01/07/2026
🌿 Fanafody natioraly hanampy hiadiana amin'ny gripa 🤧
👉 Mazotoa misotro rano foana,
👉Dia ilay rivotra maraina be iny tena mampisava sery sy mahasalama be mintsy
Rehefa manomboka gripa ianao dia andramo ireto:
🍋 Misotro rano mafana misy tantely sy voasary makirana. 🫚 Misotro dite sakamalaho. 🧄 Ampidiro tongolo gasy amin'ny sakafo. 🍵 Misotro zava-pisotro mafana matetika. 💧 Misotro rano betsaka ary mialà sasatra.
✨ Tsarovy fa ny hery fiarovan'ny vatana dia mila fanohanana amin'ny torimaso ampy sy sakafo mahasalama
⚠️ Raha maharitra ny tazo, sahirana miaina, na miharatsy ny fahasalamana dia manatona tobim-pahasalamana na mpitsabo.
💬 Inona kosa ny fikafika kely itanao nanampy anao rehefa voan'ny gripa? Zarao amin'ny commentaire!