15/09/2023
π Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? β Salamo 42 : 5
πΉ Nisy fotoana koa Davida nandalo fotoan-tsarotra ka nahatsapa mihintsy izy hoe nitanondrika ny fanahiny ary tena nitoloko mihintsy
πΉ Inona ary ny nataon'i Davida andeha ho jeren-tsika indray ny tohiny hoe :π ManantenΓ an'Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen'ny tavany. β Salamo 42 : 5
πΉ Nanantena an'Andriamanitra izy ,izany hoe ary nivavaka tamin'Andriamanitra izy
πΉ Tsy aiko izay zavatra mampitanondrika anao ao , misy fotoana tiana ho tapitra eo mihintsy ny fiainana rehefa ilay mitanondrika be iny , ilay rehefa mafy be iny ady atrehina
πΉ Fa mitraka hoy Jesosy hoe π Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. β Matio 6 : 6
πΉ Eo mihintsy ianao ilay manao face Γ face amin'Andriamanitra, eo ilay fotoana tena mamy indrindra, ilay fotoana ahatsapanao hoe : tsy misy afa-tsy ianao sy Izy irery no eo , io no fotoana tsara indrindra hiresahana Aminy satria mahita anao Izy , ary maheno anao , ary tena hamaly anao Izy
πΉ Io ilay fotoana tsisy mpanana fa fotoananao sy Andriamanitra irery ihany ary io ilay tena ahatsapanao hoe tena misy mihaino ianao
πΉ Dia aveo ianao ilaza hoe π Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona. β Salamo 27 : 13
πΉ Rehefa avy niatrika ady Davida dia nilaza an'io satria izy nanantena an'Andriamanitra foana , minoa aho fa hilaza an'izany koa ianao satria manantena ny ahita an'i Jehovah eto amin'ny tanin'ny velona , ary minoa fa tsy maintsy ahita ny fahasoavan'Andriamanitra eto amin'ny tanin'ny velona ianao