Rah- Mia Tsena

Rah- Mia Tsena Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Rah- Mia Tsena, Business Center, Antananarivo.

🌼PROMOTION ROBE 🌼 SEULEMENT 10.000 ARIARYLIVRAISON SANS RETOUR PARTOUT À MADAGASCAR
04/12/2024

🌼PROMOTION ROBE 🌼
SEULEMENT 10.000 ARIARY
LIVRAISON SANS RETOUR PARTOUT À MADAGASCAR

21/03/2024
Vadin'asa 15 afaka ataonao hampitomboanao ny fidiram-bolanao. 1. Manao '' coiffure à domicile '' Raha manana fitaovana i...
19/03/2024

Vadin'asa 15 afaka ataonao hampitomboanao ny fidiram-bolanao.

1. Manao '' coiffure à domicile ''
Raha manana fitaovana ianao dia afaka manantona olona any an-trano manamboatra volo. Azo atao koa na mandrandrana fotsiny.

2. Manao m**o na jus.
Raha mahay manao m**o sy jus dia manamboatra izany ao an-trano dia manatitra any amin'ny épicerie avy eo.

3. Miompy kisoa na akoho.
Izay mety kokoa aminao fa ny fiompiana dia azo atao tsara. Mety 800 000 ar ny ampiasainao fa lasa x 4 iny afaka 5 na 6 volana.

4. Mamadika efitrano fihetezana volo.
Raha toa ka mipetraka tsy lavitra lalana ianao dia afaka atokana atao fihetezana ny efitrano iray dia asiana affiche fotsiny ao ivelany.

5. Manamboatra c**a pigeons.
Raha mahay c**a pigeons dia manamboatra dia atao anaty sachet dia avy eo mampamarotra olona ( olona tsotra, épicerie sns... )

6. Manao vente en ligne
Mitady toerana fakàna entana mba moramora any ivelany any dia avy eo averina amidy ato amin'ny Facebook. Na manokatra page na compte tsotra na mampiasa marketplace

7. Mivarotra pattes sy m**om**o isan-kariva.
Raha tsy lavitra ny fipetrahanao dia afaka manamboatra latabatra kely eo an-tokotany ianao isan-kariva dia mivarotra composé, nem , sambosy sns..

8. Manjaitra
Raha manana lamasinina fanjairana sy mahay manjaitra dia manao affiche ivelany ao hoe manjaitra mba amin'izay mampidi-bola kely rehefa mijanona ao an-trano.

9. Mampanamboatra tee-shirt personnalisé.
15 000 ar dia ahavitana tee-shirt personnalisé dia mamarotra izany amin'ny vidiny 20 000 ar na 25 000 ar avy eo fa atao tsara fotsiny.

10. Mamarotra fripy ( lohan-damba )
Amin'ny antoandro miasa na mivoaka iny mijery ireny lohan-damba ireny dia averina amidy eny akaikinareo eny.

11. Manao revendeur en ligne
Raha mahita olona efa mpanao vente en ligne ianao dia afaka miresaka aminy dia mahazo prix ambany dia mivarotra amin'ny prix Normal avy eo.
12. Manao affiliation amin'ny Facebook.
Izany hoe tsy miala vola ianao fa mamarotra zavatr'olona. Mitady client fa efa misy Contrat nifanarahana mba hahatonga anao hahazo commission.

13. Mampanao cour en ligne.
Mampianatra ny zavatra mba hainao en ligne mba hanampy ny hafa. Ohatra mampianatra mahandro, mampianatra mitendry guitare, mampianatra langue, mampianatra maka sary sns...

14. Mamorona groupe de danse.
Miresaka amina olona manana salle de sport ianao dia asianao zumba isakin'ny maraina miaraka amin'ny hira mampa-motivé dia asiana sarany ny fidirana membre. Sady manao fanatanjahatena no mampidi-bola

15. Mamorona blog
Mitady sujet iray tianao sy mahaliana ny hafa ianao dia mamorona page dia avy eo mizara contenus ao dia afaka mampidi-bola rehefa betsaka ny mpanaraka anao.

Izay ny vadin'asa 15 afaka ataonao fa zarazarao fa mety misy olona tena mila azy any.

ASTUCE⚛📢 Raikitra  ndray ny fizarana ▪Te hana lava volo ve ianao .inty ny hevitra tsotra no haingam-piasa🎄Zavatra ilaina...
18/03/2024

ASTUCE⚛

📢 Raikitra ndray ny fizarana
▪Te hana lava volo ve ianao .inty ny hevitra tsotra no haingam-piasa

🎄Zavatra ilaina

🎀Tongolo oingon 2 a 3
🎀Rano atsasakiny litre(1/2)

🎄Fikarakarana azy

🎁Apangotrahana ny rano 1/2L ary atao ao ny tongolo oingon ary apangotrahana 10min avy eo dia atao mangatsika .

🎄Fomba fapiasana azy.
▪Volo avy sasaina savon nosy . Alohany anasana shampoing azy dia alona amininy rano tongolo oingon alo ary alona 10min alohany hamaranana ny fanasana azy. Mirary soa Tompoko ô👍👍

Ireo dingana arahana momba ny vola..Mizara telo ilay dingana tokony harahinao momba ny vola.Araho tsara ary fa hazavaiko...
18/03/2024

Ireo dingana arahana momba ny vola..

Mizara telo ilay dingana tokony harahinao momba ny vola.Araho tsara ary fa hazavaiko tsirairay izy ireo.

Dingana 1: Tsy maintsy miasa aloha ianao. Eto dia mampiasa ny fotoanao,ny herinao,ny fahalalanao mba hahazoanao vola. Izy ity dia tsy natao hijanonana ela raha te hanakarena ianao fa mila mametraka tanjona tanjona ianao dia manangona dia avy eo mamorona ny asanao manokana amin'izay.

Dingana 2:Mila mahay mitantanam-bola. Eto no sarotra indrindra satria raha tsy mahay mitantambola ianao dia vetivety dia ho lany amin'ny zavatra tsisy dikany ny volanao.Alohany hamoaka vola dia mametraha fanontaniana hoe tena ilaiko ve ity zavatra ity? Hazavaitsika be be kokoa moa io fomba fitantanam-bola io amin'ny formation rahampitso fa manasa anao hiditra mp hisoratra anarana haingana.

Dingana 3: Mila Mampiasa vola. Tadidio fa ny fampiasana vola ihany no hampitombo ny volanao, io ihany no fanalahidiny fananankarena ,tsisy olona hanankarena amin'ny fanaovana tahiry izany mihitsy.
MAHOMBIAZA

🔴🔴TOROHEVITRA MAHOMBY HANADIOVANA KIRARO FOTSY🔴🔴Anisan’ireo zavatra sarotra diovina tokoa ny kiraro fotsy. Raha sendra m...
18/03/2024

🔴🔴TOROHEVITRA MAHOMBY HANADIOVANA KIRARO FOTSY🔴🔴

Anisan’ireo zavatra sarotra diovina tokoa ny kiraro fotsy. Raha sendra maloto be tratry ny vovoka na fotaka izy ireny matetika dia tsy miverina fotsy tsara intsony rehefa avy sasana. Atoro eto ary ny torohevitra mahomby hanadiovana ny kiraro lamba fotsy mba hikolokoloana ny lokony tsy ho mora tandalerina.

⏩ FANADIOVANA KIRARO FOTSY AMIN'NY KARIBONETRA

Anisan’ireo vokatra mandaitra indrindra amin’ny fanadiovana kiraro fotsy ny karibonetra. Ity farany moa dia akora fampiasa matetika amin’ny fanadiovana, fanesorana tasy sy famonoana fofona amin’ny fitaovana isan-karazany ao an-trano. Antony iray mahatsara azy ity dia izy azo hanadiovana kiraro fotsy vita amin’ny lamba, hoditra na « daim ».
🍀Tsotra ny fampiasana azy. Lemana ny borosy nify dia rarahana karibonetra. Kosehana amin’izay ny faritra tiana diovina rehetra amin’ilay kiraro fotsy. Atao manao boribory ny fomba fikosehana ny tasy na ny loto. Rehefa vita dia kobanina ary avela ho maina amin’ny rivotra eo amin’ny toerana tsy azon’ny masoandro.

⏩ DIOVINA AMIN'NY VINAIGITRA FOTSY NY KIRARO FOTSY

Vokatra fanadiovana natoraly ary tsy mandany vola ny vinaigitra fotsy. Toy ny karibonetra dia fampiasa matetika amin’ny fanadiovana fitaovana maro ao an-trano ihany koa izy io. Mandaitra tsara amin’ny fanadiovana kiraro fotsy ny vinaigitra fotsy. Ireo karazana kiraro vita amin’ny lamba moa no tena tsara diovina aminy. Manampy betsaka amin’ny fanesorana ireo tasy sarotra miala ary mampivoaka tsara ny loko fotsin’ilay lamba izy io.

🍀Mikasika ny fampiasana azy : rarahana vinaigitra fotsy ao anaty koveta misy rano. Avela hilona ao mandritra ny 15 minitra eo ho eo ilay kiraro fotsy. Aorian’izay dia kosehana amin’ny borosin-damba ilay kiraro mba hampiala ireo loto sy tasy. Kobanina amin’ny rano madio ary somary kosehana amin’ny « éponge ».

Izay dia miverina vaovao indray ny kiraronao vasoka teo 😊🥰

⭕️FANAFODY VAVONY NATORALY TENA MAHOMBYResaka FAHASALAMANA OMaro ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe no mitondra fai...
18/03/2024

⭕️FANAFODY VAVONY NATORALY TENA MAHOMBY
Resaka FAHASALAMANA O
Maro ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe no mitondra faisana noho io aretim-bavony io. Ito misy fomba tsotra sady mahoby raha sendra an'izany ianao.

🔴ZAVATRA ILAINA
✅Voatabia Masaka Tsara 2.
✅Siramamy Fotsy na Mena.

🔴FOMBA FIKARAKARANA AZY
-Mixena amin'ny robot fanaovana jus natoraly ireny ireo voatabia 2. Ka tapohina siramamy fotsy 3 sotro fihinana. Rehefa vita izay, dia tsy maintsy tatavanina izay vao azo ampiasaina.

🔴FOMBA FAMPIASANA AZY
-Sotroina 1 vera fotsiny isaky ny maraina be mbola tsy nisakafo iny.

🔴FAHARETAN'NY FITSABOANA
-Mandritra ny 5 andro misesy fotsiny dia sitrana tanteraka ny aretim-bavony izay nampijaly anao teo.

🔴FANAMARIHANA
-Mazava ho azy fa tsy maintsy ampiasaina indray mandeha ihany ny fanafody natoraly izay namboarina voalohany. Ka rehefa hampiasa dia tsy maintsy manao vaovao hatrany fa tsy tehirizina

🔴TSARA HO FANTATRA
-Rehefa marary vavony tsy tokony hihinana sakafo mavesatra toy ny : voamaina, atody, ary ravitoto sns...Mazotoa misotro rano betsaka hatrany.

👉Mba ho fanampianao ireo namanao aza adino ny MIZARA izao torohevitra mahasoa izao.

🍅🔰1- SIMBA NY VAVONINAO raha tsy misakafo maraina ianao(ny atao hoe sakafo maraina dia hoanina eo amin'ny 4ora -9ora mar...
18/03/2024

🍅🔰1- SIMBA NY VAVONINAO raha tsy misakafo maraina ianao(ny atao hoe sakafo maraina dia hoanina eo amin'ny 4ora -9ora maraina) 🥺

🍅🔰2- SIMBA NY VOA-anao raha tsy misotro rano 10kaopy anatin'ny 24ora ianao.🫣

🍅🔰3- SIMBA NY AFERO-nao raha toa tsy matory alohan'ny 11ora alina ianao ary koa raha tsy mifoha ianao rehefa miposaka ny masoandro. 😶

🍅🔰4- SIMBA NY TSINAIKELINAO raha mihinana sakafo mangatsiaka sy lany daty ianao.🫠

🍅🔰5- SIMBA NY TSINAIBE anao raha mihinana sakafo voaendy lava sy masiaka ianao.😮

🍅🔰6- SIMBA NY AVOKAVOKAO rehefa mifoka sigara/rongony na ampidiranao setroka sy rivotra maloto ny vavanao.🥴

🍅🔰7- SIMBA NY ATINAO raha mihinana sakafo be menaka sy voaendy foana ianao indrindra ny alina ary simba koa izy raha isotroanao ALKAOLA.🤒

🍅🔰8- SIMBA NY FONAO raha mihinana sakafo be sira foana ianao na matavy.🤕

🍅🔰9- SIMBA NY SARAKATINAO raha mihinana sakafo misy siramamy lava ianao ary manimba ny lalandranao izany.😷

🍅🔰10- SIMBA NY MASONAO raha hijerenao ECRAN téléphone sy ordinateur anaty haizina lava.😮‍💨

🍅🔰11- SIMBA NY SAINA raha ieretreretanao zavatra NEGATIVE foana 😑

Tandremo ny vatanao ary aza simbaina izy fa io ihany no toerana tokana ho anao ahafanao mivelona🫤🌺🌺🌺🌺🌺🌺🌺🌺🌺

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rah- Mia Tsena posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share