17/02/2017
...(tohiny)
Ny Sihanaka
Tamin'izany fotoana , araky ny baiboly ihany, dia niainga ny Israely ho any @ tanana iray mba handripaka ireo voalaza fa tokony ho haripaka. Nisy tamin'ireo tao amin'io tanana io anefa no fetsy ka mody nanova fitafy, nitondra m**o efa bobongolo...ka nilaza tamin'ireo Israeliana fa avy lavitra izy ireo...ka nifanaraka ny roa tonta fa tsy hovonoina iretsy farany saingy nanolotena kosa mba hanampy amin'ny asa fisoronana : maka kitay, rano sy ny asa rehetra momba izany.
Netinima ( I Tan 9 : 1 ) ireo olona ireo ( Josoa 9 ) izay nivoahan'ny Siaha ( Ezra 2 : 44 )
Rehefa voaroaka tao Jerosalema anefa ireo mpisorona nivavaka tamin'ny bala dia nanaraka azy koa ireo Siaha, izay efa vita fanekena taminy fa hanampy amin'ny raharaham-pisoronana. Iretsy farany, izay efa mahay loatra ny tsiambaratelon'ny fisoronana ary mahafehy tsara izany.
Tao anatin'io taranaka hoe Siaha, izay Sihanaka amin'izao io dia nisy an'i Reba, andriana izy io ary lasa mpanjakan'izy ireo. ( Josoa 13 : 21 )
Reba, izay nahatonga ny anaran-tanana hoe Andrebabe ao amin'ny faritra Alaotra ao. Notovonana fotsiny ihany koa ny anaran'ny lehibean'izy ireo mba tsy ho faty ilay anarana nihaviana.
" Ankehitriny dia misy ao amin'io tananan'Andrebabe io ny lehibean'ireo Sihanaka ary Bala masinila no anarany, toka-maso io dadilahy io . Tena misy Andrebabe sy ireo mponina tsy hita maso ao aminy "
Nisy telolahy tamin'izany fotoana araky ny fitantaran'io Bala masinila io fa nahita ny Tsiambaratelon'ny fanjavonana ka nifanaraka izy ireo ny hiara-hanjavona rehefa tonga hanafika ny fahavalo miaraka amin'ny havany. Ny iray tamin'izy ireo anefa niverina fa nisy entana adino ka nampiandry ireto namany. Tamin'izay indrindra no nanatona ny fahavalo ka nisafidy ny hanjavona iretsy farany kanefa dia nitazona ny voady izy ireo fa havany ity mbola taraiky any ity ka rehefa tonga dia raisiny ihany.
Misy lakile ny fidirana ao Andrebabe arak'izany, hazo miendrika tehina izy io ary misy lelan-defona volafotsy ny lohan-kazo roa.
Na afaka miditra any aza ny taranak'ity adino dia misy ny fepetra. Telo izy ireo : asaina mamboly hazo iray izay tsisy fakany ka raha maniry iny dia midika fa tsy hivadika ilay olona, manambady ao, mitazona ny tsiambaratelo.
Ao Andrebabe koa no ahitana ny hazo Bengilata, fanafody mahasitrana ny aretina rehetra misy. Alona rano dia sotroina ary mangidy be ny tsirony, ny fery raha rarahana azy dia maina avy hatrany.
Mampalaza ny faritra misy ny sihanaka ny ambalavelona, teny azo avy amin'ny hoe bala io, ilay andriamanikafa nahatonga ny Siaha sns voaroaka fahiny tany Jerosalema.
Raha jerena ny zavamisy ankehitriny momba ny fanasinana any Alaotra dia mitovy tanteraka amin'ny hita fanaon'ny mpisorona anaty baiboly ny fomba fomba atao, tena fomba levitika : mamono omby, araraka amin'ny zoriny efatry ny doany ny ra, miantso ny Nahary sns...
(... Mbola hitohy)