06/08/2026
Tononkalo kely indray ary aloha:✍️
👉IKALA ROTSIKO👈
1)Rehefa ilay izaho irery na tsy irery ireny
Eo ianao ry Kiala Rotsiko mba namako mameno kely
Betsaka ianareo e!fa ny asa tokana iombonana
Dia ny rotsy mandrotsirotsy sy mahasambatra be anay olona.
2)Miboraka ny fitiavako rehefa eo ianareo
Milaza tsy anontaniana mankafÿ tsy mety afa_po sy tsy leo
Oay izany izy e!tsirom_piainana milay be
Dia ny fiantraikanao amiko ry Kiala Rotsiko tiako be.
3)Ianareo rehetra mihintsy fa tsy misy ankanavaka
Toetra sy fitiavako hatr@'zay hay sy efa fantatra...,
Omeko lanja manokana mihintsy ianareo rehefa izaho no eo
Satria omenareo fahafinaretana sy rotsy tsy mankaleo.
4)Ikala Rotsiko no ilazako sy niantsoako azy ny farany
Amin'ilay izy rehefa eo dia tena voarotsirotsy ny saiko sy vatako
Hany ka!niainga hatr@ aingam_panahiko tsy tanako
Amborahako ny fiantraikany sy ny fitiavako azy ato anatiko.
5)Mitady mafy anao aho rehefa ianao tsy eo iny,nefa tena ilaiko
Tsy misy azoko atao fa dia mihafy dia miaritra sy zakaiko
Indrisy akia ry Ikala Rotsiko;aiza ré ianareo e!
Izaho ilay tena tia sy tena tsy mahafoy sy manaja anao.
6)Manafoana ny korontana sy ny elingelina amiko mantsy ianao
Ikala Rotsiko ô!andao isika iaraka tsy ho lao sy tsy ho leo
Mifankatia mihintsy izany e!andao tena hiara_dalana
Tsy iza moa ianareo fa ny orana avy sy ny hira henoina,sy ny sisa sy ny sisa.
7)Izay r'Ikala rotsiko a!lava loatra ilay famborahako
Kanefa tsy maintsy lazaiko hoe izany no tato anatiko ry tiako,
Rotsiko ô?Ikala Rotsiko kay moa e!oadray!
Ny firaisana lalanan_tsika anie ho m/zay.
👉Ra Seth✍️