy aho fa misy mandeha amin'ny fahamarinana ihany
Misy tena mivarotra am-pitsanganana mihitsy ny mpitondra fivavahana sasany manararaotra ny tsy fahalalan'ny malagasy
Raha izaho no lasa filoha, tsy anaty projet ako mihitsy moa izany fa mba resaka ka atao 😜, dia tsy omeko alalana manangana fiangonana ny olona iray raha tsy manana diplôme ary tsy maintsy manana projet manangana sekoly fanabeazana fototra ROA ny fiangonana iray izay vao afaka mijoro.
Tena mampahantra ny tsy fahalalana nefa ny fahantrana manosihosy ny mahaolona mihitsy ary mampirisika hanao fahotana maro...
Raha mandinika ny baiboly koa ianao dia tsy sitrak'Andriamanitra io fahantrana io :
- Hary daholo ny zava-drehetra vao noforonina i Adama sy Eva, paradisa no nasiana azy
- i Abraham, I David, I Salomon tsy nahantra izany
Misy an'ireny fiangonana mivoy fahantrana ireny mba hahazoany vola...
Hoy izy hoe tsy tonga any an-danitra ny mpanan-karena, jereo tsara aloha ny contexte nitenenan'i Jesoa an'iny (tsy azavaiko eto fa efa reraka ny tanako manoratra)
Fehiny : mila mianatra ianao raha tianao hiova ny fiainanao, izaho tsy miteny anao hoe aza mivavaka fa Mianara
Rehefa mandrosy ianao mandroso ny firenena