03/04/2024
Nanomboka tamin'ny faha 20taonako aho no nandraharaha,
Tsy manana teny hampaherezana anao aho androany fa ireto parcours ireto no hoezahako hofintinina hozaraiko aminao.
-Nanangana Atelier de couture, nandeha,nidofotra.
-Niompy trondro, crevette, nidofotra
-Nanandrana vente en ligne, nandehandeha.
-Nanangana agence de location, nandeha.
-Niditra tamin'ny restauration, nidofotra avy eo nandeha.
-Nanao Transport, nandeha be.
-Nanao jono, nidofotra,nandeha,nidofotra,nandeha
-Niditra ny tontolon'ny fanabeazana; nitatazan'ny confinement, nidofotra, nandeha
-Nanao importation entana avy Japon, Chine; nandeha kely avy eo nidofotra (Diso emplacement teto fa efa narenina taty aorina, Tamatave avy eo nafindra Majunga)
-Nanangana cours d'anglais , nandeha, najanona.
-Niditra tamin'ny métallique (soudure) mi-crée materiels avy amin'ny alalan'ny vy, nandeha, nidofotra.
-Nanao bungalow, nijabaka avy eo narenina taty aorina.
-Nanandrana fiompiana poulet de chair (niara-niasa tamin'olona) ,nijabaka, very vola.
-Nanao importation entana, Dubai, France; tsy naharitra...
-Chômeur 3mois (2016)
-Livreur 4mois (2017)
-Poste10 3mois tamin'ny orinasan'olona (2017)
-Efa avy Traducteur (2018)
-Efa avy Secrétaire (2018)
-Efa avy aide comptable (Tsy fidiny ity)
Bref tsy nitady titre fa ni-mérite titre taty aoriana.
Zanaka mahantra fa nihizingizina sy nanda ny nijanona tao anaty fahantrana.
Raha hoy ianao amin'izao hoe sambatra ianao Mr Joel manana orinasa mijoro.
Dia tadidio fa talohan'izay nisy aman'arivony nandamoka be dia be.
Namana,
Raha mieritreritra ianao hoe mahitsy be ny lalana amin'ny fahombiazana dia aza mbola mandraharaha.
Raha mieritreritra ianao hoe mampanambola be ny aty amin'ny fandraharahana dia teneniko anao hoe mahavery vola be ihany koa.
Feno vato ny lalana tompoko, feno lavadavaka, anjaranao no misafidy na hoataonao sakana ilay vato na hoataonao tohatra hiakaranao.
-Fa izaho nisafidy ny hanao tohatra hiakarako
Rendez-vous au sommet.
Ndao hanova Zavatra