26/03/2025
📢 Ny Fiantohana Fahasalamana ao Koperativa : Fiadanana ho an’ny Rehetra ! 🏥🤝
🔵 Nahoana no Mila Fiantohana Fahasalamana ?
Ny aretina sy ny loza dia mety hitranga amin’iza na iza, amin’ny fotoana rehetra ! Amin’ny alalan’ny fiantohana fahasalamana, ny mpikambana rehetra dia mandray anjara amin’ny alalan’ny fandraisana anjara (cotisation) mba hahafahana miaro sy manamaivana ny fandaniana ara-pitsaboana rehefa ilaina.
💰 1. Fandraisana Anjara Kely, Fiantohana Goavana
Samy mandoa vola kely isam-bolana ny mpikambana, ary amin’ny fotoana ilana izany dia afaka mahazo fanampiana amin’ny fandoavana ny fitsaboana, fanafody, na hopitaly.
👨⚕️ 2. Fidirana Mora Amin’ny Fitsaboana
Tsy voatery hiandry vola be vao ho afaka mitsabo tena. Miaraka amin’ny fiantohana, ny mpikambana dia afaka maka fitsaboana haingana sy tsara kokoa, ka mampihena ny loza ateraky ny aretina.
🤝 3. Rafitra Miorina amin’ny Firaisankina
Ny tsirairay dia mandray anjara, ary rehefa misy sahirana dia afaka misitraka izany. Izay no atao hoe fihavanana : miaraka, isika dia afaka miatrika ny zava-tsarotra !
🚀 4. Fahasalaman’ny Mpikambana = Fampandrosoana ny Fiaraha-Miasa
Rehefa salama tsara ny mpikambana, dia mahavita asa tsara kokoa. Midika izany fa vitsy ny fotoana tsy ahafahana miasa noho ny aretina, ary mivelatra tsara ny asa sy ny fidiram-bola.
📢 Andao hiara-hiasa sy hiaro ny fahasalamantsika !
Ny fandraisana anjara amin’ny fiantohana dia fampiasam-bola amin’ny ho avintsika sy amin’ny fahasalamantsika. 💪🏽✨
------
📢 Santé Mutuelle au Sein de la Coopérative : Une Sécurité pour Tous ! 🏥🤝
🔵 Pourquoi Mettre en Place un Système de Santé Mutuelle ?
Un accident, une maladie… personne n’est à l’abri ! Avec la santé mutuelle, les membres de la coopérative cotisent ensemble pour réduire les frais médicaux et garantir l’accès aux soins en cas de besoin.
💰 1. Cotisation Faible, Sécurité Grande
Chaque membre verse une somme abordable chaque mois. En retour, il bénéficie d’un remboursement partiel ou total des soins médicaux (consultations, médicaments, hospitalisation).
👨⚕️ 2. Accès Facilité aux Soins
Grâce au fonds mutuel, les membres peuvent se soigner plus vite et mieux, sans attendre d’avoir l’argent nécessaire. Moins de soucis, plus de sérénité !
🤝 3. Un Système Basé sur la Solidarité
Tout le monde contribue, et chacun en bénéficie quand il en a besoin. C’est la force de la coopération : ensemble, nous sommes plus forts face aux imprévus !
🚀 4. Plus de Stabilité pour Nos Activités
Un membre en bonne santé, c’est une coopérative plus performante ! Moins d’absences dues à la maladie, plus d’efficacité dans le travail, et donc plus de revenus pour tous.
📢 Rejoignez-nous et protégeons notre avenir ensemble !
Accepter la cotisation, c’est investir dans notre santé et notre avenir. 💪🏽✨
́
́rative