18/03/2024
🌍 IREO ZAVA-MISY MOMBAN'NY FIAINANA :
1) Tsy voatery ho ara-drariny foana ny fiainana: matetika isika dia manantena fa ara-drariny foana ny fiainana , fa raha ny marina misy zavatra tsy ara-dalàna bé dia bé eto an-tany , indraindray ianao dia sendra ny zavatra tsy ara-drariny ataon' ny olona anao , fanavakavahana , fanilikilihana , sns ... tsy tokony hahakivy anao izany fa mila manampo izany ianao satria eto an-tany isika fa tsy any am-paradisa.
2) Tsy afaka anao izay hahafaly ny olona rehetra ianao : na inona na inona zavatra tsara ataonao dia misy foana ny olona manakiana sy manenjika anao ary tsy faly aminao, mifantoha @ zavatra mahasoa anao sy mampandroso anao ,fa aza lany andro manahy ny hevitr'olona momba anao .
3) Tsy azo sakanana ny fiovan-javatra eo @ fiainana, fa ny anjaran-tsika dia ny mihezaka manaraka ny onjam-piainana @ trangan-javatra rehetra, mba afahan-tsika mitombo @ lafiny rehetra .
4) Ny tsy fahombiazana dia lalana mitondra ho any @ fahombiazana : maro no miheritreritra fa rehefa tsy mahomby ianao dia resy , kanefa azo atao ny mamadika ny tsy fahombiazana ho tonga fahombiazana rehefa hainao ny maka lesona amin' izany , ary ny tsy fahombiazana dia hanampy anao hitombo ara-trakefa , sy ara-tsaina , rehefa hainao ny mandray azy @ lafin' ny tsara .
5) Ianao no tompon' andraikitra @ fahasambaranao , ianao no tompon'andraikitra @ fahombiazanao , aza miandry na iza na iza , aza manantena na iza na iza , fa ianao no tompon'andraikitra @ fiainanao sy ny fahasambaranao .
6) Misy fetrany ny fotoana : manampetra ny fotoana ka tsy fantatrao ny fotoana sisa hanananao , aza mandanilany fotoana @ zava-poana , fa lanio @ zavatra mahasoa sy mampandroso ny fiainanao ny fotoananao , ataovy izay hampisy lanjany ny fotoananao eto an-tany @ fanatratraranao tanjona lehibe.
7) Tsy ny olona rehetra dia tianao avokoa : tsy azo hinoana fa ny olona rehetra mahafantatra anao dia ho tianao avokoa , tsy misy izany . Miaraha miasa @ olona tianao sy hafaka hanampy anao , fa aza miara miasa @ olona hamingana anao sy manohitra anao .
8) Tsy afaka mifehy ny zavatra rehetra ianao , fa misy foana ny sampona , na dia efa nihezaka mafy aza ianao misy foana ny zavatra tsy hampozinao eo @ fiainana . Ekeo izany fahamarinana izany dia hihena ny adin-tsainao sy ny fanahianao .
9) Karakarao tsara aloa ny tenanao mialohan'ny zavatra rehetra : Karakarao tsara ny vatanao , ny fahasalamanao , ny lafiny ara-tsaina, sy ny fiainam-pitiavanao , ataovy laharam-pahamehana ny fikarakarana ny fiainanao dia ho hainao ny hikarakara ny hafa.
10) Ankafizo eny am-pandehanana ny fiainana , aza miandry efa nahatratra ny tanjona vao mifaly sy mankafia ny fiainana , fa mitomboha eny am-pandehanana , ankafizo am-pifaliana ireo dingana vitanao @ fanatratraranao ny tanjonao, fa aza miandry efa tafita vao mifaly , satria ny fiainana tsy " destination" fa " voyage" .
✍️ Mahomby @ lafiny rehetra