ZAH Comptable

ZAH Comptable COMPTABLE MALAGASY đŸ‡Č🇬
La ComptabilitĂ© sans complication 🧠💯

Any amin'ny Actif sa passif no asina azy 4191 ?Misy methode 2 no tena fanaovana azy ity fa methode iray ity jerentsika i...
18/08/2026

Any amin'ny Actif sa passif no asina azy 4191 ?

Misy methode 2 no tena fanaovana azy ity fa methode iray ity jerentsika ity :)

Le compte 4191 – Clients : avances et acomptes reçus sur commandes

1. Inona marina ny 4191 ?

4191 = vola efa noraisin'ny orinasa tamin'ny client, nefa mbola tsy nanaterana entana na tsy mbola nanaovana service.

Ohatra :

Client iray mandoa avance 1 000 000 Ar.
Mbola tsy nanatitra entana ianao.

Rehefa mbola tsy nanatitra entanan'olona ianao dia midika inona izany ?

Midika izany fa manana adidy amin'ilay client ianao: tsy maintsy manatitra ilay entana/service, na mety hamerina ny vola arakaraka ny toe-javatra.

Noho izay misy obligation anao izany . Rehefa obligation an' ny orinasa dia passif

Noho izany, tsy mbola produit/chiffre d'affaires ilay 1 000 000 Ar amin'io fotoana io.

2. Aiza no apetraka ao amin'ny états financiers ?
PASSIF no toerana misy azy.

Pourquoi ?

Satria ny actif dia maneho zavatra ananan'ny orinasa na zavatra tokony ho mbola ho raisiny, ohatra creance fa ny passif kosa maneho adidy tokony hotanterahin'ny orinasa.

Ny vola ao amin'ny banque dia mety ho actif, fa ny 4191 kosa dia maneho ny adidy mifandray amin'ilay vola efa noraisina.

Vola raisina mialoha amin'ny client = 4191 = adidy amin'ny client = PASSIF.

Ny solde normal an'ny 4191 dia créditeur.

3. Erreur matetika atao amin'ny 4191

Mametraka 4191 ao amin'ny Actif satria misy teny hoe « Clients » ❌ Diso

Mihevitra fa crĂ©ance client izy ❌ Diso

Mampiditra avy hatrany ao amin'ny chiffre d'affaires ny avance ❌ Diso

Mampiasa 411 rehefa mbola avance fotsiny ❌ Matetika diso

Rehefa vita ny livraison/facturation ary ampiasaina ilay avance, dia débit ny 4191 ary crédit ny 411, araka ny fonctionnement prévu par le PCG 2005.

Soldé avy hatrany io avy eo satria livré ilay izy, ary rehefa vita paiement koa ny reste dia vao maika soldé .

Fomba mora hahafantarana azy :

Raha manontany tena ianao hoe:

« Actif sa Passif ? »

Aza mijery fotsiny hoe Client ilay anarana.

Anontanio hoe:

“Iza no mbola manana adidy amin'iza?”

Client mbola tokony handoa vola amin'ny orinasa = créance = Actif = 411.

Orinasa efa nahazo vola tamin'ny client nefa mbola tsy nanatanteraka ny commande = dette/engagement = Passif =4191.

Izany no antony mahatonga ny 411 ho actif, fa ny 4191 ho passif, na dia samy ao amin'ny « Clients et comptes rattachés » aza.

Donc :

4191 = Clients – avances et acomptes reçus = PASSIF, satria vola noraisin'ny orinasa mialoha izy io ka mbola misy adidy amin'ny client. Tsy tokony hafangaro amin'ny 411 – Clients, izay crĂ©ance ka Actif.

ZAH Comptable

Partenaire de votre développement à Madagascar

Raha te hahay comptabilitĂ© amin’ny fomba tena matihanina ianao,  dia tsy ampy ny mianatra formule fotsiny ry zareo fa ko...
14/08/2026

Raha te hahay comptabilitĂ© amin’ny fomba tena matihanina ianao, dia tsy ampy ny mianatra formule fotsiny ry zareo fa kosa :

Mila manana méthodes de mémorisation + raisonnement + répétition ianao.

Hamoaka secret aminao aho androany :)

1. Méthode de répétition espacée

Antsoina hoe répétition espacée :

Aza mianatra ka mamaky indray mandeha fotsiny. Avereno amin’ny elanelam-potoana:

Andro 1 = mianatra
Andro 2 = averina
Andro 4 = averina
Andro 7 = averina
Andro 14 = averina
Andro 30 =averina

Ohatra: mianatra Débit / Crédit androany. Rahampitso tsy mijery cahier ianao fa manontany tena hoe:

“Inona no mandeha au dĂ©bit? Inona no mandeha au crĂ©dit?”

Izany no mahatonga azy hipetraka ao an-tsaina.

Efa nandaovako io hoe izay kely hay adino daholo vao tsy atao pratique ..tsy haiko nareo raha mitovy amiko tamizany.

2. Méthode active recall
Ity no tena zava-dehibe.

Active recall = manery ny cerveau hamoaka ny zavatra fantany, fa tsy mamaky fotsiny.

❌ Tsy dia mahomby loatra ity nefa ity no tena betsaka mampiasa :

Mamaky 5 fois hoe “Actif au dĂ©bit, diminution au crĂ©dit.”

✅ Efa nandramanay ity test ity fa ity no Mahomby kokoa :

Manakatona cahier =manontany tena = mamaly avy ao an-tsaina...anisany mahafaly ahy mintsy ny mahita ilay mpanao formation ato manao analyse be fa tsy manao saisie tsianjery.

Ohatra:
Question: Achat de marchandises à crédit, inona ny débit sy crédit?

Aza mijery correction aloha. Eritrereto:

Inona no nitombo?
Inona no nihena?
Iza no créancier?
Inona ny comptes voakasika?

3. MĂ©thode “Pourquoi ?”
Aza mitadidy Ă©criture comptable amin’ny tĂȘte fotsiny.

Isaky ny écriture dia anontanio:

“Fa maninona?”

Ohatra:

Achat marchandises 100 000 Ar à crédit.

Écriture:

Débit : Achat 100 000
Crédit : Fournisseur 100 000

Fa maninona?

âžĄïž Nisy charge/achat =dĂ©bit
âžĄïž Nisy dette envers fournisseur =crĂ©dit

Rehefa azonao ny pourquoi, tsy mila mitahiry écriture an-jatony ao an-tsaina ianao.

Ity vao nolazaiko an'ireo mpanao formation ireo hoe : ny ecriture comptable tokony ataonao ao dia tokony misy preuve daholo..raha tonga ny administration manao controle , manana preuve io zavatra ataonao io ve ianao ?

4. Méthode des exercices progressifs
Aza mitsambikina avy hatrany amin’ny exercice sarotra.

Ataovy:

Niveau 1 : opération simple :
achat, vente, banque, caisse, paie, immo

Niveau 2 : TVA
HT, TVA, TTC

Niveau 3 : plusieurs opérations
achat + rĂšglement + vente + encaissement

Niveau 4 : travaux d’inventaire
amortissement, stock, provisions, régularisations

Niveau 5 : cas complet
journal makany ami'ny grand livre makany amin'ny balance makany amin'ny états financiers.

Ilay fahaizana mamaky balance zareo ah..mila tena hay io..tsy tafavoaka io vao tsy hay no mamaky balance...hoy zah mantsy ny mpianatra hoe ajanony mintsy ilay etats financiers vao ny balance no tsy hay ny mamaky azy. Nianatra anio foana izahay isakin'ny mianatra ...efa 80% tafavoaka an'zareo ilay izy.

5. MĂ©thode “Erreur = cours”
Io no technique ampiasain’ny olona tena mahay.

Rehefa diso ianao, aza fafana fotsiny ilay erreur.

Soraty:

❌ Erreur : nataoko dĂ©bit ny Fournisseur.
✅ Correction : Fournisseur = dette → crĂ©dit rehefa mitombo.

Pourquoi : manana vola tokony haloako amin’ny fournisseur aho.

Manaova carnet d'erreurs.

Rehefa mamerina mianatra ianao, io carnet io no jerena voalohany.

Misy dikany vao io classe 4 io no debit dia misy dikany vao io no credit

Nanao paie izahay androany ...miantona daholo ny 421, 431, 432... hain'izy ireo no antony mampiantona an'io ...raha tina hanjavona ireo dia misy zavatra mila atao...mila manao analyse isika...mila mametraka doute foana..fa maninona, inona no effet anio ?

6. Méthode Feynman
Mody hoe ianao no professeur.

Ohatra, hazavao amin’ny teny tsotra ilay izy:

“Ny dĂ©bit sy crĂ©dit tsy midika hoe tsara sy ratsy. Izy ireo dia toerana ametrahana ny fiovan’ny compte. Rehefa mitombo ny actif dia dĂ©bit; rehefa mihena dia crĂ©dit...” tsy averina intsony kosa izany

Raha tsy afaka manazava amin’ny teny tsotra ianao, dia midika fa mbola tsy tena azonao ilay chapitre.

7. MĂ©thode “1 opĂ©ration = 4 questions”
Isaky ny opération comptable dia ampiasao ity:

① Inona no nitranga?
② Inona avy ny comptes voakasika?
⑱ Iza no dĂ©bit?
④ Iza no crĂ©dit, ary POURQUOI?

Ohatra:

Nandoa fournisseur tamin’ny banque 500 000 Ar.

Nisy rĂšglement fournisseur
Compte fournisseur + banque
Fournisseur mihena =Débit
Banque mihena = Crédit
âžĄïž DĂ©bit Fournisseur 500 000
âžĄïž CrĂ©dit Banque 500 000

8. Méthode quotidienne 30-45 min
Raha tena te hahafehy ianao, aleo 30 min isan’andro noho ny 4 ora indray mandeha isan-kerinandro.

Azonao atao:

10 min = révision active recall
15 min = exercices
10 min = correction + carnet d’erreurs
5 min = hazavao amin’ny tenanao ilay lesona.

Ny tanjona dia tsy hoe “nahavaky cours betsaka”, fa hoe:

“Afaka mamaha opĂ©ration comptable tsy mijery cours ve aho?”

Ilay manao pratika aza adino fa io koa ny olana be, misy olona anie mbola tsy nahita cheque izany, misy olona mbola tsy nahita bordereau remise cheque, releve bancaire, Ordre de virement... manantona an'ireny mpampanao formation akaiky anareo na izay mety aminareo ireny tompoko fa ilaina be io

Raha izany no vitanao dia manomboka tena maßtriser-nao ny comptabilité ...miverena eto tompoko dia lazao hoe tsy mety ilay methode raha tsy mahay compta amin'io methode io ianao tompoko.

Raha tianao, afaka ampianarinay manomboka zĂ©ro hatramin’ny niveau tena ambony ianao.

Partenaire de votre développement à Madagascar

ZAH Comptable

Hisy fiovana goavana ato amin'ny ZAH Comptable Handalo Diagnostic personnalisé avokoa izay hanao formation ato aminay.Ny...
13/08/2026

Hisy fiovana goavana ato amin'ny ZAH Comptable

Handalo Diagnostic personnalisé avokoa izay hanao formation ato aminay.

Ny tanjona dia hafantarana hoe niveau aiza no mety aminao, inona no efa hainao, inona no mila hamafisina .

Misy niveau 05 ato aminay :

Niveau 01 : Tena tsy mahalala hoe inona no atao amin'izany comptabilité ho anao vao afaka bacc na tsy manana bacc dia afaka misitraka ato ianao tompoko

Niveau 2 : Ho anao efa mba manana notion kely ..mety efa hainao hoe misy izany debit sy credit izany .

Niveau 3 : ho anao efa mianatra amin'ny université latsaka ny 3em année

Niveau 4 : Ho anao efa manana licence en comptabilité

Niveau 5 : Ho anao efa miasa en tant que comptable fa mbola tsy mahay etats financiers sy decom

Fanontanina mipetraka matetika dia hoe :

Afaka manao formation ve na filiere hafa ary no natao fa tsy gestion

Eny tompoko ☑

Raha mbola tsy nanao Comptabilité na tsy manana Bacc ve afaka manao formation

Eny tompoko ☑

NB :) Raha haitraitra no hianarana tompoko dia tsy afaka mandray izahay, olona tena vonona hanomana ny hoavy professionel no mety aminay tompoko.

Ny frais de formation anay 350.000 Ar hatramin'ny 31 Décembre 2026 tompoko.

Hampiditra logiciel vaovao akotran'ny sage 100i7 izahay atoato .

Izay anisan'ny logiciel tena ilaina anaty orinasa ary miroborobo hatreto.

Ny ZAH CLUB dia natokana hoan'ireo nahavita formation tato aminay ihany tompoko. Fanaovana suivi sy accompagnement izy io mba ho tena matihanina ny olona mivoaka tompoko fa tsy ho very maina ny fisasarana natao



Partenaire de votre développement à Madagascar

ZAH Comptable

SpĂ©cialiste"FINANCE COMPTABILITÉ"

Misy agent comptable débutant mikarama entre 800.000 Ar à 1.000.000 Ar eto Antananarivo Mety ho gaga enao fa eo Ankorond...
11/08/2026

Misy agent comptable débutant mikarama entre 800.000 Ar à 1.000.000 Ar eto Antananarivo

Mety ho gaga enao fa eo Ankorondrano , Ivandry eo misy an'izany .

Nareo ato amin'ny ZAH Comptable izany tonga dia manao recrutement ?

Tsia tompoko, mampianatra anao ihany no ataonay.

Tsy formation simple ilay ataonay fa immersion dans le vrai métier tompoko

⭕ Mi-traite dossier otrany ny any anaty Orinasa { facture fournisseurs et clients, caisse, Banque,lettrage, rapprochement, paie, fiscalitĂ©, cadrages des comptes, clotures, Etats financiers, Droit de communication }

⭕ Piece comptable misy erreurs volontairements natsofoka mintsy no atao mba hahitana ny erreur

⭕ DĂ©fis Audit & Erreur comptables : mianatra manao analyse otrany controleur fa tsy hanao saisie fotsiny

⭕ Excel & logiciels comptables tsy afaka miala

Ny objectif tsy hanao tsianjery ny théorie fa hahatonga anao ho lasa capable tonga dia mahavita miasa sy mahita ireo erreur

Hitanareo rehefa vita ilay formation dia misy ny atao hoe ZAH Club izay

Manohy manao regroupement foana isika, manao echanges, manao mise Ă  jour...satria ny Loi de finance miova foana

Ndao indray lony isika hanangana etats financiers dia lasa isika.. famille iray isika 💗

Natao ilay club fa vao mahavita formation io tsy voatery tonga dia hahita asa eo ny eo daholo...dia nefa io vao tsy atao dia adino.

De lasa hanao formation handoa vola hafa indray ve zany ilay olona nefa ny fiainana efa hiaraha mahalala.

Tonga dia mamonjy ny Club ntsika foana ianao dia tsy very izany io satria hahita cas hafa foana isika ..tsy andoavana vola ilay Club hoantsika nanao formation.

Ny frais de formations anay tompoko 350.000 Ar hatramin'ny Décembre 2026 io promotion io.

Ho valinay daholo ireo message ireo tompoko fa tena maro be ianareo no mandefa message ao

02 Novembre ny rentrée.. efa feno ny Group ray

Inscriptions eto ihany :) Nom + numéro téléphone alefa message privé tompoko

Partenaire de votre développement à Madagascar

ZAH Comptable

Tsy irery ianareo aprĂšs formation.. efa manomboka amin'ny Octobre ny club Comptable antsika ...Accompagnement anareo nan...
10/08/2026

Tsy irery ianareo aprùs formation.. efa manomboka amin'ny Octobre ny club Comptable antsika ...Accompagnement anareo nanao formation izy io ....hanao regroupement 2 fois par mois foana isika...mahavita Etats financiers 12 isan-taona eo isika ... GRATUIT 💗

Mahita cas orinasa vaovao Maro isika ..aona ndray raha hotellerie ilay orinasa, aona indray raha Manao service, aona indray raha manao BTP

Ianareo mahay tompoko no tanjona...aza miala izany mintsy fa hiaraka foana isika na 10 taona any aorina ary...misokatra hoantsika fona ny club ntsika.

Enao mivoaka tena mahay zay vao afa-po izahay.

Teo foana ianareo hoanay dia eo foana izahay hoanareo đŸ™đŸ»

Partenaire de votre développement à Madagascar

ZAH Comptable

GRATUIT ITY Ho anareo izay efa nanao formation tato aminay dia efa misokatra manomboka ny volana octobre ny Club Comptab...
09/08/2026

GRATUIT ITY

Ho anareo izay efa nanao formation tato aminay dia efa misokatra manomboka ny volana octobre ny Club Comptable antsika, ny tanjona dia mba hanao accompagnement izay nianarantsika rehetra ireny , mba tsy ho very ilay izy. Misy fotoana manao regroupement isika dia mba manangana etats financiers ohatra, mitraite cas Orinasa vaovao ndray ohatra, tsy adino nareo mandrakizay io satria mihaona foana isika manao pratika. Natao hoan'izay efa nanao formation ihany izy ity aloha tompoko. Satria tena tsy ho tafavoaka ilay traitement raha mbola tsy nanao formation niaraka tato aminay ianao.

Efa misokatra ny vague inscription manaraka hoanareo hanao formation journaliĂšre .

Mety mahay manao saisie ianao

Mety mahay mampiasa Excel na logiciel comptable ianao


Fa rehefa tonga amin’ireto dia manomboka misalasala :

❌ « Marina ve ity imputation nataoko ity ? »
❌ « Fa maninona no tsy mitovy ny banque sy ny comptabilitĂ© ? »
❌ « Ahoana no hanakatonana exercice ? »
❌ « Ahoana no hahitana ny erreur ao amin’ny dossier client ? »
❌ « Raha anontanian’ny client na contrĂŽleur aho, inona no valinteniko ? »
❌ « Mahay thĂ©orie aho, fa rehefa dossier rĂ©el no eo anoloako
 mbola misalasala. »

Izany indrindra no mahatonga comptable maro mbola tsy hatoky tena, na dia efa niasa aza.

Fa misy zavatra iray tsy tokony hohadinoina :

Tsy ny diplÎme ihany no mampitombo ny valeur-nao. Ny capacité-nao hamaha problÚme réel no mampiavaka anao.

KA AHOANA RAHA ATAONAY MI TRAITE DOSSIER TOY NY ANY AMIN’NY ORINASA IANAO ?

Tsy hoe mipetraka mihaino théorie fotsiny.

Fa hianatra amin’ny fomba PRATIQUE, hahafahanao mahita ny zavatra mety tsy hita ao anaty cours classique.

FORMATION PRATIQUE COMPTABILITÉ & FISCALITÉ ETO TANA

Début : 02 NOVEMBRE 2026

Ary ho an’izay mila rythme mifanaraka amin’ny asa :
- Faharetana : 1 mois et demi
- Formation pratique

Hifantoka amin’ny zavatra tena ilain’ny professionnel, mampiasa logiciel sage 100 i7 isika no sady manao :

‱ Traitement dossier client
‱ Saisie et contrîle comptable
‱ Banque & rapprochement bancaire
‱ Caisse
‱ Lettrage
‱ Clients / Fournisseurs
‱ Immobilisations & amortissements
‱ Stocks
‱ Paie
‱ Clîture comptable, cadrage des comptes
‱ États financiers
‱ FiscalitĂ©
‱ DĂ©clarations fiscales TVA
‱ Analyse des erreurs comptables
‱ ContrĂŽle et vĂ©rification des dossiers , Evaluation risque redressement fiscale, Droit de Communication.

Bonus : Misy surprise ho ampianarina anao ao, ary tena hampiavaka anao amin'ny assistant comptable rehetra izany.

Ny tanjona dia tsy hoe hiteny fotsiny hoe “Mahay comptabilitĂ© aho”.

Fa hoe : “Omeo ahy ny dossier, dia fantatro izay tokony hatao.”

Experience avant le diplĂŽme.

Ny frais de formation dia 350.000 Ar (Efa 1 mois et demi )
Mila manana Ordinateur ny participants rehetra, afaka atao 2 tranches 50% no alohanao amin'ny réservation .

Heure : afaka misafidy tsara ianao , mianatra 3 fois par semaine isika (Lundi-Mercredi-Vendredi )

Afaka misafidy ora ianao :
Groupe 1 : 08h Ă  10 h
Groupe 2 : 10h 30 min Ă  12h 30 min
Groupe 3 : 14h Ă  16h .

10 Personne isakin'ny groupe ihany no afaka raisina tompoko,
Izay Ora mety aminao tompoko, nozaraina toy izao mba tena ho vitsy ny miaraka, afaka migalabona tsara mintsy isika.


⚠ Places limitĂ©es, satria tiana ho tena pratique sy hahazoana fanaraha-maso tsara ny mpandray anjara.

ZAH Comptable
Partenaire de votre développement à Madagascar

Misy erreur 15 hitanay matetika amin'ny dossiers comptables, na dia comptable efa manana expérience aza .Ny 13 hafa tsy ...
08/08/2026

Misy erreur 15 hitanay matetika amin'ny dossiers comptables, na dia comptable efa manana expérience aza .

Ny 13 hafa tsy horesahiko eto aloha, satria mila jerena miaraka amin'ny dossier cas pratique vao tena hita mantsy”

🚹 COMPTABLE EXPÉRIMENTÉ : MITANDREMA


Misy erreur iray tena mampidi-doza amin'ny comptabilité :

Mety misy nampianatra tany hoe vao mitovy ny “DĂ©bit = CrĂ©dit” dia marina izay ny comptabilitĂ© , TSIA TOMPOKO, Nanao analyse be izahay tao amin'ny formation omaly fa tsy hoe saisie fotsiny, misy zavatra surprise be lasa hain'izy ireo nefa mbola tsy tokony amin'niveau an'izy ireo ilay izy.
Ohatra:

Orinasa nividy ordinateur 4 000 000 Ar.

Ny comptable nampiditra azy ho:

Débit : 606 Achat ,4 000 000 Ar
Crédit : 401 Fournisseur ,4 000 000 Ar

✅ DĂ©bit = CrĂ©dit.
✅ Balance juste.

Fa misy olana lehibe: immobilisation tokony ho izy ilay ordinateur, fa tsy charge.

Inona no vokany?

Raha charge izy:

-mihena be ny résultat;
-mety hihena ny résultat fiscal;
-tsy hita tsara ny immobilisation;
-diso ny amortissement;
-mety ho diso koa ny état financier.

Ny balance dia afaka “juste”, nefa ny comptabilitĂ© mbola “fausse”.

Izany no tokony hampianarina amin'ny comptable:

“Aza mijery Ă©quilibre fotsiny. Jereo ny sens Ă©conomique an'ilay opĂ©ration.”

nefa mety mbola diso ihany ny comptabilité.

2. Erreur tena mahazatra: “Compte client crĂ©diteur”

Normalement:

411 Client = Débiteur

Fa indray andro ianao mijery balance ka mahita:

411 Client : -2 500 000 Ar

😳 “Ahoana no nahatonga ny client ho crĂ©diteur?”

Vao resaka be anay tao amin'ny formation omaly mintsy ity, nanao pratika be an'ity izahay omaly , hain'izy ireo tsara ity, mamaky balance tena tonga dia waouuh, Fa aleo zaraiko eto dia mba samy mahay

Misy zavatra tokony hotadiavina:

-paiement reçu avant facture;
-avoir client;
-erreur d'imputation;
-doublon d'encaissement;
-rÚglement imputé amin'ny mauvais client.

Solution avy aty aminay ZAH Comptable dia hoe :

Aza manao:

“411 crĂ©diteur ; contrepassation automatique.”

Fa manao analyse du lettrage.

Ohatra:

Facture :

411 Client = 5 000 000

Paiement :

411 Client = 7 500 000

Solde:

Créditeur = 2 500 000

Midika izany fa mety nandoa 2,5 M Ar mialoha ilay client.

Ny erreur tsy tokony hofafana fotsiny. Tokony ho fantatra aloha ny tantarany.

Partenaire de votre développement à Madagascar

ZAH Comptable

DĂ©claration de reprise d’activitĂ©s saisonniĂšresMisy asa sasany izay tsy mandeha mandritra ny taona manontolo fa misy fot...
06/08/2026

DĂ©claration de reprise d’activitĂ©s saisonniĂšres

Misy asa sasany izay tsy mandeha mandritra ny taona manontolo fa misy fotoana manokana hanaovana azy.

Ohatra :

-fijinjana lavanila
-fanamboarana vokatra avy amin'ny fambolena
-famokarana siramamy
-fanodinana vokatra ara-pambolena sasany.

Rehefa tapitra ny vanim-potoanan'ny asa dia mijanona aloha ilay asa, avy eo miverina indray amin'ny taona manaraka.

"Ampahafantaro mialoha ny Admnistartion fiscale fa hiverina hiasa ianao, ary lazao raha misy fiovana amin'ny toeram-pamokarana na ny fomba fiasanao."

1) "Ny mpijinja na mpanamboatra nahazo alalana rehetra..."

Midika izany fa olona na orinasa manana fahazoan-dalana hanao asa toy ny : famokarana ;fijinjana ; fanodinana vokatra.

Ndao anie hijery ohatra isika ry zareo : Ramatoa Soa dia manana toeram-pamokarana lavanila.

Manana fahazoan-dalana hividy sy hanomana lavanila izy.

Tafiditra ao anatin'ity lalĂ na ity zavatra lazaiko ity.

2) "Isan-taona, iray volana alohan'ny hanombohan'ny asa..."

Midika izany fa tsy maintsy manao fanambarana iray volana mialoha izy alohan'ny hiverenan'ny asa.

Ohatra :

Raha hanomboka hijinja lavanila izy :

Daty hanombohana : 01 Septambra 2026

Dia tsy maintsy manao fanambarana farafahatarany :

01 Aogositra 2026

Tsy tokony hiandry ny fotoana tena hanombohana asa vao mampandre.

3) "Raha tsy miasa mandritra ny fotoana rehetra..."

Midika izany fa asa ara-potoana ilay izy.

Ohatra :

Orinasa A : miasa isan'andro mandritra ny taona ; tsy mijanona.

Asa maharitra (activité permanente).

Orinasa B : mijinja amin'ny volana Septambra sy Oktobra ;
mijanona mandritra ny volana hafa.

Asa ara-potoana (activité saisonniÚre).

4) "Manao fanambarana momba ny fiverenana amin'ny asa"

Midika izany fa mila milaza amin'ny Sampan-draharahan'ny Hetra izy hoe :

hiverina hiasa indray ; rahoviana no hanomboka ; inona ny asa hatao.

Ohatra :

"Izaho Ramose Jean dia mampandre fa hiverina amin'ny asa fijinjana lavanila manomboka ny 01 Septambra 2026."

5) "Ary raha misy fiovana natao tamin'ny toeram-pamokarana hatramin'ny nijanonan'ny asa farany"

Ity no ampahany tena manan-danja fa aza adino ry zareo ah

Midika izany fa raha nisy zavatra niova nandritra ny fotoana nijanonana dia tsy maintsy ambara.

Ohatra 1 : Nitombo ny velaran-tany

Tamin'ny taona lasa : 5 hektara no volena.

Rehefa hiverina : nividy tany fanampiny 3 hektara.

Ka lasa : 8 hektara.

Tsy maintsy ambara amin'ny zareo ao amin'ny Déclaration fiscale izany fiovana izany.

Alaivo sary an-tsaina hoe misy trano fivarotana iray :

mihidy mandritra ny volana maromaro ; hisokatra indray rehefa tonga ny fotoana.

Alohan'ny hisokafana dia milaza amin'ny fanjakana izy hoe :

"Nikatona aho nandritra ny fotoana fohy, fa izao hiverina hiasa indray. Ireto ny zavatra niova."

Izany indrindra no atao hoe déclaration de reprise d'activités saisonniÚres.

Nahoana no ilain'ny administartion izany fanambarana izany ?

Hahafantarana ny tena zava-misy amin'ny asa

Ny administartion dia tokony hahafantatra ny :

-fotoana iasan'ny orinasa ;
-habetsahan'ny famokarana ;
-fivoaran'ny orinasa.

Hanaraha-maso ny hetra tokony haloan'ny orinasa

Manampy hijery raha mifanaraka ny :

famokarana ; chiffre d'affaires ; déclaration fiscale.

Hisorohana ny asa miafina

Ohatra :

Misy olona milaza hoe : "Mijanona ny asako."

Nefa mbola mamokatra sy mivarotra miafina.

Izany no antony ilana déclaration.

Ry zareo mpanao formation journaliere ao zao efa manao déclaration fiscale amizao fa TVA no ataon'zareo amizao, mbola ho maro ny zavatra ho atao , Etats financiers, Droit de communication, na assistant ary dia mila mahay avy hatrany isika fa tsy voatery ho responsable vao mahay izany, mbola ho responsable koa ianao tompoko.

Tinareo ve raha atao fidirana misy choix maro be io rentré manaraka io : 07h 30 min à 09h / 09h 30 min à 11h / 13h à 15h / 15h 30 min à 17h .

Mba hahafahanao mijery tsara ny disponibilité anao .

Partenaire de votre développement à Madagascar

ZAH Comptable

Nareo sisa no andrasana ...Rahampitso ny fotoana ary.Mora hita kely ny toerana ...CNTMAD ankadifotsy dia midina kely fot...
02/08/2026

Nareo sisa no andrasana ...Rahampitso ny fotoana ary.

Mora hita kely ny toerana ...CNTMAD ankadifotsy dia midina kely fotsiny vers Antanimena dia misy Birao ny Douane eo dia ambadika ny Douane misy trano avo be fotsifotsy 4em etage isika 😊

Mitondra BLOC NOTE fa ny fanazavana hisy foana ...sady hisy bonus fanaovana AUDIT isakin'ny seance đŸ€đŸ»

Tsy comptable manao saisie no tanjona fa isika mivoaka eo dia tokony comptable mahay mandinika.

Partenaire de votre développement à Madagascar

ZAH Comptable

Sendra tafaresaka tamin'ireo Expert Comptable teny Ankatso zah androany, nisy karazana Salon izay teny dia tao ny OECFM ...
01/08/2026

Sendra tafaresaka tamin'ireo Expert Comptable teny Ankatso zah androany, nisy karazana Salon izay teny dia tao ny OECFM

Naka information mahakasika ny concours expert Comptable no nataoko dia sady mampita karazana fampianarana ihany zareo, otrany hoe formation gratuit tao anaty 10 min indray no azoko sady nahazo information ihany koa....efa betsaka izany .

Fa hiresaka zavatra fohy kely zah androany fa misy zavatra azo ampitaina foana mba mety hahasoa an-tsika :

Variation de stock manana solde débiteur

Midika izany fa :

Latsaka noho ny stock tany am-piandohana (stock initial) ny stock amin'ny faran'ny taona (stock final)

Izany hoe, betsaka kokoa ny entana namidy na nampiasaina noho ny entana novidina na novokarina.

Ohatra :
Stock tany am-piandohana (initial) : 50 000 000 Ar
Stock faran'ny taona (final) : 35 000 000 Ar

Variation = -15 000 000 Ar

Ny compte 603 dia Débit 15 000 000 Ar.

Inona ny vokany amin'ny résultat comptable?
-Mitombo ny charges.
-Mitombo ny vidin'ny entana lany (coût des ventes).
-Rehefa mitombo ny charge dia mihena ny tombom-barotra

Raha Débiteur ny compte 603 dia MIHENA ny résultat comptable.

Torohevitra avy amin'ny Expert-Comptable nolazaina tamiko ity :

Betsaka ny comptable eto Madagasikara no mihevitra fa raha mitombo ny stock dia midika avy hatrany fa tsara ny orinasa. Tsy voatery marina foana izany nefa,

Ny fitomboan'ny stock dia mety:

-hampiakatra vonjimaika ny résultat comptable,
-saingy mety hidika koa hoe tsy lafo ny entana,
-be loatra ny entana mijanona ao aminy stock ao
-mety ho simba na lany daty ny entana,
-ary mety hiteraka olana amin'ny trésorerie, satria voafatotra ao anaty stock ny vola rehetra

Izany no antony tsy hijeren'ny Expert-Comptable ny variation de stock irery, fa ampitahainy amin'ny:

-chiffre d'affaires,
-marge brute,
-rotation des stocks,
-trésorerie

Mba hahafantarana raha tena mahomby sy salama ara-bola ny orinasa na tsia.

Expert comptable irery ihany no afaka mi-valider etats financiers eto Madagasikara, raha mila Etats financiers ny banque dia mila validation ny Expert Comptable izay vao mety. Izy ireo irery ihany no manana alalana amin'izany fa misoloky izay olona miteny hoe afaka manao izany nefa tsy Expert Comptable. ( Efa misy olona voatokanao aminy zareo member ny OECFM ireo )

Mahakasika ilay formation manomboka Lundi izao io, ho asinay fampianarana fanaovana Audit interne, financiers, fiscal 10 min isakin'ny séance iray, ny tanjona dia tsy comptable mpanao saisie fa comptable manao analyse tsara.

Amin'ny Lundi izany ny fotoana ry zareo ahh

Partenaire de votre développement à Madagascar

ZAH Comptable : La référence en comptabilité pratique à Madagascar.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ZAH Comptable posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share