๐““๐“ฎ๐”€๐”‚ ๐““๐“ป๐“ฎ๐“ช๐“ถ๐“ผ

๐““๐“ฎ๐”€๐”‚ ๐““๐“ป๐“ฎ๐“ช๐“ถ๐“ผ โœจ ๐“ก๐“ธ๐“ผรฉ๐“ฎ ๐“ผ๐“พ๐“ป ๐“ต๐“ช ๐“น๐“ฎ๐“ช๐“พ, ๐“ช๐“ถ๐“ธ๐“พ๐“ป ๐“น๐“ธ๐“พ๐“ป ๐“ฌ๐“ฑ๐“ช๐“บ๐“พ๐“ฎ ๐“น๐“ช๐“ผ ๐Ÿ‘ฃ๐“Ÿ๐“ป๐“ฎ๐“ท๐“ญ๐“ผ ๐“ผ๐“ธ๐“ฒ๐“ท ๐“ญ๐“ฎ ๐“ฝ๐“ธ๐“ฒ ๐“ณ๐“พ๐“ผ๐“บ๐“พโ€™๐“ช๐“พ ๐“ซ๐“ธ๐“พ๐“ฝ ๐“ญ๐“ฎ๐“ผ ๐“น๐“ฒ๐“ฎ๐“ญ๐“ผ๐Ÿฆถ๐Ÿป๐ŸŒน
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ Malagasy ๐•ฑรฉ๐–™๐–Ž๐–ˆ๐–๐–Ž๐–˜๐–™๐–Š๐Ÿซถ๐Ÿป

โฃ๏ธ๐Ÿคญ
22/07/2026

โฃ๏ธ๐Ÿคญ

Tantaraiko zavatra ianareo momba ny tongotro๐Ÿ˜ŠTaminโ€™ny za mbola mpianatry ny lycรฉe,Tsy nahakarakara tongotra izany fa jus...
15/07/2026

Tantaraiko zavatra ianareo momba ny tongotro๐Ÿ˜Š
Taminโ€™ny za mbola mpianatry ny lycรฉe,
Tsy nahakarakara tongotra izany fa juste sasana broussina de otranโ€™izany hatrany hatrany, tsy mbola nandeha salon de pedicure izany taloha, ao antrano ihany no misikotsikotra ny loto misisika rehefa misy fotoana, tsy nahalala anโ€™izany atao hoe lime izany fa coupe ongle dia izay
Fiรจre foana ah taminโ€™ny fahatsorako fa za vehivavy tsopiainana ary betsaka ny zavatra mbola tsy nataoko ( tatoo, piercing, miditra salon, snsโ€ฆ)
Itako tsy nety ihany anefaโ€ฆ
Izao ilay izy, vakivaky be ny tongotro dia miendakendaka be ilay oditra am ratsana tsirairay ( resaka tsy fahampianโ€™ny calcium aminโ€™ny vatana koa mahatonga anโ€™izay), ary tena ratsy jerena be ny tongotro nefa tsy mbola nanana fahafahana ividy tennis izany fa kapakapa eny foana,
Ny tena moa hoe faly fa mianatra anaty fianarana tsara laza sy lafo sarampianarana de izay ihany no zavadehibe tamiko
Nanomboka teo nefa niaina zavatra mbola tsy niainako za, noheveriko anaty horonantsary irery ihany no misy anโ€™izany๐Ÿ˜…
Nisy groupe lehilahy izay iray kilasy tamiko dia ry zareo ireo tena Manao harcรจlement verbale foana miresaka momba ny apparence ako ary indrindra indrindra ny tongotro๐Ÿ˜…, mbola tsy nanana anโ€™izany hery sy saina hoe tsy mirarah izany aho taminโ€™izany na de mampahery tena aza, tena naharary ahy ireo teny natoraka tamiko..
Sakamalao e, ratsy e zao sy zao
Vita moa ny kilasy fahamaranana dia niala tao za ary nanomboka taminโ€™izay lasa tia mikarakara tongotra, ary lasa tiko be ny tongotro, anisanโ€™ny zavatra tianโ€™ny olona ety amiko izy aminโ€™izao ny zavatra naha fiรจre anah ihany koa dia tsy mila faux ongles izany fa dia tsara naturel ilay hoho fa tsy ampy fikarakarana fotsiny teo aloha

Ny tiko atongavana dia izao, mety hoe hoeverinโ€™ny sasany amintsika tsy misy dikany ilay tongotra nefa tena mampitombo ny confiance en soi izy ary tsy misy ratsy izany fa karakaraina sy diovina tsara de mivoka manjakely foana io๐Ÿ˜Š
Ary anisanโ€™ny taratra ivelany hitsaranโ€™ny olona anao aminโ€™ny resaka fahadiovana, ny ahy moa izany iny tombony manokana ilay hoe tsy mila faux ongles fa raha izay no mampamanja anazy de ataovy fa tsy maninona, isika manatsara foana ny zavaboarinโ€™Andriamanitra fa tsy hoe manova akory

Araho ny pejiko fa hizara zavatra mahafinatitra sy astuces afaka ikarakarana tongotra aminareo aho๐Ÿ˜Šโค๏ธ

Address

Antananarivo
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ๐““๐“ฎ๐”€๐”‚ ๐““๐“ป๐“ฎ๐“ช๐“ถ๐“ผ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to ๐““๐“ฎ๐”€๐”‚ ๐““๐“ป๐“ฎ๐“ช๐“ถ๐“ผ:

Shortcuts

Share