16/12/2023
Efa niaina ity avokoa ny ankamaroantsika : fianjerana avo be, ny dobodoboky ny fo, ny tahotra ny fitotonana amin'ny tany… Ny manofy mianjera avo dia iraisan'ny olon-drehetra kanefa tsy itovizana ny heviny amin'ny fiainan'ny tsirairay.
Fa inona zany ny tena hevitr'io karazana nofy io ? 🤔
Andao iaraka andihady an'io nofy io ary ijery ny dikany arakaraky ny valiteninao.
Alaivo sary antsaina ny nofinao nienjera avo farany dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto.
1) Taiza ianao mialohan'ilay fianjerana ?
a) Teny ambony rahona ve ?
b) Teo amoron-kady ?
c) Teo ambony tafotrano ?
c) Hafa
2) Inona ny fietsemponao nandritra ilay fianjeranao ?
a)Tebiteby sy tahotra
b)Hafaliana sy fahafahana
c)Mangoritsana sy sadaikatra
d)Hafa
3) Nitontona ve ianao sa taitra mialohan'ny fikasohana tany?
a)Nitontona tamin'ny tany malemilemy
b)Taitra mialohan'ny fotoana fitotonana
c)Mbola tsy tafikasoka tany dia taitra
d)Hafa
Rehefa itanao ny valin'ireo fanontaniana ireo dia toy izao ny fomba andikanao ny valiteny nosafidianao tetsy ambony:
Ny fienjerana : maneho ny fahatahorana zavatra tsy voafehy, tsy fahatokisan-tena, na koa fiovàna tampoka.
Toerana : manambara ny sehatry ny fiainanao ahatsapanao fahalemena
Fietsempo tsapanao : manambara ny toe-ponao tena izy sy ny fomba fandrindranao izany amin'ny andavan'andro.
Fitotonana : manambara ny fahaizanao misedra fotoan-tsarotra sy miharina rehefa tojo olana.
Inona raha izany ny hevitry ny nofinao araka ny valin-teny nosafidiana teo amin'ny fanontaniana tetsy ambony ?
Soraty eo amin'ny commentaire ny hevitr'ilay nofinao👇🏾
✨Tadidio fa tsy misy nofy itovizana ny heviny fa samy manana ny fiainany manokana ny mpanofy.