19/07/2023
Fandraisana andraikitra avy hatrany, mba tsy ho tanteraka ny fanakorotanan-tsaina sy fanimbana ny ho avin'ny tanora
Ry ray aman-dreny o, efa betsaka iny nozakain'ny zanatsika mpiadina iny fa, manoloana azy, aleo mba tsy taritina be ilay vesatra. Ndao hampaherezina izy ireo
👉🏼 Mifantoka amin'ny fakana aina amin'izay izao alina izao, ankafizo ny fakana aina 🧘🏽♂️ Mifantoka amin'ny taranja manaraka indray rahampitso 🧘🏽♀️
P.S.: Tena TSY RARINY kosa ny zavatra nitranga androany. Zahay tsy miandry miracle fa tonga dia mampianatra ny tanora hahaleo tena, hanana herin-tsaina, hanome ny tsara indrindra foana, tsy ho resin'ny korontan'ny fiainana efa lavareny eto amin'ny firenena.