Conduite accompagnée TSARA LOVA

Conduite accompagnée TSARA LOVA Mampianatra sy manazatra ireo olona efa manana permis kanefa mbola tsy sahy na mbola matahotra mitondra fiara irery

14/05/2024

Vidéo manaraka zaraina ho anao. Averiko ihany fa tsisy tokony hampatahotra ny mitondra fiara rehefa tsara mpampianatra. Mp ny famandrihana fotoana hianarana. Mirary soa tompoko! Conduite accompagnée TSARA LOVA

11/02/2024

Coucou Daholo dray e!!!! Ity indray ny vidéo zaraina maimaimpona entina hanampina anao mbola vo mianatra na vo mizatra! Mirary herinandro mahafinaritra ho antsika rehetra indray ny équipe rehetra eto amin'ny Conduite accompagnée TSARA LOVA

17/01/2024

Arabaina daholo isika rehetra nahatratra ny taona 2024. Dia izao, ilaina amin'izay ny mahay mitondra fiara fa aza zatra miandry olona foana isaky ny hivaoka. Io ary aloha ny video voalohany amin'ity taona 2024 ity e.

13/06/2023

Hafatra ho antsika vao manomboka mitondra fiara na eo am-pianarana mamily.
Matetika isika rehefa mamily fiara dia mitady lalana izay tsy misy fiakarana fa mataotra “démarrage en cote”, ao koa isika mitady lalana mikodana be tsy misy “embouteillge” fa mataotra ny ho” calé”!
Izao nefa no lazaiko aminareo, isika mpamily no mila mi s’adapte amin’ny lalana sy izay situation misy eo fa tsy voatery hifanaraka amin’ny sain-tsika avokoa ny zava-miseo eny rehetra eny.
Misy fotoana zany mila mandefitra isika refa eny an-dalana fa ra tsy izany dia ho simba na ho kiaka ny fiara izay ho enti-tsika rehefa tsy omby ny lalana hifanenana ohatra. Ka eo no ilaina ny mahafehy ny démarrage en cote sns.
Mila “mi-ralentir” koa isika refa mahita lavaka eny an-dalana fa tsy afaka miteny isika oe afindrao io lavaka io amin’ny Alatsinainy fa hitondra fiara aho ohatra.
Ilaina ny manitsaka frein rehefa mahita “obstacle” enao eny an-dalana fa tsy oe za maika dia tsy miraraha an’izany, na ihany koa oe kamo za aka première dia aleoko tsy mijanona! Dia ny fiaranao ihany no simba eo sy mety ahita olana hafa ihany koa ianao avy eo.
Ny tiako ampitaina dia izao!
Dia toy izany ihany koa ny fiainan-tsika amin’ny an-davanandro satria ra tsy mahay mandefitra isika na tsy mi ralentir mihintsy dia tsy ela dia anao accident. Mitovy amin’ny mitondra fiara mihitsy ny mihaina ra io resaka fandeferana io no alaina ohatra. Raha toa ka tsy mandefitra ianao dia ianao ihany no ahazo voka-dratsy eo amin’ny fiainanao ka aleo mandefitra na dia sarotra ara amin’ny voalohany ny manao izany.
Mety ny fahasalamanao ihany no mety simba ohatra, toy ilay fiara kiaka refa tsisy mifandefitra nefa tsy omby ny lalana hifanenana.
Mandefitra amin’ny fiainana zany dia toy ny manitsaka frein rehefa mitondra fiara, na ko mi ralentir, na mijanona STOP mihintsy! Ainao ny tohiny ra andé hitondra fiara ho any Majunga enao ohatra ka tsy mampiasa frein mihitsy.
Dia aza gaga oe maninona ny fiainan’I Rakoto mety tsara fa nenao ahaona? Satria izy nahay nandefitra isaky ny misy lavaka na misy obstacle eny an-dalana.
Ny fiainanao tompoko dia toy ny fiaranao, ka ra ainao ny mitondra azy dia aharitra ela sy ho tonga alavitra ianao.
Noho izany dia fehezo ny demarrage en cote sy fakana première tsy ho calé!

NY HERY TSY MAHALEO NY FANAHY!

Efa tsy afa-misaraka amintsika intsony amin'izao vanin'andro izao ny fitondrana fiara. Ra misy fiara afaka ho entina ian...
15/06/2022

Efa tsy afa-misaraka amintsika intsony amin'izao vanin'andro izao ny fitondrana fiara. Ra misy fiara afaka ho entina ianao sady efa manana permis dia fotona izao hitondranao fiara fa aza atao aingo-poketra fotsiny intsony iny permis anao iny.
Fotoana hianara weekend!! Mankasitraka anao namaky! 😉👊

05/03/2022

Ny moniteur Tsara Lova dia afaka manome fahafam-po ho anao raha te hizatra hitondra fiara na te ahafehy ny familiana fiara ianao.
👉Mila olona efa manana permis de conduire sy fiara afaka hianarana.
👉15000ar/h ny saran'ny fampianarana efa + frais de déplacement raha tsy en ville.
👉Alaina sy aterina any amin’ny toerana misy anao ianao
👉Miankina ny faharetan’ny fianarana satria tsy mitovy ny traikefa sy ny fomba fandraisan’ny tsirairay ny fampianarana.
👉Réservation et confirmation par mp

👉Misy video manome astuce zaraiko eto amin’ny pejy hanampiana ireo izay mila izany.

05/03/2022

Démarrage en côte by Tsara Lova💪💪💪

20/02/2022

Fomba familiana volant 🚘 😊

Address

Andravoahangy
Antananarivo
101

Telephone

+261328714851

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Conduite accompagnée TSARA LOVA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Conduite accompagnée TSARA LOVA:

Share