05/11/2025
MANASA ANTSIKA MPIASA MANDOA IRSA REHETRA HIZARAZARA ITY HAFATRA LEHIBE ITY MBA HIANTEFANY AMIN'OLONA MARO 👇
IRSA : FITAKIANA ITY ATAOKO ITY
Alain'ny fanjakana amiko tsy an-tsitrapoko ny sandan'ny hasasarako 2 volana sy tapany isan-taona 🥺🥺🥺
Inona no setriny ho ahy ?
Raha marary aho, mianto-tena eny amin'ny HOPITALIM-PANJAKANA.
Ny zanako mianatra fa ny FAMPIANARANA eny amin'ny SEKOLIM-PANJAKANA nopotehina sy tsy asiam-bidiny...
ALOAKO VOLA IZAY TARATASIM-PANJAKANA ilaiko, eny hatramin'ny fiarovana ny aiko aza mbola tsy voaantoka araky ny tokony ho izy, fa mbola izaho indray no mandray anjara amin'ny andrimasom-pokonolona 🥺🥺🥺 hiarovana ny aiko sy ankohonako.
Ny fisitrahana zo fototra (rano, jiro, lalana) tsy zarizary nefa lafo sanda 😭😭😭
Fa ny IRSA alaina amiko dia handoavana tombontsoa mihoapapana ho an'ireo nampindramiko fahefana (solika, fahana, hofantrano, fandehanana any ivelany tsy mitondra vokatra ho ahy akory,... )
Azafady, sanatria fa na hatramin'ny vidim-pijangajangana sy ny rendrarendra ataony aza dia izaho no mandoa azy 😭😭😭
Maharary ahy izany, maharary ny ankohonako mihafy fa ireo nampindramiko fahefana no migalabona ny hatsembohako.
ATAOVY ARA-DRARINY NY IRSA
AVERENO AMIN'NY MPANDOA AZY NY TAMBINY HO AZY EO AMIN'NY SERVISIM-BAHOAKA.
✍️📸Fano Andriamalala