08/12/2023
❤
GROUPE MIAREMA KAIAMBA ANDRAREZIGNA AMIN'NY KANTO MALAGASY SADY NITONDRA LAZAN'I FENERIVO
----------------------------------------------------------------------------
🟢Izovy mo zareo MIAREMA zegny akà oh? (Angon-tantara fohy mahakasika ny tarika)
1972: Taona nanombohana nihira
1974: Fifaninanan-kira Nasionaly (ANTSA) izay nandrombahany ny amboara voalohany tamin'izany (Trophée 🏆 ANTSA); "Koragno Mangingigny" no hira nahazoana fandresena (1er). Tao amin'ny Gymnase SOAVITA Toamasina no toerana nanaovana azy. Anisany niaraka nifaninana tamin'izay ny tarika Rossy.
🟢Tsy hita eo amin'ny sary i Tompokolahy Jean Fredy fa i Dédé kosa io mitazona trophée io, satria rehefa vita ny concours tamin'izany tonga dia nahazo contrat tamin'ny studio (producteur) araiky tena matanjaka izy ka niakatra Antananarivo avy hatrany.
🟢Nalaza naneran'i Madagasikara ny sanganasan'ny tarika MIAREMA
🟢I Tompokolahy TSIZARAINA EMILE no MPIAHY (Parrain) ny groupe tamin'izany fotoana izany, ary izy no nametaka ny anarana MIAREMA.
🟢Gadona: Bassesa sy Kaiamba no ataony
🟢Fa amin'izao kosa raha toa ka nangingina kely maromaro taona izay ny tarika dia niverina nitsangana izy izao, ary manao ny asa maha orchestre (Mpampandihy) azy izy ireo. Dia izay mbola eo no mitarika fa ny tanora (relève) no mandrafitra. Ary gadona rehetra no ataony.
🟢Ny Ôlo maventy eto Fenerive-Est sy Vavatenina aloha hatreto dia efa resy lahatra amin'ny fahaizamanaony ka matetika miantso azy ireo rehefa misy lanonana.
🟢Ny sisa tavela : Meta, Denis, Joël, Masako(Styliste no manager)
1ère partie no andraisany anjara amin'ny Tröbajihy 4e édition hoavy io
-------------------------------------------------------------------------------
Ny mpanangona tantara : Imboantenaina Nadège
Ny mpitantrara: SENTA Denis Christophe (Batteur/Chanteur Jean Fredy)