30/10/2026
Coucou indray eee!👋
Misy fotoana mbola tsy azontsika tsara ilay maha samihafa ireto: authentique, dupe, copie.
Andao asiana resaka kely ary e☺️
1-AUTHENTIQUE
Arak'izay dia io ilay produit namboarin'ilay marque. Matetika ny mahazatra antsika dia itony grande marque hafoizintsika amin'izao itony: Chacha sns ireny satria tsy ny olona rehetra no tokony hivarotra azy.
Fa misy tena misy koa ny petite marque nefa authentique: la rive, adopt sns ireny. Izay indraindray misy dupe an'ilay grande marque ihany ny amidiny, indrindra eo amin'ny fofony.
Fa inona moa izany ny dupe?
2-DUPE
Izy indray dia inspiré avy amin'ilay marque voaresaka teo aloha. Amin'ity sary ity izao dia io faharoa io izy. Tsy manoratra an'ilay marque matteika fa ny fofony mety hitovitovy, na tena mitovy, ny endriny koa torak'izay. Indraindray izy manoratra ihany fa ilay producteur no hahalalàna azy. Ary ny maha tsara azy kokoa noho ny copie dia matetika ny tena singa ao anatiny no soratany eo. Ny vidiny matetika tena ambany. Ny tenue any koa mety fohy kokoa. Ohatra ireny vokarin'ny Mystical ireny, smart, only you... Raha eto Madagasikara izy dia Gasinova.Izany hoe tena naka tahaka izy, ary tsoriny hoe naka tahaka, amidiny amin'ny vidiny tena ambany.
3-COPIE
Ny copie mantsy izy manoratra mihitsy, maka ilay fofona, ary mety tena manakaiky ny vidiny tena izy na mitovy mihitsy. Ny maha ratsy azy koa ankoatra ny efa voalaza dia izy tena mamitaka izany. Mety ho zavatra 80000Ar no tena vidiny fa ianao tsy nahalala dia nividy azy 400.000Ar toy ny authentique., Ny tena ao anatiny moa izany, tsy fantatra rahateo hoe inona.
Marihana moa fa ranomanitra ity tena resahanay eto ity fa amin'ny zavatra rehetra dia mety misy foana ireo 3 ireo. Ilay kiraro ababis, joroan ireny izany dupe fa tsy copie🤣 Fa mandeha mafy fotsiny ianareo dia tsy hita.
Vazivazy izany fa bon week end daholo ❤️❤️❤️