08/10/2023
⬆ Misy mpandraharaha (mpiketrika) maromaro nilaza hoe : "N'iza n'iza mpitondra eo dia afaka 5 taona mbola hahita sary sy zava-misy toy izao ihany isika, oronan-tsary efa mpiseho foana sy tsy mahagaga intsony izao, ireo olona ireo ihany no efa nampifandona antsika teto dia isika manaiky ampifandomina foana , zareo miovaova fiaraha-miasa eo fotsiny: jereo i Rakoto dia jereo izy sy Rabe , fa ANDAO HIASA , NDAO HANDRAHARAHA, ITY NY VAHAOLANA .... "
Dia misy fanehoan-kevitra iray maha te hizara , ho zaraintsika eto mamaly azy ireo :
➡ "Iombonako hevitra ilay hoe vao maika hihamafimafy ny combat @ izay mety ho mpitondra vaovao eo na mpitondra hiverina eo ...
Ny antony satria ilay système napetraka eto hatramin'ny repoblika voalohany mihitsy no ratsy fa tsy ireo olona voatanisa ireo
Ny mpandraharaha toa anareo dia mahita irika foana hahafahana mahomby @ izay situations misy eto @ firenena : izay mihitsy!
Tsara marihana anefa :
- moramora kokoa ny hahombiazan'ny maro an'isa rehefa stable na mandroso ny firenena misy antsika
- tsy ny olon-drehetra no ho mpandraharaha
Tsy afaka milaza ho mijery sy mitolona hoan'ny intérêt commun isika raha tsy mahatsapa an'izay hoe "tsy ho mpandraraha daholo ny olona rehetra" izay ary misy olona eto hijaly be vao tsy mahay ny mpitondra azy,
hisy taranaka eto tena handova madagasikara fadiranovana nefa isika mba manana Safidy ihany hanova ny tantara...
Amiko: io système io no mila ovaina hifanaraka amin'ny olana mahazo ny firenena malagasy (ao no tena mila tolona goavana sy maharitra)
système social:
- ovaina ny resaka fitsarana (atao mifanaraka amin'ny kolon-tsaina ohatra, fitsipika miainga eo an-tanàna fa tsy hoe na hitory mpangalatra akoho aza ny olona dia tsy sahy noho ny Antony iarahamahalala....) , ny resaka choux fleur mampita hafatra be...
- ovaina ny rafitra fanabeazana (atao mifanaraka amin'ny toe-tany sy ny zava-misy eto d**o : mila voizina be ny resaka harena ankibon'ny tany, ovy , jirofo, vary ...)
- ovaina ny antanantoham-pitondrana (tsy voatery fokotany dia avy eo kaominina fa arindra araka ny fomban-tany tsiray2 avy...)
...
système politique :
- ovaina ny olona afaka mifidy filoha ohatra (tsy izay mahay mandihy sy mandray menaka sy kaskety dia mahalala hoe olona toy ny ahoana no afaka hampandroso firenena... ) : tsy hamaha olana ny fifidianana terena ho atao 9 novambra ❌
- Ajanona ireo rantsamangaika bediaben'ny governemanta mandany volam-panjakana ireo sy ireo biznesy privé / fanjakana manimba ny finances publics ireo
sns...
-Tokony hipetraka ho azy avy eo ilay hoe izay mametraka no mibaiko (Rehefa ny gasy tokoa no mametraka olona eo dia izy no mibaiko , fa rehefa ny VAZAHA na ny mpanambola sy ny tsy maty manota ihany no afaka mametraka eo dia izy ihany koa no hibaiko 😁) : dia na i Rakoto na i Rabe no apetratsika eo dia azo tsika baikoana foana rehefa isika no manap-kevitra hametraka
système économique :
pays à voie agricole isika , +70% tantsaha : tsy mila maika amin'ny resaka indostria sy varotra fa manome laharam-pahamehana ny fambolena sy Fiompiana mihitsy aloha ...
MBOLA BEDIABE SY EFA MISY OLONA MARO NAMOLAVOLA AN'IO FANOVÀNA IO EFA AMAM-POLO TAONANY ANY FA VITSY MPANARAKA
Ny fandraharahana afaka alefa foana , ny taranaka voatsinjo, gasikara hahate-honina , hiha-maro no afaka hahazo tombotsoa satria ny 100% ho afa-po tsy miexiste
Mankasitraka raha tonga eto amin'ny teboka farany eto ianao . 🙏
Am-panajàna tompoko!"
Misokatra ny fifanakalozan-kevitra ho an'ny soa iombonana , ho an'ny taranaka, ho an'i Madagasikara ...
Anosy anareo 🎤