Commissariat de la Sécurité Publique de District Mahanoro

Commissariat de la Sécurité Publique de District  Mahanoro Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Commissariat de la Sécurité Publique de District Mahanoro, Security guard service, RN11A, Mahanoro.

NY POLICE NATIONALE ETO MAHANORO DIA MAMPAHAFANTATRA FA MISOKATRA HOANTSIKA NY PEJY"Commissariat de la Sécurité Publique de District Mahanoro" HAHAFAHANA MIFAMPITA VAOVAO SY MIFAMPIZARA IZAY METY HO

Milamina amin'ny ankapobeny ny fankalazana ny P***a eto Mahanoro.Nisalahy ny avy ato amin'ny Polisim-pirenena sy ny Poli...
10/04/2023

Milamina amin'ny ankapobeny ny fankalazana ny P***a eto Mahanoro.Nisalahy ny avy ato amin'ny Polisim-pirenena sy ny Polisy Kaominaly araka izany amin'ny fitandroana ny filaminana sy ny fiarovana ny ain'ny tsirairay mba ho ieren-doza izany fety izany.
Ny ratsy anefa tsy kely lalana ka manentana antsika hatrany mba hitandrina.
Mankasitraka ny rehetra manaiky ny fandaminana.

Nisy ny lanonana roa sosona izay notanterahina teto amin'ny "Commissariat de la Sécurité Publique de District Mahanoro" ...
25/03/2023

Nisy ny lanonana roa sosona izay notanterahina teto amin'ny "Commissariat de la Sécurité Publique de District Mahanoro" ny Zoma faha 24 Martsa 2023:

Ny voalohany tamin’izany dia ny fametrahana galona ho an’ny lehiben’ny Polisim-pirenena eto Mahanoro izay niakatra amin’ny laharam-boninahitra « Officier Principal de Police ».

Ny faharoa kosa dia ny fanoloran’Atoa Talem-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana fiara HYUNDAI GALLOPER ho an’ny Commissariat Mahanoro.

Ny lanonana moa dia teo ambany fitarihan’i Commissaire de Police RAKOTOVAO Jean Christian, Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana, ary natrehin’ny olona manan-kaja maro teto an-toerana sy avy any Toamasina ka hatrany Analanjirofo.

Fisaorana mitafotafo no omena ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana tamin’ny fanomezana izao fiara izao.

Aterina ihany koa ny fisaorana ho an’Atoa FARA Stevenny Angeliquot izay mpandraharaha avy ao Toamasina, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe MIMO, izay nanaiky nanamboatra ny fiara rehefa nangatahin’ny lehiben’ny Polisim-pirenena miasa eto Mahanoro.

Isaorana lehibe ihany koa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka nanaiky izao famindrana ny fiara voatokana ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Polisim-pirenena Atsinanana ho aty Mahanoro izao.

Ilaina ny fisian’ny fitaovana tahak’izao izay manampy be amin’ny fanatanterahana ny asa. Antenaina ny hisian’ny vokatra tsaratsara kokoa amin’ny filaminana amin’ny ankapobeny.

Nandritra ny fisafoana izay nataon’ny Polisy ny alin'ny 09 Martsa 2023 tao amin’ny fokontany Ambalakininina izay faritra...
11/03/2023

Nandritra ny fisafoana izay nataon’ny Polisy ny alin'ny 09 Martsa 2023 tao amin’ny fokontany Ambalakininina izay faritra tena mafampana amin’ny resaka sinto-mahery sady be mpamaky trano raha ny eto antampon-tananan’i Mahanoro.

Tokony tamin’ny sasakalina dia nifanehitra tamin'ny andian’olona telo lahy ireo Polisy ireo ary raha vantany vao nahatazana izany ireo olona 3 lahy ireo dia vaky nandositra ka raikitra ny fifanenjehana tao anaty aizina. Tamin’izany anefa no saika hanana teti-dratsy ny iray tamin’izy ireo izay nitondra antsy lava izay saika hamelezany ny Polisy. Rehefa avy nampitandrina azy ny Polisy nefa tsy nandaitra izany dia nanao fiarovan-tena ka nampiasa ny basy teo ampelatanany izay nahafaty io jiolahy io.

Rehefa nojerena dia mpamaky trano efa gaigilahy eto Mahanoro io lehilahy io ary efa matetika no voatazona any amponja. Tratra teny aminy ihany koa ankoatry ny antsy lava ny fitaovana vitsivitsy toy ny fanalahidy maromaro, hety izay manana endrika fanalahidy ary « barre à pince » izay entin’izy ireo mamaky trano.

Tianay ny mampahafantatra ny vahoaka eto Mahanoro fa efa nivoaka ny fonja ary mihaodihaody eto daholo ireo izay tena mpamerin-keloka amin’ny resaka vaky trano ka aoka samy ho mailo isika ary manentana atsika mba hiantso tsy tapaka ny 034 05 529 82 raha vao maheno zavatra hafahafa amin’ny alina.

Mampitandrina ihany koa izahay ho an’ireo izay zatra ny lalandririnina fa misy farany io asa ratsy io ka mbola tsy tara ny fialanao amin’izany satria hitohy hatrany ny famongorana ny olon-dratsy.

Taolam-paty iray gony no tratra nentin’olona 4 dahy tao amin’ny seranam-piantsonana ny lakana eto Mahanoro. Ny roa amin’...
27/01/2023

Taolam-paty iray gony no tratra nentin’olona 4 dahy tao amin’ny seranam-piantsonana ny lakana eto Mahanoro. Ny roa amin’izy ireo izay tompon’entana dia avy any amin’ny Fokontany Vohitromby, izay fianakavian’ny tompom-pasana novakin’izy ireo fa ny roa kosa dia avy eto antampon-tanan’i Mahanoro izay hanampy amin’ny fitadiavana mpividy.

Ny Talata faha 26 janoary 2023 lasa teo no nahazoana loharanom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo io trangan-javatra io ary avy hatrany dia natao ny vela-pandrika ka izao nahitam-bokany izao.

Araka ny nambaran’izy ireo dia nohon’ny fahenoana fa lafo-vidy ny taolam-paty no nanosika ireto tanora ireto hanao ny asa ratsy.

Tsy misy akory ary ny olona fantatr’izy ireo hividy io taolana io fa teo andalam-pitadiavana mpividy izy ireo izao tratra izao.
Niaiky ny heloka vitany izy 4 dahy ireo izay efa samy voatazona vonjy maika any amin’ny Fonjan’i Vatomandry avokoa taorian’ny fiakaran’izy ireo ny fampanoavana ny Alakamisy lasa teo.

Ny taolam-paty kosa dia efa voarain’ny fianakaviana izay tompon’ny fasana vaky ny Alarobia taorian’ny nisamborana ireo olon-dratsy ireo ihany.

Izahay ato amin’ny Polisim-pirenena dia manao antso avo ho antsika rehetra mba tsy hisalasala hampandre anay (tel: 0340552982) rehefa misy zavatra mampiahiahy fa ny ratsy dia mitombo andro aman’alina.

Io indray ary......andao hanao Polisy🙏
15/12/2022

Io indray ary......andao hanao Polisy🙏

ANDAO HANAO POLISY : MISOKATRA INDRAY NY FISORATANA ANARANA

✅ Ho tanterahina ny 18 sy 19 Martsa 2023 ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho Polisy ( sokajy : Agent , Inspecteur, Officier, Commissaire ) dingana voalohany. Araka izany dia misokatra ny fisoratana anarana izay hifarana ny 16 febroary 2023 ho avy izao

🔴 Ho antsika mila ny andinindininy dia azo jerena :
👉 Ao amin'ny tranokalam-pifandraisan'ny Polisim-pirenena
👉 eny amin'ireo toerana hiasan'ny Polisim-pirenena
👉 Ho an'ny any amin'ny faritra kosa dia hita eny anivon'ny fitaleovam-paritry ny Polisim-pirenena izany .

👮‍♂️👮‍♀️ Ny Fisoratana anarana :
👉Eny Anosy ao amin'ny " Service Central de recrutement" ho an' Antananarivo Renivohitra
👉 Isaky ny " Direction Régionale de la Sécurité Publique " ho an'ny faritra ivelan' Antananarivo Renivohitra

🔴 Fampatsiahivana :
👉 mialoha ny hametrahana ny antontan-taratasy ho mpifaninana no mirefy ka mahazo ny "certificat de toise "
👉 Ny "imprimé" ilaina rehetra ho an'ny "session concours 2021-2022" dia azo alaina ao amin'ny tranokalam-pifandraisan'ny Polisim-pirenena
👉 Mitondra fanamarinana fitondran-tena "Certificat de bonne conduite " ( afaka alaina ao amin'ny tranokalam-pifandraisan'ny Polisy ) ny mpifaninana ary hoentiny eny amin'ny fokontany. Ny Filohan'ny fokontany no mameno izany ary manao izany ao anatin'ny valopy tsara hidy.
👉 Mitondra "imprimé Fiche médicale CM1" avy any amin'ny hopitalim-panjakana na ihany koa eny tobim-pahasalamana CSBII ny mpifaninana. Ny dokotera irery no mameno izany ary manao izany ao anatin'ny valopy tsara hidy.

"𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗥𝗔𝗧𝗔𝗦𝗬 𝗙𝗘𝗡𝗢 𝗦𝗬 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗛𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗢 𝗛𝗢 𝗥𝗔𝗜𝗦𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗠𝗣𝗢𝗡'𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗞𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗘𝗢 𝗔𝗡𝗜𝗩𝗢𝗡'𝗡𝗬 𝗣𝗢𝗟𝗜𝗦𝗜𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗦𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗦𝗢𝗥𝗔𝗧𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔"

Address

RN11A
Mahanoro
510

Telephone

+261340552982

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commissariat de la Sécurité Publique de District Mahanoro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Commissariat de la Sécurité Publique de District Mahanoro:

Share