Rossana Fleurys

Rossana Fleurys Chef D'entreprise, Coach/Mentor "J'accompagne les femmes bloquées mentalement et emotionnellement à s'épanouir dans leur business et leur vie."

0340351235 _ 0330689002

En mode "manao garde" aty am hopital d mba misary gaigy koa Indraindray mitaingina an tony ballon de gym accouchement to...
26/08/2026

En mode "manao garde" aty am hopital d mba misary gaigy koa Indraindray mitaingina an tony ballon de gym accouchement tony.😂😂
♥️ Atao foana zay mampifaly n'aiza n'aiza aleha. Bonne soirée daholo. 😘😍🥰

TAPITRA NY VAGUE VOALOHANY AMIN’NY PROGRAMME TRANSFORMATION 7! Feno fankasitrahana aho milaza fa vita soa aman-tsara ny ...
26/08/2026

TAPITRA NY VAGUE VOALOHANY AMIN’NY PROGRAMME TRANSFORMATION 7!
Feno fankasitrahana aho milaza fa vita soa aman-tsara ny andiany voalohany tamin’ny TRANSFORMATION 7. ❤️
Olona 153 no nandray anjara tamin’ity programme ity, ary maro tamin’izy ireo no nizara fa nahafa-po azy ireo ny programme ary nahazo zavatra tena ilaina ho an’ny fiainany sy ny fivoarany. 🙏

Ny tanjona tao anatin’ity programme ity dia ny hanampy ny tsirairay:
✨ hahafantatra bebe kokoa ny tenany
✨ hanova fomba fisainana izay manakana azy
✨ hiala amin’ny zavatra mampijanona azy
✨ hanana fahatokisana bebe kokoa
✨ ary indrindra, hanomboka hanao dingana tena izy mankany amin’ny fiovana.
Ary satria mbola maro ireo olona tsy mbola afaka nanaraka ny andiany voalohany, dia tsy hijanona eto isika! 🔥

MISOKATRA INDRAY NY TRANSFORMATION 7!
Ho an’ireo mbola tsy afaka nandray anjara, dia hanomboka ny 3 SEPTEMBRE ny andiany vaovao.
👉 7 andro.
👉 dingana 7
👉 Fotoana iray hanombohanao mijery ny tenanao amin’ny fomba vaovao sy handraisanao fanapahan-kevitra vaovao.
Tsy mila miandry ny fiainanao hiova ho azy ianao.

Ny fiovana lehibe dia manomboka amin’ny fanapahan-kevitra kely iray:
“Vonona ny hiova aho.” ❤️
👉 Raha tsapanao fa mila miala amin’ny zavatra mampijanona anao, ary te-hanomboka pejy vaovao ianao, dia mety ho fotoana izao.

Manomboka ny : 3 Septembre
🔥 TRANSFORMATION 7 — Ny fiovana tadiavinao dia manomboka ao aminao.

👍Raha te handray anjara amin’ny andiany vaovao ianao dia mandefasa MP "Transformation 7" mba hahazoanao ny antsipiriany sy ny fisoratana anarana.

25/08/2026
ANJARANAO INDRAY ZAO👍🔥 ♥️ Mankasitraka anareo rehetra nanaraka ny programme TRANSFORMATION 7.Mbola misokatra indray ny a...
25/08/2026

ANJARANAO INDRAY ZAO👍🔥

♥️ Mankasitraka anareo rehetra nanaraka ny programme TRANSFORMATION 7.
Mbola misokatra indray ny andiany faharoa, mba ahafahan'ny maro misitraka izany sy ireo tsy nahatratra ny andiany voalohany .
👉 Ireo izay efa nahavita ny programme 7 andro dia mbola manana 7 andro manaraka manao accompagnement personnalisé.

7 ANDRO D'ACCOMPAGNEMENT SY COACHING
🪞 Andro 1 — Fahatsiarovan-tena
🧠 Andro 2 — Mindset & Croyances
❤️ Andro 3 — Fihetseham-po
👑 Andro 4 — Identité & Confiance en soi
🔥 Andro 5 — Discipline & Action
🤝 Andro 6 — Relations & Environnement
🚀 Andro 7 — Vision & Plan 30-60-90 jours

✨ Ny fanarahana ny programme TRANSFORMATION 7 andiany faharoa dia manomboka ny 3 septembre 2026.
Alefaso am Mp ary ny hoe:"Transformation 7" Raha liana hanaraka ny programme ianao.
Aza tara ary fa ALAIVO NY ANJARANAO♥️

AHOANA NO HANANGANANA BUSINESS NA TSY DIA MANANA CAPITAL AZA?Maro ny olona maniry hanana business, saingy miteny hoe:“Ts...
24/08/2026

AHOANA NO HANANGANANA BUSINESS NA TSY DIA MANANA CAPITAL AZA?
Maro ny olona maniry hanana business, saingy miteny hoe:
“Tsy manana vola aho, ka tsy afaka manomboka.”
Fa andeha isika hanova izany fomba fisainana izany.
Ny fanombohana business dia tsy voatery manomboka amin'ny vola be.
Fa afaka manomboka amin'ny:
_ Fahaizanao
_ Talentanao
_ Ny zavatra efa anananao
_ Ny findainao
_ Ny réseau-nao
_ Ny fahasahianao mitady client
_ Ary indrindra, ny fahavononanao hanao zavatra

Raha mahay mahandro ianao, mety ho business izany.
Raha mahay manjaitra ianao, mety ho business izany.
Raha mahay mampianatra ianao, mety ho business izany.
Raha mahay manao coiffure na maquillage ianao, mety ho business izany.
Raha manana vokatra kely ianao, afaka manomboka mivarotra azy amin'ny olona vitsy aloha.

👉 Aza miandry hanana capital lehibe vao manomboka.
Atombohy amin'izay anananao.
Mahazoa ny vola voalohany, avereno ampiasaina ao amin'ny business, ampitomboy tsikelikely, ary amboary ny système-nao.

Aza miteny hoe:
“Ohatrinona ny vola tsy ananako?”
Fa :
“Inona no ananako ankehitriny, ary ahoana no ahafahako mamadika azy ho vola?”

🔥 Ny capital voalohany indrindra dia ny fahafantaranao ny valeur anananao.
Aza atao excuse ny tsy fananana vola.
Manomboha kely.
Mianara.
Mivarota.
Mahazoa client.
Avereno ampiasaina ny tombony.
Ary ampitomboy tsikelikely.
Ny business lehibe rehetra dia nanomboka tamin'ny dingana kely iray.
👉 Ary ianao, inona no zavatra efa anananao ankehitriny izay azonao avadika ho business?

KPI: NA MBOLA KELY ARY NY ORINASA, NY HO LEHIBE NY TANJONA!Maro ny mpandraharaha no mieritreritra hoe:_ Ny KPI dia ho an...
23/08/2026

KPI: NA MBOLA KELY ARY NY ORINASA, NY HO LEHIBE NY TANJONA!
Maro ny mpandraharaha no mieritreritra hoe:
_ Ny KPI dia ho an'ny orinasa lehibe ihany. _ Vitsy ny mpiasa ato amiko, tsy mila izany aho.
_Fantatro ihany ny fandehan'ny business-ko.

Tsy izany mihitsy!
Ny KPI (Key Performance Indicators) na (Indicateur CLÉ de Performance) dia fitaovana manampy anao hahafantatra hoe:
👉 Aiza marina ny business-ko?
👉 Mandroso ve aho sa mijanona?
👉 Inona no mandeha tsara?
👉 Inona no mila ovaina?
Na business kely aza dia mila KPI.

Ohatra, raha mivarotra vokatra ianao, azonao arahina isan-kerinandro:
_ Isan'ny vokatra namidy
_ Chiffre d'affaires
_ Tombom-barotra
_ Isan'ny mpanjifa vaovao
_ Isan'ny mpanjifa miverina
_ Isan'ny commande
_ Vola lany amin'ny publicité
_ Trosa mbola tsy voaloa

Rehefa manana ireo tarehimarika ireo ianao dia tsy miasa amin'ny vinavina intsony fa miasa amin'ny zava-misy.
_ Ny KPI dia toy ny tableau de bord an'ny fiaranao.
Raha tsy mijery tableau de bord ianao, ahoana no hahafantaranao hoe:
_ mbola manana solika ve ianao?
_mandeha amin'ny vitesse mety ve ianao?
_ misy olana ve ny fiara?

Toy izany koa ny business.
Tsy ampy ny hoe “mivarotra aho”.
Tokony ho fantatrao hoe ohatrinona no amidinao, ohatrinona no azonao, ohatrinona no tombony, ary inona no tokony hatsaraina.

“Izay tsy refesina, sarotra fehezina.
Izay tsy fehezina, sarotra hampitomboina.”
Aza miandry ny hahatonga ny business-nao ho lehibe vao mampiasa KPI.
Atombohy amin'ny KPI 3 na 5 monja.
Refeso. Diniho. Ahitsio. Avereno.
Satria ny business mahomby dia tsy miantehitra amin'ny vintana sy vinavina fotsiny, fa mifototra amin'ny chiffres sy ny décisions mazava.

AZA MANERY OLONA TSY TIANAO INTSONY HANAIKY ANAOMisy zavatra iray tokony hianarantsika amin’ny fiainana:Tsy voatery ho t...
21/08/2026

AZA MANERY OLONA TSY TIANAO INTSONY HANAIKY ANAO

Misy zavatra iray tokony hianarantsika amin’ny fiainana:
Tsy voatery ho tian’ny olona rehetra isika. Ary tsy voatery hanery olona iray hitia antsika isika.
Rehefa tsapanao fa tsy tia anao intsony ny olona iray, na tsy maniry ny hiaraka aminao intsony izy, dia aza mandany ny herinao amin’ny fanerena, fitalahoana, fanazavana tsy misy farany, na fanenjehana azy.

_ Aza manery azy hijanona.
_ Aza mitalaho fitiavana.
_ Aza manontany isan’andro hoe: “Fa inona no nataoko?”
_ Aza manandrana manaporofo hatrany fa mendrika azy ianao.
_ Aza very hasina noho ny olona iray tsy misafidy anao.
Satria rehefa olona iray tsy te-hijanona, dia tsy ny fanerena azy no hahatonga azy ho tia anao indray.
Indraindray, ny zavatra tsara indrindra azonao atao dia ny miala am-pitoniana, mitahiry ny fahamendrehanao ary manohy ny fiainanao.

Ny olona tia anao dia tsy tokony hoterena hijanona.
Ny olona mankasitraka anao dia tsy tokony hoterena hahita ny lanjanao.
Ary ny olona misafidy ny handeha, indraindray dia mila avelanao handeha.
Tsy midika izany hoe tsy ampy ianao.
Midika fotsiny izany fa tsy ianao no olona nofidiny.

Ary tsy maninona izany.
Aza manenjika varavarana mihidy rehefa misy varavarana hafa mety mbola misokatra ho anao.
Avelao ny olona handeha raha izay no safidiny.

Fa aza avela miaraka aminy koa ny fahatokisanao tena. ❤️
✨ Ny fitiavana marina tsy mitaky anao hamoy ny tenanao mba hitazonana olona iray.
— Rossana Fleurys

SAHIA HO ILAY VEHIVAVY TSARA SY MAHERY NIANTSOINA ANAO♥️ Aza miandry olona hilaza aminao fa mahafinaritra ianao.Aza mian...
21/08/2026

SAHIA HO ILAY VEHIVAVY TSARA SY MAHERY NIANTSOINA ANAO♥️
Aza miandry olona hilaza aminao fa mahafinaritra ianao.
Aza miandry olona hanome anao alalana hino fa mendrika ianao.
Ary aza miandry ny fiainana ho tonga lafatra vao manomboka miaina.

Tonga eto amin’ity fiainana ity ianao mba ho ilay vehivavy mamirapiratra, feno aina, matanjaka ary matoky tena izay niantsoina anao.
🌸 Vehivavy mahafantatra ny lanjany.
🌸 Vehivavy tsy matahotra manomboka indray.
🌸 Vehivavy afaka miteny hoe “TSIA” amin’izay manimba azy.
🌸 Vehivavy sahy manatanteraka ny nofinofiny.
🌸 Vehivavy mianatra amin’ny ratrany fa tsy miaina ao anatin’ny lasa.
🌸 Vehivavy tia ny tenany amin’ny fomba tsara, ka tsy mamela ny tenany ho very noho ny fitiavana olona hafa.

Mety efa nandalo zavatra nampijaly anao ianao.
Mety efa nisy fotoana nahatonga anao tsy hino ny tenanao intsony.
Fa tsy izany no fiafaran’ny tantaranao.
Mbola ao anatinao ilay vehivavy matanjaka.
Mbola ao anatinao ilay hazavana.
Mbola ao anatinao ilay hery.
Mbola ao anatinao ilay nofinofy.
Atrakao indray ny lohanao.
Karakarao ny tenanao.
Hajao ny tenanao.
Mianara. Mitombo. Mivoara.
Ary indrindra… aza avela ho faty ao anatinao ilay vehivavy mahafinaritra tokony ho lasa ianao.
Tsy mila ho tonga vehivavy hafa ianao.
Fa ilay vehivavy tena IANAO.
Ilay vehivavy tsara tarehy, feno aina ary matanjaka izay efa natao ho ianao. ♥️






❤️ AHOANA NO HAHALALANA FA TENA FITIAVANA ILAY IZY?Ary ahoana no hahafantaranao fa mety ho “âme sœur”-nao izy?Maro ny ol...
20/08/2026

❤️ AHOANA NO HAHALALANA FA TENA FITIAVANA ILAY IZY?
Ary ahoana no hahafantaranao fa mety ho “âme sœur”-nao izy?

Maro ny olona mieritreritra fa rehefa mahery ny sentiment, rehefa tsy afaka misaraka, na rehefa malahelo be rehefa tsy eo ilay olona… dia midika izany fa tena fitiavana.
❌ Tsy voatery izany.
Indraindray, ny zavatra antsointsika hoe fitiavana dia mety ho dépendance, peur de perdre, solitude, habitude, na blessure émotionnelle.
Ny tena fitiavana kosa dia hita amin'ny zavatra lalindalina kokoa.

Ahoana no hahafantaranao azy?
1_ Afaka ho ny tenanao iany ianao rehefa miaraka aminy. (rester soi-meme).
Tsy mila manao olona hafa ianao na mi jouer rôle mba itiavany anao. Tsy matahotra mandrakariva ny ho laviny ianao.

2_ Misy RESPECT.
Ny tena fitiavana tsy manala baraka, tsy manambany, tsy mampitahotra ary tsy manery.

3_ Mampitombo anao ilay fifandraisana.
Ny olona tena mifanaraka aminao dia tsy manakana anao tsy hivoatra.
Tiany ny hahita anao mihalehibe, matanjaka ary mahita ny tena herinao.

4_ Afaka mifampiresaka ianareo.
Tsy hoe tsy misy olana mihitsy, fa rehefa misy olana dia mitady vahaolana ianareo fa tsy mifanimba.

5_ Misy fifampitokisana.
Tsy mila manara-maso, mitsikilo na manaporofo zavatra isan-tsegondra ianareo vao mahatsiaro ho voaaro sy milamina.

6_ Mifidy anao izy, ary ianao mifidy azy.
Ny tena fitiavana dia tsy hoe “tsy afaka miaina raha tsy eo ianao.”
Fa hoe:
“Afaka miaina irery aho, fa misafidy ny hanorina fiainana miaraka aminao.”

Ary ahoana ny amin'ny “âme sœur”?
Ny “âme sœur” dia tsy voatery ilay olona tonga lafatra, na ilay olona tsy hampijaly anao mihitsy.
Indraindray, ny olona iray dia mety ho tonga eo amin'ny fiainanao mba hampianatra zavatra, hanova anao, na hampiseho aminao izay tokony hianaranao momba ny tenanao.
Ary tsy voatery ny fifandraisana rehetra maharitra mandrakizay.
Noho izany, aza mitady olona izay mampihetsi-po anao fotsiny.
Mitadiava olona izay:
❤️ manaja anao
❤️ mihaino anao
❤️ mijoro miaraka aminao
❤️ mampitombo anao
❤️ mitazona ny fahatokisana
❤️ mahay mifampiresaka aminao
❤️ ary mifidy anao amin'ny fihetsika, fa tsy amin'ny teny ihany.

Ny tena fitiavana tsy tokony hahatonga anao ho very.
Tokony hanampy anao hahita bebe kokoa ny maha-ianao anao izy.
Tsy votery hoe:
“Tena izy ve no âme sœur-ko?”
Fa hoe:
👉 “Rehefa miaraka amin'ity olona ity aho, lasa olona tsara kokoa ve aho sa lasa very tsikelikely ny tenako?”
Eo no mety hahitanao ny valiny. ❤️

NY ENERGIE AN’NY VOLA — AHOANA NO FIASANY?Maro ny olona matahotra vola.Misy milaza hoe: “Tsy ampy ny volako.”Misy mierit...
20/08/2026

NY ENERGIE AN’NY VOLA — AHOANA NO FIASANY?
Maro ny olona matahotra vola.
Misy milaza hoe: “Tsy ampy ny volako.”
Misy mieritreritra hoe: “Sarotra ny mahazo vola.”
Ary misy aza mahatsapa fa rehefa mahazo vola izy dia mivoaka haingana indray.
Fa andeha isika hijery azy amin'ny fomba hafa.

Ny vola dia fitaovana, ary mihetsika izy.
Ny vola dia tsy natao hotehirizina fotsiny, fa natao hivezivezy, hamorona sanda ary hiteraka sanda vaovao.
Rehefa mahazo vola ianao:
👉 Raha laninao daholo → tapitra.
👉 Raha tehirizinao daholo noho ny tahotra → tsy mamokatra.
👉 Raha ampiasainao amin'ny zavatra mamorona sanda → afaka miteraka vola bebe kokoa.
Izany no maha-zava-dehibe ny fahafantarana ny fomba fiasan'ny vola.

Ahoana no hampandehanana tsara ny “Energie an'ny vola”?
1_ Ianaro ny fomba ahazoana vola.
Aza miankina amin'ny loharanom-bola iray ihany raha afaka mamorona hafa ianao.

2_ Ianaro ny fitantanana azy.
Tsy ny vola miditra ihany no zava-dehibe, fa ny zavatra ataonao amin'ny vola miditra.

3_ Aza afangaro ny filàna sy ny faniriana.
Tsy izay rehetra tianao hovidiana no tena ilainao.

4_Ampiasao ny vola hamoronana sanda.
Fiofanana, fitaovana, business, marketing, na zavatra afaka mampitombo ny fahaizanao sy ny fidiram-bolanao.

5_ Aza manao vola ho tomponao.(maître)
Ianao no tokony hifehy ny vola, fa tsy ny vola no hifehy anao.

👉 Ary misy zavatra iray tena ilaina:
Ny fomba fisainanao momba ny vola dia misy fiantraikany amin'ny fanapahan-kevitra raisinao momba azy.
_Raha matahotra vola ianao, mety hialanao ny fahafahana.
_Raha tsy mahay mitantana vola ianao, mety ho very na dia mahazo be aza.
_Raha mianatra mitantana azy ianao, dia afaka mampiasa azy ho fitaovana hananganana zavatra lehibe kokoa.

Aza manenjika vola fotsiny.
Mianara mamorona sanda, mamaha olana, manampy olona ary mitantana tsara izay azonao.
Satria rehefa mitombo ny sanda omenao, dia afaka mitombo miaraka aminy koa ny fahafahanao mahazo vola.

Ny tanjona dia tsy hoe hanana vola be fotsiny.
Fa ny hahatonga anao ho olona mahay mamorona, mandray, mitantana ary mampitombo vola.
👉 Manomboka androany ary dia eritrereto hoe: “Ahoana no fomba itondrako ny vola tonga eo am-pelatanako?”
Mety ho eo indrindra no manomboka ny fiovanao ara-bola.

Address

Immeuble ATRIUM 5è étage, Routes Des Hydrocarbures Ankorondrano
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rossana Fleurys posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share