03/10/2023
fotoanany izao ry namana Malagasy isany๐โ
SAFIDY NY HAHANTRA, SAFIDY NY HANAN-KARENA.
Mandra-pahoviana ianao no hanome tsiny ireo Ray aman-dreninao?
Mandra-pahoviana ianao no hanome tsiny ny fanjakana?
-ka izao anie Mr Joel eee..., raha mba nanan-karena mantsy ireo Ray aman-dreniko ireo an... dia tsy nahantra aho..
-Raha mba nahay mantsy izao io mpitondra io an... dia tsy nahantra aho..
Mba fantatrao ve fa ny mahantra dia mpanome tsiny ny hafa?
Ny mahantra dia mitady olona hanamarinany ny tenany hoe mahantra izy?
Mety ny Ray aman-dReniny no lazainy fa nampahatra azy, mety ny fanjakana ...
Ny mahantra dia tsy mavita mandinika ny tenany izany.
Ny mahantra dia tsy mavita mijery fitaratra izany.
Ny mahantra dia mihijingizina amin'ny heviny fa tsy nisafidy ny hahantra izy.
Ny mahantra dia mitazona ny heviny fa tsy misy fahadisoany na dia kely no nampahantra azy.
Ny mahantra dia kamo sy mitady "exuse" amin'ny fahantrany ka lazainy fa nisy namosavy hono ny fiainany.
Ny mahantra dia mpanamari-tena fa aminy dia tsy izy no diso fa ny olona rehetra.
Hey,
Ianao no misafidy ny lalana hitondranao ny fiainanao fa tsy ny hafa.
Hoy i Bill Gates : "Raha teraka tao anaty fianakaviana mahantra ianao dia tsy safidinao, tsy adisoanao izany... fa raha maty mahantra ianao dia safidy sy adisoanao"
Ry namana,
Aza diso "adversaire" ianao.
Mifohaza amin'ny torimasonao dia mijereva fitaratra.
-Io olona mifanatrika aminao amin'ny fitaratra io no "adversaire"nao voalohany fa tsy ny fanjakana.
-Io olona itanao amin'ny fitaratra io no "adversaire" nao voalohany fa tsy ireo Ray aman-dReninao.
Ny safidy ataonao androany no hamaritra ny rahampitsonao.
Hiandry Fanjakana ve ianao vao hiova?
Sa ianao no mila fiovana?
Hiandry ireo Ray aman-dReninao ve ianao vao hiova?
Sa ianao no mila manova zavatra?
Lavo ny fahatrana.
Meteza ho tompon'andraikitra.
Ndao hanova zavatra