DEFI Malagasy Mandroso

DEFI Malagasy Mandroso Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DEFI Malagasy Mandroso, Anosibe Antananarivo, Antananarivo.

‎💼 DEFI Malagasy Mandroso
‎🚀 Fikambanana manandratra ny malagasy amin’ny alalan’ny asatena sy fandraharahana

‎📈 Manome fiofanana, tantsoroka ary vahaolana maharitra ho fampiroboroboana ny famokarana📩

‎Makà ovy 1kg dia andrahoy aloha ho masaka, dia ampio menaka kely iray sotro fihinana fotsiny fa hampatavy rapida ny kis...
29/05/2026

‎Makà ovy 1kg dia andrahoy aloha ho masaka, dia ampio menaka kely iray sotro fihinana fotsiny fa hampatavy rapida ny kisoanao

1. ‎Izy mbola mafana iny dia poteho ny ovy ary afangaroy ny menaka

1. ‎Omena ny kisoa eny anelanelan'ny sakafo maraina sy hariva

3. ‎Kisoa efa hatavezina no tena omena azy ary hanatavezana kisoa malaky be no antony

4. ‎Ny fikambanan'ireo akora roa ireo dia hanatsara ny fandevonan-kanin'ny kisoa ka hahazoanao vokatra rapida

‎5. Aza adino ny manao traitement ara-dalana sy rano madio tsy tapaka ary ny sakafo maraina sy hariva ampy, fa raha mandeha tsara irery teknika magic ity omenay anao ity

‎📌Fa ity misy vaovao vao mafana be ho antsika eto Antsirabe, hanolotra fiofanana tokana MAIMAIMPOANA, oui tena tsy misy saram-piofanana, ho anareo momba ny FIOMPIANA BE TOMBONY izahay

‎ASABOTSY 06 JONA 2026 NY FOTOANA
‎▪️Ety amin'ny École Voatsinampy, akaikin'ny Essva Vatofotsy
‎▪️Fidirana: Amin'ny 08:30
‎▪️Telefaona 📞034 50 067 89

‎MISORATA ANARANA EO AMIN'NY KAOMANTERA RAHA LIANA IANAO

‎DEFI Malagasy Mandrososo

‎Ity teknika iray ity dia tsy ampoizinao fa afaka hamokaranao holatra tsy tapaka, hahazoana tombony Ar1 000 000/volana‎1...
28/05/2026

‎Ity teknika iray ity dia tsy ampoizinao fa afaka hamokaranao holatra tsy tapaka, hahazoana tombony Ar1 000 000/volana

1. ‎Avela ho maina ny taho-pary, na ilay efa faikany avy nanalana ranony na jus iny, na ilay avy nohanina fotsiny

2. ‎Rehefa maina tsara izy dia tetehina hadinidinika, vontosana apombo aveo mba hitondra otrikaina ambony ka hampaniry malaky ny holatra, ary hafatratra hakao anaty gaine sahabo eo amin'ny 40cm eo ny halavany

3. ‎Atao ny pasteurisation aorian'izay. Izany hoe andrahoina ambony rano mandritran'ny adin'ny telo mba hamono ny otrikaretina rehetra aminazy, fa ampiana talatalana na andrahoina amin'ny hevoka raha tsorina, mandritra ny adin'ny telo

‎4. Avela hangatsiaka izy aveo ary sokafana dia fafazana mycélium avy ao amin'ilay vavany roa ka averina afatotra indray fa soloina fotsiny ilay vovoa efa lena teo aloha

‎5. Tsy atao azon'ny ny rivotra be na masoandro ny fambolena azy, ary mari-pàna 18 - 28°C no tena mety aminy.

‎📌Afaka 2 na 3 erinandro dia feno fotsifotsy tanteraka ilay sachet ka sokafana amin'izay. Tondratondrahana kely isan'andro amin'ny spray dia eo amin'izay no hanesy haniry ny holatranao dia iny ny vola🫵

‎MISY DINGANA TELO NY FAMOKARANA HOLATRA:
‎---------------------------------------
‎- Famokarana masomboly
‎- Fanamboarana sesika na ny Substrat
‎- Ary ny fambolena, hahafahanao mamokatra mandavan-taona

‎📌Ireo rehetra ireo anefa dia miankina amin'ny teknika avokoa, ary raha misy mpampiofana kanefa tsy manome ny tena Secret dia mahatonga ny mpamokatra tsy hahita vokatra ambony

‎➡️Ny Alatsinainy 22 Jona 2026 izao ny fotoanantsika àry, ety amin'ny Tranombarotra LIDA Anosibe, amin'ny 08:30 maraina

‎HANOMEZANAY ANAO NY TEKNIKA REHETRA TSY OMEN'NY OLONA ANAO MIHITSY HATRAMIN'IZAY (G0 - G1 - G2 - G3 ary G4)

_ DEFI Malagasy Mandroso

‎Tsindrio tanana ny akohovavinao, ataovy toy ireny paoziny hanaraka ireny dia hasalisalio eo akaikin'ny akoholahy‎1. ‎Va...
27/05/2026

‎Tsindrio tanana ny akohovavinao, ataovy toy ireny paoziny hanaraka ireny dia hasalisalio eo akaikin'ny akoholahy

1. ‎Vao hitan'ny akoholahy iny dia hiarahany avy hatrany

2. ‎Ny fiarahan'ny lahy amin'io vavy io dia hanaitaitra ny akohovavinao ka hanafaingana be ny fanatodizany aorian'izay

3. ‎Ataovy matetika aloha mandram-pahanatodiny. Ataovy ampy tsara ny sakafo sy ny fikarakarana miaraka amin'izay, dia ho hitanao fa erinandro ihany dia hanatody ny akohonao

‎4. Enim-bolana eo ho eo moa ny vavy no tokony hanatody, fa feno 5 volana kosa izy dia tokony efa ampiarahanao lahiny

‎📌 MANOMBOKA AMIN'NY ALATSINAINY IZAO ILA FIOFANANA FIOMPIANA ETO ANTANANARIVO
‎-------------------------------------------------
‎▪️Akoho gasy 10 + taona 1 = 1 000
‎▪️Tsiambaratelon'ny fampiterahana sy fanatavezana kisoa, zéro tsaikany
‎▪️Taham-panatodizana hatramin'ny 98%
‎▪️Teknika fanatavezana akoho malaky
‎▪️Ary fialana amin'ny fandaniana be

‎FOTOANA IZAO, ANDAO HANOVA NY FAMOKARANA ISIKA

‎_ DEFI Malagasy Mandroso

Firy isan-jatonareo mpanaraka ny Pejy eto no renim-pianakaviana? Tianareo ve raha ho tohananay ny ezaka ataonareo?‎1. ‎H...
26/05/2026

Firy isan-jatonareo mpanaraka ny Pejy eto no renim-pianakaviana? Tianareo ve raha ho tohananay ny ezaka ataonareo?

1. ‎Ho toloranay fiofanana maimaimpoana marobe hianareo ny Zoma izao, ho fankalazana ny Fetin'ny Reny

2. ‎Omenay fihenam-bidy 55% hianareo renim-pianakaviana amin'ny fiofanana fanamboarana Savony, ny Alakamisy izao, ka Ar15 000 sisa ny fandraisananjaranareo

3. ‎Hisy surprise manokana homaninay ho anareo ny zoma io:
‎----------------------------------------
▪️Hahafahanao manangana asatena
‎▪️Mampiakatra fidiram-bola avy hatrany
‎▪️Ary teknika ilaina ao an-tokantrano

‎📌Toerana: Ety amin'ny Tranombarotra LIDA Anosibe, amin'ny 08:30 maraina

4. Tsy hisy famerenana ity noho izany mandram-pahatafavoahanareo tsara, ka entano ilay namanao iny maman a😊

‎MPIKARAKARA/
DEFI Malagasy Mandroso - LIDA Anosibe

Alaivo ny akondro iray, ampio tantely iray sotro ary hafangaroy amin'ny rano mafana iray vera dia ho hitanao fa hanala a...
25/05/2026

Alaivo ny akondro iray, ampio tantely iray sotro ary hafangaroy amin'ny rano mafana iray vera dia ho hitanao fa hanala avy hatrany ny havizanana sy ny makafoka ny fihinanana azy

‎▪️Hamaino ny hoditr'akondro dia dory rehefa maina, angony ny lavenona aveo fa tena zezika tsara tarehy ho an'ny fambolenao na ny voninkazo ny fampiasana azy

‎Alaivo ny hoditr'akondro vaovao tsara, hosory amin'ny vatana na tarehy dia kobany amin'ny rano matimaty afaka 15minitra... Ho hitanao fa halandina sy hadio ny hoditrao misy tasitasy na main'ny masoandry avy nitsangatsangana androany io🫵

‎📌Azo hambolena holatra tsara ihany koa ny vatan'akondro ho anao te hanangana fidiram-bola lehibe sy maharitra, ankoatr'ireo potipotika fako famokarana mahazatra

‎▪️NY ALAROBIA IZAO NY FOTOANANTSIKA, HO AN'NY FIOFANANA FAMBOLENA HOLATRA
‎--------------------------------
‎- Toerana: LIDA Anosibe
‎- Fidirana: 08:30 - tontolo andro
‎- Manomboka G0 ka hatramin'ny G4
‎- Ary misy ny pratika manokana
‎- Fisoratana anarana:

‎HO ANAO VAOVAO, NA EFA NANAO TANY HOANY FA TSY AFA-PO... TANDREMO DISO LALANA!

‎_ DEFI Malagasy Mandroso

‎Ampio karibônetra kely ny rano hamolosanao akoho amam-borona dia ho itanao fa iray minitra sy valo dia hadio tanteraka‎...
24/05/2026

‎Ampio karibônetra kely ny rano hamolosanao akoho amam-borona dia ho itanao fa iray minitra sy valo dia hadio tanteraka

‎Hosory karibônetra kely manify ny hena mialohan'ny hampidiranao azy anaty vata fampangatsiahana, dia sasàna madio tsara ny ampitso mialohan'ny handrahoana azy fa mora halemy ny hena

‎Raraho karibônetra ny faritra maloto na may amin'ny vilany na lapoaly, dia ampio rano kely fotsiny mandifotra ny vidivilany na lapoaly iny dia ampangotraho ambony afo... Ho hitanao fa hiala hoazy ny loto rehefa diovinao kely fotsiny izy aveo

‎📌Ireto torohevitra vitsivitsy ireo, dia hanampy be anao amin'izao vanim-potoan'ny fety izao🫵
‎------------------------------------
‎Fa nanoma ilay fanomezana lehibe ho anareo renim-pianakaviana izahay efa ao ve ianao?

‎ARAHO NY PEJY FA ETO NO HAHITANAO HEVITRA MAHASOA MAROBE

‎DEFI Malagasy Mandrososo

Tandremo, fa tsy maintsy ny kisoa vavy no manatona rehefa hampanaraka fa tsy ny lahy, raha tena hikendry izany zanakisoa...
23/05/2026

Tandremo, fa tsy maintsy ny kisoa vavy no manatona rehefa hampanaraka fa tsy ny lahy, raha tena hikendry izany zanakisoa maro izany ianao

1. ‎Ny kisoalahy amin'izay fotoana izay tokony roa na iray andro tsy nanaraka aloha

2. ‎Tokony efa nakarina noho ny mahazatra ihany koa ny sakafony miaraka amin'izay

3. ‎Rehefa vita tsara ny fampanarahana dia havoaka avy hatrany ny kisoa vavy ka avela hakaina tsara mandram-piverin'ny fampanarahana fanindroany indray

‎4. Ary rehefa vita ny fampanarahana dia tsy hoentina hody avy hatrany ny kisoa vavy fa avela hakana kely eo amin'ny 15min eo ka rehefa mahazo aina tsara vao hoentina milamina mody

5. ‎Farany, dia ny kisoa vao avy nampanarahana dia mila zaraina in-3 isan'andro ny sakafo mba tsy hibontsina loatra ny kibo ka ho vitsy ny zanaka

‎MIRARY SOA HATRANY TOMPOKO🙏
‎_Malagasy Mandroso📞034 50 067 89

‎Mitady biby fiompy ho vidiana ve ianao? Sokafy ny kaomantera fa mpiompy matihanina maro no handefa vokatra miavaka ao⬇️...
22/05/2026

‎Mitady biby fiompy ho vidiana ve ianao? Sokafy ny kaomantera fa mpiompy matihanina maro no handefa vokatra miavaka ao⬇️

‎ANDAO IARA-HIENTANA ISIKA - TSENABE ISAKY NY ZOMA - MIFANDRAISA!

‎📍Alefao eo amin'ny kaomantera avokoa, ary eto amin'ny Facebook ihany dia tadiavo anaty fotoana fohy izay tadiavinao rehetra🫵

‎MPIKARAKARA/
DEFI Malagasy Mandroso - LIDA Anosibe

21/05/2026

Fantatrao ve?fa ny vorontsiloza dia mahavita mikotrika mandritra ny telo taona raha voafehy?⬇️

Angony daholo aloha ny taikisoanao rehetra ao anaty tranony, dia ataovy eo amin'ny zoron-trano avokoa ary lemo rano kely...
20/05/2026

Angony daholo aloha ny taikisoanao rehetra ao anaty tranony, dia ataovy eo amin'ny zoron-trano avokoa ary lemo rano kely manodidina azy

‎Dia ho hitanao fa tsy hanao maloto hafa tsy eo amin'io toerana io ny kisoanao ary hijanona ho maina tanteraka ny faritra hafa fa hiteraka ny kisoa tsy hitombo raha amin'izao andro mangatsiaka izao kanefa mbola mando lava ihany ny fatoriany

‎Raha manao maloto amin'ny faritra hafa moa izy mandritra ny iray na roa andro eo dia diovy foana fotsiny mba tsy hanaovany lalankitakisoa

‎Vokany dia hazoto homana kokoa ny kisoa rehefa milamina ny tranony, hiena ny aretina sy ny kankana, ianao ho afa-pahasahiranana...

‎📌Fa tsara indrindra anefa raha mahavita mampiasa Pipette ianao satria tena madio lalan-dava ny rano ary maina foana ny trano
‎---------------------------------
‎Ety amin'ny Tranombarotra LIDA Anosibe no ahitanao izany. Jereo kely ange ny kaomantera e, fa efa fotoanan'ny fivoarana izao ka veloma hatreto ny fahasahiranana lava

‎_ DEFI Malagasy Mandroso

Address

Anosibe Antananarivo
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DEFI Malagasy Mandroso posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share