18/03/2026
FOMBA FITONDRANA ZEZIKA HO AN'NY VOLY
Ilaina ny fahaizana mitondra zezika satria tsy ny fitondrana zezika be dia be no tsara indrindra fa ny fahaizana mampiasa azy. Mila fantatra ihany koa ao anatin'izay ny filan'ny fambolena dia manarak'izay ny zezika entina. Ato isika ilay miresaka an'ilay hoe "ZEZIKA TSARA FATRA".
- FADIO NY ZEZIKA DISO BOSAKA (BE LOATRA) : Ny fitondrana zezika diso fatra "Excès d'engrais" dia mety handoro ny fakan'ny voly ka hahatonga azy tsy hitroka ara-dalàna ireo otrikaina ilainy sy mety hahafaty azy mihitsy.
- MILA FANTATRA IHANY KOA NY FILAN'NY VOLY ALOHAN'NY HITONDRANA ZEZIKA :
- Azota no tena ilain'ireo voly mandravina toy ny anana, salady, laisoa, persil, céleri,...
- Potassium (K) ilain'ireo voly mamoa toy ny voatabia, korzety, voatavo, tsaramaso, petit pois, ...
- Fôsfôro (P) ho an'ireo voly mamody toy ny karaoty, Ovy, betterave, mangahazo,...
Ka raha zezika be azota ohatra no entinao betsaka amin'ny volinao toy ny voatabia na ovy dia ho lasa mandravina be fotsiny ny volinao fa mety ho vitsy na ho kely ny vodin'ilay ovy azonao.
- AFANGARO AMIN'NY TANY RAHA ZEZIKA BIOLOJIKA : Tsara foana raha somary afangaro kely amin'ny tany ny zezika rehefa mamafy fa tsy avela hifandray mivantana amin'ny masomboly satria mety handoro ny masombolinao izany
- APETRAKA MANODIDINA NY FOTON'NY VOLY NY ZEZIKA : Rehefa mitondra zezika dia tsara raha manodidina ny fototry ny voly no hametrahana azy satria ny fakan'ny voly no mitroka ny otrikaina ilain'ny voly, izay tena miantoka ny vokatrao.
- MILA TOTOFANA TANY TSARA mba tsy ho danihin'ny masoandro ka mety hahavery ireo otrikaina ao anatiny
Na dia anisan'ny fototra tena ilain'ny fambolena ary ny zezika dia tsy ny fitondrana be dia be azy no mahatsara vokatra fa ny fahaizana mampiasa azy.
Hidirantsika lalindalina kokoa izy ireo amin'ny FIOFANANA AMIN'NY 28 MARS ho avy izao miaraka amin'ny fomba fanamboarana zezika biolojika toy ny KAOMPOSTA, LOMBRICOMPOST, RANON-JEZIKA,...
Mandroso miaraka no tanjona 🤗