Chambre de Commerce et d'industrie Itasy

Chambre de Commerce et  d'industrie Itasy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Chambre de Commerce et d'industrie Itasy, Business service, CAPAG CCI Ampaisokely, Miarinarivo.

Tolotr'asa mety  mahasoa anao na ny olo-pantatrao ka zarao!
10/11/2025

Tolotr'asa mety mahasoa anao na ny olo-pantatrao ka zarao!

18/08/2025

Eo ambany fiahian'ny Governora Faritra Itasy,
Eo ambany fanohanan'ny Filohan'ny Antenimieran'ny Varotra sy ny Indostria Itasy (CCI),
Takariva miavaka, CABARET, karakarain'ny Sosialy CCI Itasy, iarahana amin'ny tarika Lola, ny asabotsy 6 Septembre 2025 ao amin'ny Tranompokonolona ANALAVORY. Manomboka amin'ny 09 ora alina. Tongava maro fa tsy ho diso fanantenana ianao.
PAF: 30 000ar

27/07/2025
Tontosa ny zoma 25 jolay teo tao amin'ny tranompokonolona Miarinarivo ny fanolorana "attestation de formation" ho an'ire...
27/07/2025

Tontosa ny zoma 25 jolay teo tao amin'ny tranompokonolona Miarinarivo ny fanolorana "attestation de formation" ho an'ireo 30 mianadahy nahavita fiofanana momba ny "boulangerie sy pâtisserie" mandritra ny 10 andro tany Arivonimamo sy teto Miarinarivo.
Ity fampiofanana ity dia tafiditra hatrany amin'ny fampiofanana atolotry ny ASF. Ny mampiavaka azy fotsiny dia ireo mpiofana nahazo fiofanana teo aloha, no notohanan'ny ASF mba hizara ny traik'efa azony ho an'ireo mbola tsy nahazo izany.
Nanome voninahitra ny fotoanany solo-tena avy ao amin'ny Faritra, ny CMA, ny CCI, ny Talé-paritra miasa ato amin'ny Faritra Itasy .
Natao moa ny fanentanana ny amin'ny mba hidiran'ireo mpisitraka amin'ny sehatra matihanina amin'izay.
Anisan'ny mahavelom-bola koa ny fazahoana toky avy amin'ny ASF foibe, ny amin'ny hanohizany ny fiaraha-miasa amin'ny taona ho avy 2026 io. Marihana fa efa hatramin'ny taona 2022 no hanombohan'ny fifanaraha-piaraha-miasa teo amin'ny ASF sy ny CCI ary ireo mpira-miombon'antoka rehetra eto antoerana.
Hatreto dia fampiofanana marolafy 12 no vita, ary manodidina ny 420 no nisitraka izany.

19/07/2025

Amin'alahelo lehibe no ilazana amintsika fa nodimandry anio asabotsy 19 jolay ny Filoha lefitra ny CCI Itasy , Itompolahy RAKOTORAHALAHY Imanga Louis dit Damanga, rehefa nivahiny 55 taona teto antany.
Mirary fihononana feno ho an'ny Fianakaviana.

Toa ny Faritra rehetra eto Madagasika dia nanamarika ny andro irasam-pirenenaho an’ny Koperativa ny teto amin’ny Faritra...
08/07/2024

Toa ny Faritra rehetra eto Madagasika dia nanamarika ny andro irasam-pirenenaho an’ny Koperativa ny teto amin’ny Faritra Itasy izay notanterahina teto amin’ny Tranom-pokonolona Miarinarivo ny Zoma 05 Jolay 2024.
Nanentana sy nitarika ny hetsika ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritra ny Indostria sy ny Varotra (DRIC) Itasy, ary nifanome tanana taminy ny avy ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Itasy. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana : ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Itasy, ny solo-tena avy eo amin’ny Prefektiora Miarinarivo, ny Ben’ny tanàna lefitra ny Kaominina Miarinarivo Renivohitra, Ireo Tale-paritra maro miasa ato amin’ny Faritra Itasy, niaraka tamin’ireo manam-boninahitra Sivily sy Miaramila. Tonga navitrika ihany koa ireo Mpitarika Koperativa ato anatin’ny Distrika telo : Arivonimamo, Miarinarivo, ary Soavinandriana.
Taorian’ny Kabary nifandimbiasana, izay nanindriana indrindra ny amin’ny maha zava-dehibe ny Orinasa Koperativa ho amin’ny fampandrosoanany sy fanentanana ny asa fandraharahana ety anivon’ny Faritra, dia nisy ny fitsidihana ireo varotra fampisehoana ny vokatry ny Orinasa Koperativa ato amin’ny Faritra Itasy, toy ny : famokarana masomboly, fanodinana ny vokatry ny tany, asa-tanana samihafa, fanamboarana zezika biolojika mandonaka ny tany.
Tsy diso anjara fa nanararaotra ny hetsika koa nampahafantarana ny tolotra misy ao amin’izy ireo ny mpiara-miombon’antoka, toy ny mpampisambo-bola madinika, ny CNaPS.
Ny tapak’andro hariva moa dia nanentanana sy nampiofanana ny Mpitarika Koperativa tonga nanatrika ity fotoana Ity. Izany dia nifantoka tamin’ny fampahafantarana ny lalàna vaovao laharahana : 007/2023 momba ny koperativa, ary koa ny momba ny toe-tsaina Mpandraharaha, izay novoizin’ny Tale-paritra ny Indostria sy ny Varotra (DRIC) Itasy.
Ny Tale Mpanatanteraka izay nisolo tena ny Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria kosa, dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny Orin’asa Koperativa izany hany lalana tokana ahafahana mamaly ny filàna ara-barotra lehibe na amin’ny tsena anatiny na ivelany. Nanentana ihany koa izy ny mba hidiran’ny Orin’asa Koperativa ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna, fa izany ihany no lalana tokana ahafahan’ny Fanjakana mifanampy amin’izy ireo .
Marihina isan-taona moa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Koperativa, ka amin’ny taona ho avy toy izao indray no hifamotoana eto amin’ny Renivohitry ny Faritra ny Orin’asa Koperativa eto Itasy !

Toa ny Faritra rehetra eto Madagasika dia nanamarika ny andro irasam-pirenenaho an’ny Koperativa ny teto amin’ny Faritra...
08/07/2024

Toa ny Faritra rehetra eto Madagasika dia nanamarika ny andro irasam-pirenenaho an’ny Koperativa ny teto amin’ny Faritra Itasy izay notanterahina teto amin’ny Tranom-pokonolona Miarinarivo ny Zoma 05 Jolay 2024.
Nanentana sy nitarika ny hetsika ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritra ny Indostria sy ny Varotra (DRIC) Itasy, ary nifanome tanana taminy ny avy ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Itasy. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana : ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Itasy, ny solo-tena avy eo amin’ny Prefektiora Miarinarivo, ny Ben’ny tanàna lefitra ny Kaominina Miarinarivo Renivohitra, Ireo Tale-paritra maro miasa ato amin’ny Faritra Itasy, niaraka tamin’ireo manam-boninahitra Sivily sy Miaramila. Tonga navitrika ihany koa ireo Mpitarika Koperativa ato anatin’ny Distrika telo : Arivonimamo, Miarinarivo, ary Soavinandriana.
Taorian’ny Kabary nifandimbiasana, izay nanindriana indrindra ny amin’ny maha zava-dehibe ny Orinasa Koperativa ho amin’ny fampandrosoanany sy fanentanana ny asa fandraharahana ety anivon’ny Faritra, dia nisy ny fitsidihana ireo varotra fampisehoana ny vokatry ny Orinasa Koperativa ato amin’ny Faritra Itasy, toy ny : famokarana masomboly, fanodinana ny vokatry ny tany, asa-tanana samihafa, fanamboarana zezika biolojika mandonaka ny tany.
Tsy diso anjara fa nanararaotra ny hetsika koa nampahafantarana ny tolotra misy ao amin’izy ireo ny mpiara-miombon’antoka, toy ny mpampisambo-bola madinika, ny CNaPS.
Ny tapak’andro hariva moa dia nanentanana sy nampiofanana ny Mpitarika Koperativa tonga nanatrika ity fotoana Ity. Izany dia nifantoka tamin’ny fampahafantarana ny lalàna vaovao laharahana : 007/2023 momba ny koperativa, ary koa ny momba ny toe-tsaina Mpandraharaha, izay novoizin’ny Tale-paritra ny Indostria sy ny Varotra (DRIC) Itasy.
Ny Tale Mpanatanteraka izay nisolo tena ny Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria kosa, dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny Orin’asa Koperativa izay hany lalana tokana ahafahana mamaly ny filàna ara-barotra lehibe na amin’ny tsena anatiny na ivelany. Nanentana ihany koa izy ny mba hidiran’ny Orin’asa Koperativa ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna, fa izany ihany no lalana tokana ahafahan’ny Fanjakana mifanampy amin’izy ireo .
Marihina isan-taona moa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Koperativa, ka amin’ny taona ho avy toy izao indray no hifamotoana eto amin’ny Renivohitry ny Faritra ny Orin’asa Koperativa eto Itasy !

Ny tsenambaro-panjakana anio ho antsika Mpandraharaha.
28/06/2024

Ny tsenambaro-panjakana anio ho antsika Mpandraharaha.

Address

CAPAG CCI Ampaisokely
Miarinarivo
117

Telephone

+261341424052

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Chambre de Commerce et d'industrie Itasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Chambre de Commerce et d'industrie Itasy:

Share