27/08/2026
Raha ianaranao eto ity fanamboarana cornet ana glace ity, ilay fonony ivelany iny izany, dia hampianarinay glace tena hiavaka indray ianao hatao ao anatiny aorian'ity🫵
AKORA ILAINA:
- Farine 100g
- Siramamy 100g
- Tapotsin'atody 2
- Beurre na margarine 60g(levonina)
- Ronono 100ml
- Sira iray tsongo
FOMBA FANAOVANA:
1. Kapohana ny tapotsin'atody sy ny siramamy mandram-pahalevony, dia arotsaka ny beurre levona sy farine ary ny sira aveo
2. Arotsaka tsikelikely ny ronono mandram-pahazoana pâte malama, somary matevina kokoa, ary avela hilona 15–20minitra
3. FANDRAHOANA AZY: Hosory beurre kely ny gaufrier à cornet na lapoaly fisaka tsy miraikitra dia handrotsaho kely ny pâte dia aparitaho manify, ary avelao hahazo loko volamena mahazatra iny ny lafiny roa
4. Farany, dia raha vantany masaka dia ahodino haingana amin’ny moule cornet, na atao cone amin’ny tanana raha tsy misy moule aloha
📍Efa nisoratra anarana ve ianao? Ho taraiky ianao raha hamotsitra ity⬇️
https://www.facebook.com/100057324764814/posts/1577678397486304/?app=fbl
ZARAZARAO DIA ARAHO NY PEJY RAHA ILAINAO NY FIZARANA FA ETO IHANY NO HIZARA AMINAO IZANY GRATUIT
_ Randriamahasahana Edson