Mi'ArtVola

Mi'ArtVola SHOPPING EN LIGNE

ASTUCES/CONSEILS /ÉCHANGE D'IDÉES

💥 Astuces tsotra ahafahanao mikarakara ny cocotte minute anao mba tsy ho mora simba sy hateza. 1. Diovy isaky ny mampias...
17/11/2025

💥 Astuces tsotra ahafahanao mikarakara ny cocotte minute anao mba tsy ho mora simba sy hateza.

1. Diovy isaky ny mampiasa

Rehefa vita mahandro dia sasao avy hatrany amin’ny rano mafana sy savon.

Aza mampiasa paille fer fa manimba ny surface anatiny(Kika).

Raha misy takotra may dia atsobohy 10–20 min ao anaty rano mafana misy savon aloha.

2. Diovy sy jereo foana ny joint (anneau en caoutchouc)

Esory ilay anneau (joint) dia sasao tsotra.

3. Tazomy madio ny valve de sécurité

Ity no fofon’aina an’ny cocotte-minute.

Rehefa avy namorona dia tifiro na sasao anaty rano mafana ny lavaka kely amin’ny valve.

Raha potika na tsy mikatona tsara → soloina avy hatrany.

4. Aza mamela azy hilona rano mandritra ny alina

Raha avela ao anaty rano mandritra ny alina dia mety hisy kila sy harafesina ny vatany.

5. Aza atao mitohana entana be loatra

Fenoy 2/3 fotsiny fa tsy feno manontolo.

Raha ovy, vary be, tsaramaso → miakatra be ny pressure ka mety hanimba ny valve

6. Mety tsara ny mamerina mijery ny visy sy sisiny

Indraindray mivaha ny visy amin’ny sarony.

Henjana malefaka (tsy henjana be) indraindray.

7. Fomba hanesorana harafesina malefaka (inox / aluminium)

Afangaro : vinaingitra + rano mafana + bicarbonate dia andrahoina 5 min.

8. Avy nandrahoina mafana be dia aza atsofoka anaty rano mangatsiaka.

Mety hampivakivaky ny cocotte na hanimba ny fond.

9. Tehirizo amin'ny toerana maina sy tsy misy hamandoana

Apetraho miaraka amin’ny sarony tsy voahidy tsara, mba hifoka rivotra ao anatiny.

10. Fanadiovana lalina 1 isam-bolana

Atao 1 volana indray mandeha:

Fenoy rano 1/2

Asio vinaingitra 2 sotro

Andrahoy 10 min mba hanadio ny fantsona sy ny valve rehetra.

Araho tsy tapaka ny pejy fa marobe ny toro hevitra hifampizatantsika eto😍



Address

Boulevard De L'Europe
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 05:00 - 20:00
Tuesday 05:00 - 20:00
Wednesday 05:00 - 20:00
Thursday 05:00 - 20:00
Friday 05:00 - 20:00
Saturday 05:00 - 20:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mi'ArtVola posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share