07/07/2026
✨Tamin'ny volana Janoary 2026 ity mpianatra ity no nanomboka nanaraka ny Formation Professionnel Intensive Mandarin Oral ato amin'ny Madagasikara Chine Education (MCE). Ankehitriny ao anatin'ny stage pratika izy ary mandray karama tsara.
⏳Naharitra enim-bolana ny fiofanana, izay ihany koa no fe-potoana ofisialin'ity programa ity. Na dia fotoana fohy aza izany, dia natao hahafahan'ny mpianatra mahafehy haingana ny teny sinoa ampiasaina amin'ny sehatra matihanina, ka afaka mifandray am-pahatokisana amin'ireo mpiara-miasa sy orinasa sinoa.
💥Anisan'ny mampiavaka ny MCE ny fomba fampianarana mifantoka amin'ny fampiharana mivantana, ka manomana ny mpianatra hiatrika ny tontolon'ny asa sy hampiasa ny teny sinoa amin'ny toe-javatra tena izy.
🤝 Noho ny fiaraha-miasa akaiky amin'ireo orinasa Sinoa maro sy orinasa Malagasy mpiara-miombon'antoka, dia tsy mitsahatra misokatra ho an'ireo mpianatra ny opportunités isan-karazany, toy ny:
* stage en entreprise,
* immersion linguistique,
* ary fahafahana miditra mivantana amin'ny sehatry ny asa.