15/12/2025
Manao nahoa antsika iaby rolahy.
Feno tao raiky no folo vola (1 taona sy 10 volana) andro vitsy lasa zay gny fikambagna MA.MI na Masikoro Mifanoha.
Maro gny tetikasa nokasay ka tratsy soa, eo avao koa gny mbo kasay hatao amin'ny gny hoavy. Ireto iaby gny raha fa nivita izay isaoratsika an-Dranagnahary, tsy haligno gny filohan'ny MA.MI amperin'asa vo gny birao miaraky aminy :
- Fagnamboara tsangambato MA.MI eo ampitan'ny Lapan'ny Tanร na Toliara I.
- Fagnavohavoa ireo anaky gny Masikoro nahazo fahasoava ka namea tso-drano.
- Fampianara maimaim-poana fivolagna Japoney gnanaky gny Masikoro izay ampolony maro ary mbo hisy koa gny hampianary magnaraky (prochaine รฉdition).
- Fanentagna fampilira mpikamba maro tsy agnavaha lafa mahatsapa gny vatany fa Masikoro, sns tsy voatanisa...
โก๏ธ Agnisany vaovao bevata koa gny hisian'ny gnanaky gny Masikoro hiasa any ivelan'i Madagasikara tsy hoela, andiany voalohany, izay hambara amintsika eto avao, noho ny ezaky ny fikambagna.
Soa avao koa gny magnamariky fa gny MA.MI dia fikambagna mahaleo-tena sady mijoro ara-panjakana ary mana gny satany manokany, ka mikaiky antsika longo iaby rolahy mba hilitsy mpikamba mba hifagnavohavo gny samby masikoro ho fandraisan'anjarantsika amin'ny fampandrosoa tany be toy no fagnentea gny mpiara-belo.
Misaotsy antsika iaby.
" Masikoro Mifanoha, mifagnavohavo rahay ".