22/05/2026
Ny Cabinet Hermès Conseils dia mitady mpiasa ho an’ny orinasa iray
1- Mpitantana tokantrano iray
Asa fototra
Manara-maso sy miantoka ny fitantanana ny fitaovana, kojakoja isan-karazany sy ny
fikarakarana ny trano : fanadiovana, fipasohana ny lamba, fiantsenana, fikarakarana
sakafo,
Mandrindra ny mpiasa (mpanadio trano, mpikarakara zaridaina)
Mandrindra sy mampandeha tsara ny tokantrano, na eo ny tompony na tsia.
Andraikitra
Fikarakarana ny trano sy fanadiovana : Miantoka ny fanadiovana ny trano, ny fitantanana
sy fanasana sy fipasohana ny lamba. Mampizotra tsara ny zavatra rehetra.
Fandrindrana isan’andro : Mamantatra ny filàna ao an-tokantrano : fandaminana sy
fanatanterahana ny fiantsenana, fitantanana ny tahirin’entana, fanomanana sakafo,
fandrindrana ny fandraisan’olona (ireo olona manan-draharaha ao an-trano sns…), ary
miantoka ny fitantanana ny mpiasa (Mpikarakara zaridaina, Mpanampy an-trano, …)
Fepetra takiana
Vehivavy eo anelanelan’ny 35 hatramin’ny 50 taona
Farafahakeliny 10 taona traikefa amin’ny fitantanana ara-pitaovana sy fikarakarana
trano manokana
Fifehezana tanteraka ny fahadiovana
Fahaiza-manao amin’ny fandrahoan-tsakafo
Fahaiza-manao amin’ny fandaminana
Toetra ilaina
Marina
Milamina
Mahatana tsiambaratelo
Mahay manavia manavanana
Salama tsara
2- Mpanampy an-trano iray
- Manampy ny mpitantana tokantrano amin’ny asa rehetra ao an-trano (fanadiovana,
sakafo, fanasan-damba, fipasohana ny lamba, ...)
Fepetra takiana
- Vehivavy 20 taona no mihoatra
- Manana traikefa amin’ny asa an-trano 05 taona farafahakeliny
- Salama tsara
Raha liana ianao dia manantona ao amin’ny biraon’ny Cabinet Hermès Conseils, Immeuble TANA 2000
Ankorondrano, rihana fahatelo amin’ny Alakamisy 28 mey 2026 @ 8 ora sy sasany h@ 03 ora.
Raha mila fanazavana fanampiny, antsoy ny 034 02 257 67.