18/01/2022
Ho anao MPIKAMBANA,
Mba ahafahan-tsika mandroso sy mampivelatra ny fikambanana dia ho tanterahina ny Asabotsy 5 febroary izao ny Assemblée Générale Ordinaire na ny AGO ny ASCUMA ao aminy Saha Ny Soa Antsirabe manomboka aminy 9 Ora maraina.
Ho hitan-tsika aminy izany ny tatitra ny asa vita miampy ny tatitra ara-bola ny fikambanana. Hovolavolaina ao koa ny vinavinan'Asa aminy 'ty taona 2022 'ty sy ireo hetsika rehetra kasaina hatao.
Hotanterahina amin'io fotoana io ihany koa fifampiarahabana tratry taona ny Club. Samia mitondra ny sakafo sy zava-pisotro mandritra ny fihaonana ary misy fampiratiana efa nomanina ka afaka mitondra bitro ny tsirairay izay mazoto handray anjara.
Ho zaraina amin'io ihany koa ny Règlement intérieur izay mifehy ny mpikambana sy ny fikambanana. Ary misy fotoana voatokana hifampizaran-tsika aminy halalan'ny "Questions-Réponses"
Hasaina ireo Bureau ASCUMA ao Antananarivo hanatrika ny AGO fa efa misy ny indemnité de transport (hiantohan'ny fikambanana ny fitanterana) izay homena anareo ka hiangavina ianareo hi-confirmé ny fahatongavanareo alohan'ny 29 janoary. Raha misy tsy fahafahana dia hiangaviana hampilaza mialoha.
Tsy miova ny laharana hazahoana ny fikambanana raha misy fanontaniana avy amintsika mpikambana.
hialana tsiny ety ampian-dohana raha misy tsy vita identification isika mpikambana fa hentanina kosa hifampilaza.
Fanamarihana: Hisy ny fisavana sy fanangonana ny CARTE MEMBRE eny am-pidirana koa hiangavina isika hitondra izany. Ireo izay mbola tsy manana dia efa homanina ao ny version 2022 anareo koa afaka tonga ianareo fa efa hananan'ny birao ny anaranareo tsirairay.
Mankasitraka hatrany!
Tojonirina Razafintseheno Mi-antso Rak Nanou Andritiana Nas Hugues Fabrice Ferme Acacia Antsirabe Crista Ferme DE Madagascar Norbert Rafalinirina Ranja Fredi Razafindrazanaka Na Tolotra Valimbavaka Iavo Robson Rémi Nantenaina