07/02/2023
PUPPY SCHOOL :
Maro ianareo no nangataka ny fikarakarana ny hetsika mba ahafahana miala amin'ny kitoatoa ny amin'ny fikarakarana sy fitaizana alika ary hanampy ireo izay efa hay hatrizay.
Fifampizarana miaraka no ho atao ahafahana manontany sy manome valiny aminny resaka fiompiana sy fikarakarana alika satria dia misy fenitra ny fiompiana alika, manomboka zanany azy.
Mety anisan'izany izao ireto karazam-panontaniana ireto izay ahazahoanao valiny ao:
- Misy idiran’ny fitaizana azy mbola kely ve ny toetran’alika rehefa lehibe?
- Ahoana no fomba isafidianana zanak’alika raha ividy alika ianao?
- Ahoana no atao ahazahoana alika mahay miara-miaina @ olona?
- Inona no tsara ho fantatra rehetra momban’ny alikakely hatreo ambohoka mandrapaha-tonga azy ho alika vantony.
- Ho singanina manokana ao ny “erreur” tena matetika fanaon’ny olona vao miompy alika sy efa niompy ela kanefa tsy mahalala, ary ho atoro anao ny tokony atao.
Toavina Andriamisaina sy I Princy Jordan no hifampitafa aminareo amin'izany. Mazava ho azy fa ezahanay ho valiana daholo izay fanontaniana mampiahiahy anareo rehetra.
Faharoa manaraka izany ny resaka fahasalamana. Zavatra tena "important" indrindra izany amin'ny resaka fikarakarana alika mba tsy andeha hanjambany fotsiny ianareo. Maromaro ireo fanontaniana mety manitikitika anareo, anatin'izany ny hoe :
- Marina ve fa ilay vakisiny indray no niteraka aretina?
- Ahoana ny alikakely notsindromina anio dia maty rahampitso?
- Ahoana ny resaka odi-kakana? Hatraiza no mahasaopady azy?
- Inona ireo karazana aretina mety ahazo ny alikakely ary ahoana no fomba isorohana azy?
Ny VETCLINIC no izara ny mahakasika izany amintsika izay ho atao ampitiavana be.
Izahay ato amin'ny CHATEAU des LEGENDES no hikarakara ity hetsika ity, izay atao ny 25 Fevrier 2023 ho avy izao manomboka @ 8h30 maraina ao amin'ny Centre ARRUP MADAGASCAR (ECAR Faravohitra).
Misy fandraisana anjara kely moa amin'izany, amin'ny vidiny 20 000 Ar. Natao amin'ny vidiny mirary izany, tsy ho fitadiavambola akory fa ho fikarakarana ilay hetsika sy izay ho atao manaraka. Ny toerana dia voafetra mba ahafahatsika mitafatafa sy mamaly ny fanontaniantsika tsirairay avy tsara.
Ny famandrian-toerana dia afaka atao amin'ny laharan-tarobia: +261 34 36 270 02 (Andriamisaina Legacy)/ + 261 34 01 506 75 (Château des légendes)
Na koa amin'ny Hafatra miafina.
Miankina aminio no anaovatsika ny hetsika hafa manaraka rehetra ka dia manantena ny fahatongavantsika !