Patrick rafanomezantso

Patrick rafanomezantso Fianarantsoa

21/09/2024
12/10/2022

🌳 PARC NATIONAL RANOMAFANA - RĂ©gion Vatovavy

đŸ”čAny amin’ny 412 km miala an’Antananarivo, ao amin’ny faritra Vatovavy no misy ny valan-javaboary Ranomafana. Ny velarantaniny 41.601 ha dia mandrakotra ala mikitroka mando hatrany amin'ny haavo 1400 m.
đŸ”čIty toerana izay tafiditra anaty "Patrimoine mondial de l'UNESCO" ity dia fonenan'ny biby sy zavamaniry isan-karazany.
đŸ”čMisy karazana zavamaniry tsy fahita firy: hazo rofia, orkide, pandanus, Ampanga, volotara, sns.
đŸ”čMikasika ny biby dia misy: karazana varika 12 đŸŠ„, karazana trondro 6 🐟, karazana bibikely 74 🩗, lolo 90 🩋, karazana hala 350 đŸ•·, karazana crustacĂ©s 6🩞 izay eto ihany no ahitĂ na azy, biby mandady karazany 58 🐍, amphibianina 98 🐾, 115 amin'ireo vorona 257 🩉 avy eto Madagasikara, ny ankamaroany dia tsy fahita firy, biby mampinono mpihinana hena 7 🩝, mpihinana bibikely 20 🩔, karazana chiroptera 7 🩇, anisan'izany ny « myzopoda » izay tsy misy afa-tsy eto Madagasikara, karazana biby mpikiky 13 🐀

đŸ“·Madagasikarako

https://www.facebook.com/107571601475301/posts/340660481499744/?app=fbl
10/05/2022

https://www.facebook.com/107571601475301/posts/340660481499744/?app=fbl

đŸ‡Č🇬 Ny tsara ho fantatra momban’ny resaka FandovĂ na sy ny Didim-pananana. ⚠


Araka ny Andininy voalohany ao amin'ny LalĂ na 68-012 tamin'ny 04/07/1968, Ny FandovĂ na ("succession") dia famindrĂ na ny fanĂ nana navelan'ny maty; na izany fanĂ nana mivaingana ("biens"), na izany Zo ("droits"), na izany ...adidy("obligations").
Izany hoe, VOARARAN'NY LALĂ NA NY ...MANDOVA OLONA ..VELONA!

Ny FandovĂ na dia misy karazany 2:

1-FandovĂ na tsy misy Didim-panĂ nana ("succession sans testament")
2- FandovĂ na vokatry ny Didim-panĂ nana ("succession testamentaire")

I-).FANDOVĂ NA TSY MISY DIDIM-PANANANA:

Raha tsy nanao Didim-panĂ nana ny Maty, na nisy fananany tsy voalazan'ny Didim-pananana ny mahakasika azy, dia toy izao manaraka izao ny filaharan'ny Mpandova araka ny andininy faha -16 amin'ny LalĂ na 68-012 voatsiahy etsy aloha:

1-ZANAKA NATERAKA ("enfants")
2-ZAFIKELY (zanaky ny zanaka naterakana na "petits enfants")
3-RAY AMAN-DRENY NITERAKA ("pĂšre et mĂšre")
4-ANADAHY SY ANABAVY IRAY TAM-PO (frĂšres et soeurs")
5-ZANAKY NY ANADAHY SY ANABAVY IRAY TAM-PO ("enfants des frĂšres et soeurs")
6-IRAY TAM-PO AMIN'NY RAY AMAN-DRENY NITERAKA ("Oncles et tantes")
7-ZANAKY NY IRAY TAM-PO amin'ny RAY AMAN-DRENY NITERAKA ("cousines germaines et cousins germains")
8-VADY VITA SORATRA ("conjoint")
9-FANJAKĂ NA MALAGASY ("Etat Malagasy")

Marihana fa:
1-) Very ny zo maha-mpandova raha voaporofo fa namono ny Maty ilay Mpandova!
2-) Raha misy ny laharana eo aloha dia tsy mahazo ny afara!..Ohatra: Raha mbola velona ny ray aman-dreny dia tsy mirotsaka ho mpandova ny iray tam-po!
3-) Azo atao ny fisoloana toerana ("représentation")!..Ohatra Maty i Bera. Mpandova azy ny zanany Dera sy Monika ary i Koto. Raha maty i Koto dia mirotsaka maka ny laharany i Remy sy Berthe zanany, izany hoe, ny anjaran'i Koto dia ifampizaran'i Remy sy Berthe zanany!

Fanontaniana tena matetika mipetraka dia ny hoe : "AFAKA MANDOVA VE NY ZANAKA ANELAKELA-TRANO"?

Ny atao hoe "zanaka" dia izay nateraky ny Maty ka voaporofo ARA-DALàNA izany rohy izany ("ceux qui sont nés du défunt pourvu que leur filiation soit légalement établie")

Marihana fa TSY MITOVY NY ZAZA IVELAN'NY FANAMBADIANA ("enfants naturels") sy ny ZANAKA ANELAKELAN-TRANO ("enfants adultérins")!!...Ny ZAZA IVELAN'NY FANAMBADIANA dia izay rehetra ZAZA NATERAKY NY LEHILAHY FONY IZY MBOLA TSY VITA SORA-PANAMBADIANA tamina vehivavy iray ka MISORATRA AMINY!...Afaka mandova azy malalaka ireo!

Ny ZAZA ANELAKELAN-TRANO ("enfants adultérins") dia ZAZA nateraky ny lehilahy iray EFA VITA SORATRA tamina vehivavy hafa ankoatry ny vadiny!..Azon'ilay lehilahy soratana aminy ilay zaza, saingy araka ny andininy faha-22 ao amin'ny Lalàna 63-022 tamin'ny 20/11/1963 mahakasika ny fizanahana ("article 22 de la loi 63-022 du 20/11/1963 sur la filiation") dia ZO ara-TSAKAFO ("obligation alimentaire") ihany no ananan'ilay zaza fa tsy Zo Handova!...Raha manaiky an-tsoratra ny fanjànahana nataon'ilay lehilahy kosa anefa ny vady vita soratra aminy dia heverina ho toy ny zaza nateraka ilay zaza anelakela-trano!

Fanontaniana iray lehibe ary manomboka mahatohina ny maro ankehitriny ihany koa ny hoe: "NAHOANA NO ANY AMIN'NY ALOHAN'NY FARANY NO LAHARAN'NY VADY VITA SORATRA"? Nefa niaraka nihary?

Marihana fa talohan'ny nanaovana an'io LalĂ na 68-012 tamin'ny 04/07/1968 mahakasika ny FandovĂ na io dia nisy ny fanadihadiana lalina natao tamin'ny fiaraha-monina eran'ny lafy valon'ny Nosy. Nipoitra avy amin'izany fa amin'ny ankamaroan'ny Malagasy dia FARA-HAVANA NY ...VADY!.

II-FANDOVĂ NA VOKATRY NY DIDIM-PANANANA ("Successions testamentaires")

MASI-MANDIDY amin'ny FANANANY NY OLONA TSIRAIRAY!
Noho izany, afaka manapaka izay tiany hotolorana ny fananany na anaovany izany ny tenany aorian'ny fahafatesany!

Ny SORATRA MIRAKITRA IZAY ANAOVAN'NY TSIRAIRAY NY FANANANY AORIAN'NY FAHAFATESANY no atao hoe..."DIDIM-PANANANA"

Fanontaniana: "IZA Ă ry NO AMBONY: ILAY FANDOVĂ NA TSISY DIDIM-PANANANA VOALAZA ETSY ALOHA VE SA NY FANDOVĂ NA VOKATRY NY DIDIM-PANANANA"?

Raha nanao Didim-pananana ("testaments") ny Maty dia ny Didim-pananana aloha no hajaina ka tsy maintsy tanterahina!
Izany hoe, Ohatra: raha nilaza ny Maty tao anaty Didim-pananana navelany fa ny vadiny no hany mandova ny fananany rehetra dia...MIHAHAKA DAHOLO ny zanaka naterany sy ny havany rehetra fa TSY MAINTSY OMENA an'ilay vady ny rehetra!.

Tsetsatsetra tsy aritra no ilazĂ na fa io karazana Didim-pananana io no antsoina amin'ny Teny Frantsay hoe :"testaments conjonctifs"!

Ohatra ihany koa: raha nanao Didim-pananana ilay maty hoe..."Rasoamanahirana" no HANY MANDOVA azy dia...MIHAHAKA ihany koa ny zanany, havany, vadiny voalaza etsy aloha rehetra fa dia tsy maintsy atolotra an'i Rasoamanahirana izany ny fananany rehetra!
Azon'ilay Mpandova voatondron'ny Didim-pananana anefa ny ..mandĂ  tsy handray izay lova atolotra azy!

Fanontaniana: "MISY FEPETRA FOTOTRA VE NY DIDIM-PANANANA"?
Misy fepetra fototra TSY MAINTSY HAJAINA tokoa ny DIDIM-PANANANA raha tsy izany dia azo foanana eny anivon’ny Fitsaràna Ady Madio izy.

Ireto manaraka ireto izany :
-tsy maintsy FANANANA EFA MISY no ampidirina ao anaty Didim-pananana ;
-tsy azo ampidirina ao anaty Didim-pananana ny fananan’ny hafa (andininy faha 48 amin’ny Lalàna 68-012 tamin’ny 04/07/1968)
-tsy maintsy manaja ny LalĂ na (« loi »), ny filaminam-bahoaka (« ordre public »), ary ny fahatsarĂ na eo amin’ny ara-moraly (« bonnes mƓurs ») ny 
didim-pananana!
Noho ireo indrindra no mahafoana ny Didim-pananana ho an’ny 
zaza anelakela-trano, ho an’ny biby (saka, alika, omby
)
Fanontaniana: «MISY FOMBAFOMBA ARAHANA VE REHEFA HANAO DIDIM-PANANANA ? »

Tena misy dia misy tokoa ny fombafomba (« formes ») tsy maintsy hajain’ny Didim-pananana !
Tena TEKNIKA BE IREO, kanefa NY TSY FANAJĂ NA AZIREO DIA 
MAHAFOANA AVY HATRANY ILAY DIDIM-PANANANA !!..Koa ny tsara sady azo antoka indrindra mba ialĂ na amin’izay mety ho fahafoanana any aoriana izay dia ny manantona MPITAMBOLANELA (« notaires ») izay efa niofana ny amin’izay ary tompon’andraikitra raha misy ny fahafoanana any aoriana.

Ahoana kosa ny momba ny "Donation" sy ny "Dés-héritage"

1-) Ny "donation" na FANOLORANA eo amin'ny samy velona dia azo atao tokoa!. Malalaka ny amin'izay tiany hanolorana ny fananany ny tsirairay. Saingy TSY MAINTSY EO ANATREHAN'NY "NOTAIRE" NO ANAOVANA AZY raha tsy izany dia foana!

Marina tokoa fa kely ny hetra aloa amin'iny raha eo amin'ny ray aman-dreny sy zanaka.

2-) Azo atao dia azo atao tokoa ny manala tsy ho isan'ny mpandova ("dés-héritage") ny zanaka iray. Amin'ny alalan'ny Didim-pananana no ahafahana manao an'io.Raha tsy ampy taona (latsaky ny 21 taona) na tsy mahatondra tena ("incapable") anefa ilay zaza dia afaka mangataka amin'ireo Nahazo lova tamin'ny alalan'ny Didim-pananana izy mba hahazo ampahany amin'ny Lova azon'izireo ho ...sakafo!..Raha mandà tsy hanome izany ampaham-pananana izany ireo Nahazo lova ireo dia herin-taona aorian'io fandàvana io no ahafahany mitondra ny raharaha eo anivon'ny Fitsaràna Ady Madio.

Ahoana indray momba ny Didim-panana mametraka ny Lova tsy mifindra ka tsy azo amidy ivelan'ny fianakaviana ny Lova
Tsy voatery hijanona ao anaty fiaraha-manana ny Tompom-pananana ("Nul propriétaire indivis n'est obligé de rester dans l'indivision")
Masi-mandidy amin'ny fananany ny tsirairay!

Ny Didim-pananana dia ..FAMINDRĂ NA FANANAN'NY MATY!..Izany hoe, lasan'ilay Mpandova tanteraka ilay ..fananana ary ..masi-mandidy amin'izany izy!..Koa ny fepetra apetraky ny Didim-pananana iray izay milaza fa tsy azo zaraina ny tany na koa hoe tsy azo amidy amin'olon-kafa ankoatran'ny mpiray tam-po na ny fianakaviana ny fananana dia foana satria mifanohitra amin'ny lalĂ na!

Raisin'ny Notaire foana io clause testamentaire io.. Azon'ilay Mpandova atao anefa avy eo ny mangataka amin'ny Fitsaràna ny alalana hivarotra an'ilay tany.. Ary tsy maintsy omen'ny Fitsaràna alalana amin'izany izy. Ny antony dia satria efa voafindra aminy ny fananana. Ary droit absolu ny droit de propriété! Izay ilay hoe ..."masi-mandidy"!.. Koa ilay Mpandova dia HALALAKA foana hivarotra an'ilay tany na amin'iza na amin'iza satria fananany feno iny tsy misy mifandrigotra aminy amin'izany na ilay maty nanome azy feno ilay fananana aza!

❗Amin’ny manaraka dia hoentintsika eto ny momba ireo sazy miandry ny mpanodina fananana iombonana.

02/03/2022

LES 10 CLÉS DE LA RÉUSSITE EN ENTREPRENEURIAT
1- LA PASSION
La passion ne signifie pas nĂ©cessairement qu’une entreprise doit ĂȘtre construite autour d’une passion, mais plutĂŽt qu’elle se construit avec passion. Et cette passion qui est le moteur de l’action naĂźt des valeurs que nous honorons au travers de ce travail.
2- LE TRAVAIL
Se mettre Ă  son compte, c’est du boulot. Ceux qui s’imaginent qu’ils vont pouvoir se la couler douce se trompent et la plupart du temps, l’une des difficultĂ©s rencontrĂ©es par les entrepreneurs, c’est d’arrĂȘter de travailler et de s’autoriser un peu de repos de temps en temps. Or, pour rĂ©ussir, mieux vaut savoir prendre un tant soi peu soin de soi.
3- L’EXPERTISE
Etre bon dans ce qu’on fait. MĂȘme trĂšs bon. Et devenir expert dans son mĂ©tier est un subtil mĂ©lange de pratique et d’apprentissage continu. Ceux qui estiment ĂȘtre arrivĂ©s Ă  un stade oĂč ils peuvent se contenter de l’expĂ©rience accumulĂ©e ont tendance Ă  stagner et Ă  se prendre au piĂšge des limites de leur expertise, qui devient rapidement une collection d’idĂ©es reçues. En tant qu’entrepreneur, il est tout aussi important de savoir s’entourer d’experts Ă  qui l’on pourra dĂ©lĂ©guer ce qu’on ne sait pas/ne veut pas faire.
4- LA FOCALISATION
Etre focalisĂ© sur son objectif, c’est savoir se concentrer sur chacun des objectifs que l’on se fixe, mais aussi avoir une vision Ă  court, Ă  moyen et Ă  long terme du dĂ©veloppement de l’entreprise. Etre concentrĂ© sur cette vision ne signifie pas qu’elle est figĂ©e ou gravĂ©e dans le marbre: elle peut ĂȘtre ajustĂ©e en fonction des circonstances et des envies. La garder Ă  l’esprit permet d’avoir un cap et ne pas naviguer Ă  l’aveuglette.
5- DÉPASSER SES LIMITES
Aller toujours un peu plus loin, oui. DĂ©velopper ses compĂ©tences, dĂ©passer des doutes, surmonter une Ă©ventuelle timiditĂ©, oui. En revanche, Richard St John encourage Ă  se dĂ©passer physiquement, ce qui laisse dubitatif, car cela peut rapidement se traduire par l’acceptation d’un excĂšs de fatigue qui mĂšne surtout Ă  une baisse en efficacitĂ© et un risque que “plus loin” devienne vite “trop loin”. Attention Ă  la possibilitĂ© de burnout.
6- LA VALEUR
Proposer des produits qui apportent une rĂ©elle valeur ajoutĂ©e. EspĂ©rer prendre des parts de marchĂ© en n’apportant rien de plus que la concurrence est illusoire. Vouloir rĂ©ussir en inventant des besoins de consommation qui se subsituent aux rĂ©els besoins de l’ĂȘtre humain est non Ă©thique car psychotoxique. La valeur, c’est le bĂ©nĂ©fice rĂ©el du produit pour le client.
7- LA CRÉATIVITÉ
Innover: en rĂ©pondant aux besoins du client de façon toujours plus pertinente. Innover en inventant de nouveaux moyens de faire connaĂźtre ses produits, en se prĂ©occupant davanatage du “comment je m’y prends” que du “est-ce rĂ©aliste”. Innover en tirant les leçons des expĂ©riences dĂ©cevantes et en s’appuyant dessus pour gĂ©nĂ©rer d’autres stratĂ©gies.
8- LA PERSÉVÉRANCE
Bien entendu, mais pas n’importe comment. Remettre cent fois sur le mĂ©tier un ouvrage qui ne marche pas, ça n’est pas de la persĂ©vĂ©rance, c’est une stratĂ©gie d’échec. Donc persĂ©vĂ©rer en remettant la stratĂ©gie en cause si elle ne fonctionne pas, et l’ajuster jusqu’à ce qu’elle donne satisfaction.
PersĂ©vĂ©rer, c’est aussi se lancer et aller au bout malgrĂ© les critiques, les fĂącheux, les pisse-vinaigre.
Ces 8 points font partie intĂ©grante d’une dynamique entrepreneuriale qui permet de fonctionner de façon autonome et de s’affranchir des codes pour peureux, des idĂ©es reçues, pour s’autoriser Ă  crĂ©er son propre chemin.
Rajoutons deux points qui correspondent aux triplettes relationnelle et opérationnelle, socle de toutes nos réussites et qui viennent compléter les 8 points précédents pour créer le PROTOTYPE du parfait petit entrepreneur (qui deviendra grand):
9- LA RELATION À SOI, L’AUTRE ET AU TRAVAIL
Indispensable pour construire un projet cohĂ©rent en s’appyuant sur ce qui nous anime vraiment, croire en soi et en ses capacitĂ©s Ă  le mener Ă  bien, le partager et le faire vivre avec assurance et conviction.
10- L’ACTION
Avoir une forte capacitĂ© Ă  agir est indispensable Ă  la rĂ©ussite d’une entreprise. Elle se dĂ©veloppe grĂące au renforcement de l’estime de soi qui suscite l’envie de passer Ă  l’action, ainsi qu’au travers de la triplette:
Evaluation de la situation
Décision
Mise en action
qui se rĂ©pĂšte ensuite: Ă©valuation du rĂ©sultat, dĂ©cision sur les ajustements nĂ©cessaires, mise en Ɠuvre, etc.

28/02/2022

LA LISTE DE QUELQUES COMBINAISONS
En savoir plus sur l'ordinateur.
La version PDF est disponible sur ce lien : https://wp.me/acMF7u-7ND

Ctrl + A - Sélectionner tout
Ctrl + B - Bold
Ctrl + C - Copie
Ctrl + D - Remplir
Ctrl + F - Trouver
Ctrl + G - Gras
Ctrl + H - Remplacer
Ctrl + I - Italique
Ctrl + K - Insérer un lien hypertexte
Ctrl + N - Nouveau classeur
Ctrl + O - Ouvert
Ctrl + P - Imprimer
Ctrl + R - Rien Ă  droite
Ctrl + S - Enregistrer
Ctrl + U - Souligné
Ctrl + V - Coller
Ctrl W - Fermer
Ctrl + X - Coupe
Ctrl + Y - Répéter
Ctrl + Z - Annuler
F1 - Aide
F2 - Édition
F3 - Coller le nom
F4 - Répétez la derniÚre action
F4 - Lors de la saisie d'une formule, basculez entre les références absolues / relatives
F5 - Goto
F6 - Next Pane
F7 - Vérification orthographique
F8 - Extension du mode
F9 - Recalculer tous les classeurs
F10 - Activate Menubar
F11 - Nouveau graphique
F12 - Enregistrer sous
Ctrl +: - Insérer l'heure actuelle
Ctrl +; - Insérer la date actuelle
Ctrl + "- Copier la valeur de la cellule ci-dessus
Ctrl + '- Copier la formule Ă  partir de la cellule ci-dessus
Maj - Réglage du décalage pour des fonctions supplémentaires dans le menu Excel
Shift + F1 - Qu'est-ce que c'est?
Shift + F2 - Modifier le commentaire de la cellule
Shift + F3 - Coller la fonction dans la formule
Shift + F4 - Rechercher Suivant
Shift + F5 - Find
Maj + F6 - Panneau précédent
Shift + F8 - Ajouter à la sélection
Shift + F9 - Calculer la feuille de travail active
Shift + F10 - Affichage du menu contextuel
Shift + F11 - Nouvelle feuille de calcul
Shift + F12 - Enregistrer
Ctrl + F3 - Définir le nom
Ctrl + F4 - Fermer
Ctrl + F5 - XL, taille de la fenĂȘtre de restauration
Ctrl + F6 - FenĂȘtre du classeur suivant
Maj + Ctrl + F6 - FenĂȘtre prĂ©cĂ©dente du classeur
Ctrl + F7 - DĂ©placer la fenĂȘtre
Ctrl + F8 - FenĂȘtre de redimensionnement
Ctrl + F9 - Minimiser le classeur
Ctrl + F10 - FenĂȘtre Maximiser ou restaurer
Ctrl + F11 - Inset 4.0 Macro feuille
Ctrl + F1 - Fichier Ouvert
Alt + F1 - Insérer un graphique
Alt + F2 - Enregistrer sous
Alt + F4 - Sortie
Alt + F8 - BoĂźte de dialogue Macro
Alt + F11 - Visual Basic Editor
Ctrl + Shift + F3 - Créer un nom en utilisant les noms des étiquettes de ligne et de colonne
Ctrl + Maj + F6 - FenĂȘtre prĂ©cĂ©dente
Ctrl + Maj + F12 - Impression
Alt + Maj + F1 - Nouvelle feuille de calcul
Alt + Maj + F2 - Enregistrer
Alt + = - AutoSum
Ctrl + `- Valeur de basculement / affichage de la formule
Ctrl + Shift + A - Insérez les noms d'arguments dans la formule
Alt + flĂšche vers le bas - liste Affichage automatique
Alt + '- BoĂźte de dialogue Style de format
Ctrl + Shift + ~ - Format général
Ctrl + Shift +! - Format Comma
Ctrl + Shift + @ - Format de l'heure
Ctrl + Shift + # - Format de la date
Ctrl + Shift + $ - Format de la devise
Ctrl + Shift +% - Format de pourcentage
Ctrl + Shift + ^ - Format exponentielle
Ctrl + Shift + & - Placez la bordure du contour autour des cellules sélectionnées
Ctrl + Maj + _ - Supprimer la bordure du contour
Ctrl + Shift + * - Sélectionnez la région actuelle
Ctrl ++ - Insérer
Ctrl + - - Supprimer
Ctrl + 1 - Format de la boĂźte de dialogue des cellules
Ctrl + 2 - Bold
Ctrl + 3 - Italique
Ctrl + 4 - Souligné
Ctrl + 5 - Strikethrough
Ctrl + 6 - Afficher / Masquer les objets
Ctrl + 7 - Afficher / masquer la barre d'outils standard
Ctrl + 8 - Toggle Outline symbols
Ctrl + 9 - Masquer les lignes
Ctrl + 0 - Masquer les colonnes
Ctrl + Shift + (- Afficher les lignes
Ctrl + Maj +) - Afficher les colonnes
Alt ou F10 - Activer le menu
Ctrl + Tab - Dans la barre d'outils: barre d'outils suivante
Shift + Ctrl + Tab - Dans la barre d'outils: barre d'outils précédente
Ctrl + Tab - Dans un classeur: activez le prochain classeur
Shift + Ctrl + Tab - Dans un classeur: activer le classeur précédent
Onglet - Outil suivant
Shift + Tab - Outil précédent
Entrez - Faites la commande
Shift + Ctrl + F - Liste déroulante des polices
Shift + Ctrl + F + F - Onglet Police de Format Cell Dialog box
Maj + Ctrl + P - Taille de point Liste déroulante.
Centre Manguay la référence des centres.

Mise en PDF par Sunucode
La version PDF est disponible sur ce lien : https://wp.me/acMF7u-7ND

25/04/2021

TOE-TSAINA SY FOMBA FIJERY ENTI-MIAINA

Miainga avy ao amin’ny saintsika ny zavatra rehetra . Ny fahombiazantsika eo amin’izay ataontsika dia miankina betsaka amin’ny toe-tsaina sy ny fomba fijerintsika . Mandrafitra ny fatran’ny fahasambaranao ny toe-tsaina sy ny fomba fijerinao . Tsara ny matory amin’ny kidoro sipaonjy matevina , saingy tsy hitondra torimaso tsara ho anao izany rehefa ny fankahalana olona no entinao matory .

Maro ny olona no gejain’ny toe-tsaina sy ny fomba fijery tsy mahomby , ka sady mampijaly ny tenany izy no manimba ny hafa ihany koa .

Ireto ary misy toe-tsaina sy fomba fijery telo tsara ananana eo amin’ny fiainana , izay manampy antsika ray aman-dreny ihany koa amin’ny fanabeazana ao an-tokantrano . Manasa anao izahay mba hamaky izany amin’ny fandinihana milamina mba hahazoanao ny tombontsoa raketiny .

1° Aza miandry zavatra betsaka avy amin’ny hafa momba anao : raiso an-tanana ny fiainanao . Ianao no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fahasambaranao . Tsy misy olona mahavita tena akory , mila ny hafa ianao , izy koa mila anao ; saingy mety ho diso fanantenana ihany ianao raha miandry sy miantehitra amin’ny hafa . Antony iray mampitombo ny rarin-tsaina ao amin’ny olona mantsy ny fiandrasana .

Araka izay azonao atao , dia karakarao ny tenanao sy ny toe-ponao . Raha te hisotro rano ianao , dia makà fotsiny izay ilainao , fa tsy voatery haniraka olona ianao . Raha tonga ny tsingerin-taom-pahaterahanao , dia misaora an’Andriamanitra . Afaka mividy fanomezana ho an’ny tenanao ianao , ary afaka manomana fanomezana ho an’ny mpianakavy ihany koa , mba hampitombo ny fifalianao.

2° Ataovy am-pitiavana izay tokony ho andraikitrao : raha mahita ianao fa adidinao ny mamelona sy mikarakara ny vady aman-janakao ,dia ataovy am-pitiavana izany . Safidinao ny hanambady ny vadinao ; faniriana lehibe teo aminao ihany koa ny hiteraka ny zanakao , dia efao am-pitiavana izay mahasoa azy ireo . Aoka tsy ny adidy no hanosika anao hanao zavatra , fa manao izany ianao satria tarihan’ny fitiavana .

Raha sady manadio trano ianao ohatra , no mimenomenona amin’izay tsy manao , dia ho very hery roa be izao ianao . Ny fimenomenomanao indray aza no lasa mandreraka anao fa tsy ilay fanadiovana ataonao . Voakosoka ho azy ihany koa miaraka amin’izay ny fahafinaretana tokony ho azonao amin’ilay trano madio. Arovy ny toe-ponao tsy ho simban’ny fihetsiky ny hafa . Ho avy hanampy anao ny zanakao rehefa manasa azy am-pitiavana ianao .

3° Aoka hanana faharetana ianao : fironana ao amintsika ny hahita vokatra haingana ; tiantsika ho vita izao dia izao ny zavatra rehetra . Mety misy lafin-javatra maro tsy maintsy heverina anefa mba hahatanteraka izany ; misy amin’izy ireny no tsy ananantsika fahefana ny mifehy azy . Izay azonao atao ihany no aoka hataonao , mba tsy ho reraka ny tena sy ny fonao .

Amin’ny tanjona tsara efa ao aminao , amin’ny hevitra tsara maharesy lahatra anao , dia ataovy amim-paharetana ny hahatanteraka izany . Ny zavatra sarobidy rehetra teto amin’izao tontolo dia tontosa tao anatin’ny faharetana sy ny fikirizana avokoa.

Raha nanomboka niarahaba ny vadinao sy ny zanakao ianao ohatra , rehefa tonga ny maraina , dia tohizo hatrany izany , mandra-pivadik’izany ho fahazarana tsara ao aminao . Ny fandrosoana tsikelikely isan’andro no mitambatra ho fandrosoana lehibe eo amin’ny fiainana .

Fandraisana andraikitra , asa amin’ny fitiavana , faharetana , ireo no toe-tsaina sy fomba fijery novoizina teto androany . Tolo-kevitra ihany ireo , kanefa azonao andramana ny fahombiazany . Rehefa iainantsika ray aman-dreny ireny toe-tsaina voasokajy ho anisan’ny soatoavina ireny , dia adidintsika ihany koa ny manabe ireo zanatsika amin’izany , mba hahatonga azy ireo ho olona manam-pitiavana sy fikirizana , ary ho tompon’andraikitra eo amin’ny fiainana .

Raoeliarijao

Inona tena marina @  zavatra mahakasika ekipam-pirenena  malagasy (barea)
01/10/2020

Inona tena marina @ zavatra mahakasika ekipam-pirenena malagasy (barea)

Address

Rn7
Fianarantsoa

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Patrick rafanomezantso posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Patrick rafanomezantso:

Share