14/08/2026
💧 Ankehitriny, mikoriana mandavan-taona ny rano ao Ampitambe 🌱
Pejy vaovao no misokatra ao Ampitambe: tsy ho ory rano fisotro madio intsony ny vondrom-piarahamonina, na dia amin’ny main-tany aza.
Tamin’ny taona 2023 no nitsirian’ny hevitra avy tamin’ny vondrom-piarahamonina: ny hitady vahaolana maharitra mba hiantohana ny fahazoana rano fisotro madio ao amin'ny Fokontany. Tanteraka ny tetikasa noho ny fiaraha-mientan’ny mponina, ary koa noho ny fiaraha-misalahy tamin’Ambatovy sy ireo mpiombon’antoka aminy.
Ahitana faritra fanangonan-drano, sivana, fantsona, fitoeran-drano ary rafitra fizaran-drano 13, ny fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio, izay miparitaka manerana ireo fokontany efatra ao Ampitambe.
🌿💧Tsy mila paompy na herinaratra ny rafitra : angonina avy any amin’ny faritra avo ny rano, ary avy eo mikoriana ho azy any amin’ireo toerana fizaran-drano samihafa, amin’ny alalan’ny fampiasana ny haavon-toerana.
Mihoatra lavitra noho ny fotodrafitrasa tafapetraka ny zava-bita. 🏗️ Maneho ny **fiaraha-mientana sy ny fiaraha-misalahy 🤝 ho tombontsoan’ny fahasalaman’ny vondrom-piarahamonina izany.
Amin’ny alalan’ity hetsika ity, manamafy ny fahavononany ho **mpiray vodirindrina mahatoky 🏡 i Ambatovy, sady mitondra anjara biriky azo tsapain-tanana amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo vondrom-piarahamonina manodidina azy. 🌱
Mamiratra kokoa ny hoavy miaraka amin’ny rano mikoriana, ao Ampitambe. 💧🌱
✨
💧 À Ampitambe, l’eau coule désormais toute l’année
💧 À Ampitambe, une nouvelle histoire commence : celle d’une communauté qui ne manquera plus d’eau potable, même pendant la saison sèche.
📅 Tout a commencé en 2023, avec une idée portée par la communauté : trouver une solution durable pour garantir l’accès à l’eau potable dans le Fokontany. Grâce à la mobilisation des habitants, puis à la collaboration avec Ambatovy et ses parties prenantes, ce projet est aujourd’hui devenu une réalité.
🚰 Le système d’adduction d’eau potable gravitaire comprend un **centre de captage, un filtre, une conduite, un réservoir et 13 bornes-fontaines, réparties dans les quatre quartiers d’Ampitambe.
🌿 Et ici, pas besoin de pompe ni d’électricité : **l’eau est captée en amont et voyage naturellement, portée par la force de la gravité, jusqu’aux différents points de distribution.
🏗️ Cette réalisation est bien plus qu’une infrastructure. C’est le fruit d’une mobilisation collective et d’une collaboration au service du bien-être de la communauté.
🏡 À travers cette initiative, Ambatovy réaffirme son engagement à être un bon voisin, en contribuant concrètement à améliorer les conditions de vie des communautés riveraines de ses activités.
💧 À Ampitambe, l’eau coule. Et avec elle, c’est l’avenir qui avance.