15/09/2023
Raha hanangana couveuse dia mila :
* caisson baoritra na contreplaqué na hazo arafitra ka azonao asiana polystyrène ao anatiny na tsia! hampitombo ny tahampihazonana hafanana io
* source de chaleur ka azo atao mampiasa resistance chauffante na lampe tsotra (40w, 60w, 75w, 100w ... ) ny isany araka ny haben'ny caisson(zany oe ny surface hafanaina)
* source d'humidité satria mila hamandoana ny atody( rano anaty cuve na bac a eau ka mientona hanamando ny atody)
* mila lavaka kely aeration mba hiditra sy hivoaka ny rivotra! mila oxygène ny atody hivelomany!
* ny ametrahana atody : raha vitsy dia azonao asiana lafika fotsiny anatin'ilay caisson de alahatra eo ny atody, zany oe ladina antany ny atody ao! hiiii3! raha maromaro kosa dia manamboatra etagère toa ny am sary!
no fototra raha hanangana couveuse fa hanatsarana azy dia mila :
* ventilateur mba hanaparitaka ny hafanana sy hamandoana ao anatin'ilay caisson ka mba tsy ny atody akaiky source de chaleur ihany no hafàna fa hitovy ny hafanana azon'ny atody na akaiky na alavitry ny source!
* thermomètre sy hygromètre! ny thermomètre hitsapana ny hafanana ka tokony hanodidina ny 37.5°c ny hafanan'ny atody. Ny hygro- na hydromètre dia natao hitsapana ny hamandoana ao anatin'ny caisson (tsy aiko tsara izy io fa rah tsy diso aho dia 60% atram 18jr ary 90% manomboka 18 hatram 21jr. )(jereo ny fafana am sary)
* thermostat natao hibaiko ny source de chaleur, zany hoe mandeh ny jiro raha latsaka ny hafanana ary maty hoazy rehefa mitady hioatra ny hafanana ao anaty caisson. atao 37°c ohatra ny ambany ka velona hoazy ny jiro rehefa 37 ny température ary atao 38°c ohatra ny ambony ka raha mahatratra an'io ny temperature dia maty ho azy ny jiro. zany hoe natao tsy hampangatsiaka loatra na hampafana ny atody loatra ny thermostat. sao lasa œuf dure! hiii4.
, mila avadika ny atody ao anaty couveuse ka misy manao azy indray isan'andro ary misy manao azy indroa! natao io mba tsy hiraikitra amin'ny lafiny iray hatrany ny ao anatîn'ny atody!
tsy avadika intsony kosa roa andro alohan'ny hahafoizany!
mahavanoana jiaby!
raha misy adinoko na misy diso de aza ompaina aho. 😂😂😂😂 fa tsy pro aho fa mba te hizara! hiii3!