16/12/2022
Namorona ity sonde optique manana endrika stylo ity ny Dr Rasata Ravelo Andriamparany ahafahana mizaha ny selan'ny homamiadana ao anatin'ny vatan'ny olona mararin'ny homamiadan'ny nono. Nantsoiny hoe maso fahatelon'ny mpandidy izy ity ary hanampy betsaka ireo mpitsabo. Tao anatin'ny 8 taona no nanaovany fikarohana tany Europe momba ny homamiadan'ny nono no nahazoany ity vokatra ity.
Rédaction©️Chasse-info