21/07/2023
🔴 RAHA TE HO DOKOTERA 🇲🇬 | 🌟 Zaraina ho anao izay mieritreritra ny ho lasa Mpitsabo. Alohan'ny hamakianao azy dia identifiéo ilay olona tinao hamaky.
✅ DINGANA VOALOHANY :
👉🏾- 1ère Année : PACES (étude universitaire 100%) ---> concours ny miakatra 2ème Année (ao no hianarana ny vatan'ny olombelona sy ny taova rehetra ary ny fiasany. Maro maro ihany ny cahiers sy boky hianarana ao, ka mila fikirizana sy fahazotoana).
👉🏾- 2ème - 6ème Année : stage hospitalier et cours universitaire (manomboka manao stage amin'ny hopitaly sy miditra laboratoire mianatra mampiasa ireo fitaovana maro ampiasana amin'ny fitsabaona. Manaraka izay dia misy fanaovana garde amin'ny alina sy andro tsy fiasana, manampy ny internes sy ny dokotera ao amin'ny hopitaly, rehefa manomboka 3ème année).
👉🏾- 7ème - 8ème Année : internat en Médecine Générale (miasa amin'ny Hôpitaly tontolon'ny andro. Manomboka eo no afaka manome fanafody ho an'ny marary, nefa tsy maintsy eo ambany fifehezan'ny dokotera, ary mampihatra feno ny fianarana nianarana rehetra nandritran'ny 6 taona voalohany).
👉🏾Rehefa validé ny stages rehetra mandritran'ny internats 7 sy 8ème Année dia manao Examens de Cliniques 5 (Médecine, Chirurgie, Pédiatrie, Gynéco-obstétrique, Santé Publique). Raha afakao daholo ireo examens cliniques 5 ireo, izay vao manomana ny Thèse de Doctorat en Medecine Générale (izay recherches atao ka avadika boky).
👉🏾Rehefa vita izany dia manao soutenance de Thèse ary mivoaka ho lasa Docteur en Médecine Diplômé d'État.
___________
✅ NY TOHINY :
👉🏾- Afaka mijanona Medecin généraliste, nefa afaka manao D.U. ihany koa (Diplôme Universitaire en sante-publique, Échographie Gynéco-obstétrique, sns...) izay maharitra 2 taona ny formation, na afaka manao Master-PhD anglophone, na afaka misafidy ny hanao concours de spécialisation (na Internat Qualifiant) ho lasa Médecin Spécialiste.
✅ Ny INTERNAT QUALIFIANT (IQ) :
- Afaka manao daholo rehefa manomboka amin'ny Interne 7ème ka hatraminy Médecins zay latsaky ny 35 taona dia afaka manao daholo.
- Indray mandeha isan-taona ny Concours ka izay afaka dia antsoina hoe IQ na Internes Qualifiants.
- Ny choix de spécialité dia arakaraky ny laharanao tamin'ny Concours, ka izay Major no misafidy izay Spécialité tiany, ary izay manaraka ao aoriana dia maka izay ambiny eo.
- Tamin'ny taona 2020 dia 150 ny Postes IQ nisokatra ka izay 150 voalohany tamin'ny Concours ihany no afaka.
✅ NY TOHINY :
- Manao 4 taona Internat Qualifiant dia avy eo manao Mémoire DEFS dia lasa Médecin Spécialiste amin'ny Spécialité nosafidianao.
- Mandritra ny 4 taona dia miasa ao amin'ny CHU, sady mianatra no mitsabo ary manao Recherche scientifique.
_________
✅ Rehefa mivoaka SPÉCIALISTE dia mizara roa ny lalana :
- Afaka mijanona Spécialiste ianao dia tsy manohy fianarana intsony.
- Raha te hanohy dia manomana ny atao hoe Clinicat, ka mila manana Publications scientifiques maro hahafahana mametraka dossier hiatrehana concours.
⭐ CLINICAT :
- Rehefa mandeha ny concours clinicat dia mitovy amin'ny IQ ihany, ka izay mendrika no afaka.
- Jerena ny fahaizana mampianatra, ny fahaiza-miaina ary ny isan'ny asa vitanao sy ny recherches natao.
- Rehefa afaka Clinicat dia antsoina hoe Chefs de Clinique (CDC) na Chefs de Travaux, izany hoe sady miasa ao amin'ny Hôpitaly ianao no sady mampianatra ireo mpianatra médecine amin'ny stage no sady mampianatra eny amin'ny Université.
- Maharitra 4 taona ny Clinicat ka misy fanadinana ihany koa ny eo ampamaranana izany, izay antsoina hoe DEFSC.
- Izay afaka DEFSC no atao hoe Anciens Chefs de Clinique (ACDC).
⭐ AGREGATION :
- Ny Agrégation dia ny dingana manaraka hahatonga anao ho Professeur des Universités na hoe mpampianatra feno mikasika ny spécialité anao.
- Ny Anciens Chefs de clinique no candidats afaka miatrika izany.
- Izay afaka dia lasa Professeur Agrégé amin'ny Spécialité any, ary manao ilay Robe Noire sy misalotra ilay Écharpe mena misy tsipika 3 doré.
⭐ TITULARISATION :
- Rehefa Professeur Agrégé ianao dia afaka taona vitsivitsy dia tafiakatra Professeur titulaire, arakizay fenitra takiana amin'izany.
- Ny Professeur titulaire dia fantatra amin'ny Robe Rouge sy Écharpe mena misy tsipika 4 doré, grade faratampony amin'ny fitsaboana sy ny fampianarana Médecine.
✅ SAMIA MIZARA
_____
Page : Inona vaovao Dokotera 🥕