30/08/2023
“Isan’andro aho, isaky ny mijery azy ity dia mahatsiaro sy mivavaka ho anareo” hoy ny Papa Ray Masina taminay teto. Nampihetsi-po anay mivady manokana ny nahita ity sarin-tsambo ity, izay fanomezana nomentsika Malagasy ny Papa Fransoa ny taona 2019, tato an’efitra fiasany sy fandraisany ireo filoham-panjakana rehetra eto Vatikana .
Misaotra eram-po eran-tsaina anao izahay ry Ray Masina, Papa Fransoa tamin’ny nandraisanao an’i Madagasikara ho ao am-ponao